Samoela Faharoa 20:1-26

  • Nikomy i Sheba; novonoin’i Joaba i Amasa (1-13)

  • Nenjehina i Sheba ary notapahina ny lohany (14-22)

  • Ireo manam-pahefana tao amin’ny fanjakan’i Davida (23-26)

20  Nisy lehilahy mpanakorontana atao hoe Sheba+ teo. Zanak’i Bikry Benjaminita izy io. Nitsoka anjombona+ izy ka niteny hoe: “Tsy manana anjara amin’i Davida isika sady tsy manana lova eo amin’ny zanak’i Jese.+ Samia àry mankany amin’ny andriamaniny* avy, ry Israely ô!”+  Dia nandao an’i Davida ny lehilahy israelita rehetra, ka nanaraka an’i Sheba zanak’i Bikry.+ Ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda kosa niaraka tamin’ny mpanjakany foana, hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana ka hatrany Jerosalema.+  Ary tonga tao an-tranony*+ tany Jerosalema i Davida Mpanjaka. Dia nalainy ireo vadikeliny folo, izay najanony hikarakara ny trano,+ ka napetrany tao amin’ny trano iray nisy mpiambina. Nomeny sakafo izy ireo, saingy tsy nanao firaisana tamin’izy ireo intsony izy.+ Tsy nahazo nivoaka tao amin’ilay trano izy ireo mandra-pahafatiny, ka lasa toy ny mpitondratena na dia tsy maty vady aza.  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Amasa:+ “Angony ao anatin’ny telo andro ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, dia asaivo mankatỳ amiko. Tokony ho eto koa ianao amin’izay.”  Lasa àry i Amasa nanangona ny Joda. Tara tamin’ilay fotoana nomen’i Davida anefa izy.  Dia hoy i Davida tamin’i Abisay:+ “Mety hampidi-doza antsika mihoatra noho i Absaloma+ i Sheba+ zanak’i Bikry. Ento àry ny mpanompon’ny tomponao ka enjeho izy, sao hiditra any amin’ny tanàna voaro mafy izy ka tsy ho azontsika intsony.”  Dia nivoaka nanaraka azy ny olon’i Joaba+ sy ny Keretita sy ny Peletita+ ary ny lehilahy matanjaka rehetra. Niala tao Jerosalema izy ireo mba hanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry.  Rehefa teo akaikin’ilay vatobe ao Gibeona+ izy ireo, dia tonga nitsena azy ireo i Amasa.+ Nanao ny akanjo fitondrany miady i Joaba tamin’izay, ary nisy sabatra tao anaty tranony teo amin’ny fehikibony. Latsaka ilay sabatra rehefa nanatona i Joaba.  Hoy i Joaba tamin’i Amasa: “Salama ve ianao, ry rahalahiko?” Dia noraisin’i Joaba tamin’ny tanany havanana ny volombavan’i Amasa, ka hoatran’ny hoe hanoroka an’i Amasa izy. 10  Tsy mba mailomailo i Amasa, nefa nisy sabatra teny an-tanan’i Joaba. Dia nasian’i Joaba tamin’iny ny kibony,+ ka nivoaka ny tsinainy dia niparitaka tamin’ny tany. Tsy nila namely azy fanindroany i Joaba, fa indray mandeha ihany dia maty izy. Ary lasa i Joaba sy Abisay rahalahiny nanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry. 11  Ary nisy tovolahy miaramilan’i Joaba nijoro teo anilan’i Amasa ka niteny hoe: “Manaraha an’i Joaba izay manohana an’i Joaba sy izay olon’i Davida!” 12  Nihosin-dra teo ampovoan-dalana i Amasa tamin’izay. Rehefa hitan’ilay tovolahy fa nijanona teo ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin’ny lalana i Amasa ka nafindrany teny an-tsaha. Ary nanipy akanjo teo amboniny izy mba hanaronana azy, satria hitany fa nijanona daholo izay nandalo teo aminy. 13  Rehefa avy nesoriny teo amin’ny lalana izy, dia lasa nanaraka an’i Joaba daholo ny lehilahy rehetra, mba hanenjika an’i Sheba+ zanak’i Bikry. 14  Nandalo tany amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely i Sheba, ka tonga tany Abela any Beti-maka.+ Dia nivory ny Bikrita rehetra, ka nanaraka azy nankao an-tanàna. 15  Ary tonga i Joaba sy ny miaramilany,* ka nanao fahirano an’i Sheba tao Abela any Beti-maka. Dia nanangana dongon-tany* fanaovana fahirano izy ireo hanafihana an’ilay tanàna, satria voahodidina dongon-tany fiarovana izy io. Ary noloahin’izy ireo ny fototry ny manda mba handrodanana an’ilay izy. 16  Ary nisy vehivavy hendry iray niantsoantso avy teo amin’ny mandan’ny tanàna, dia niteny hoe: “Mba henoy aho, rey olona a! Henoy aho! Mba teneno kely i Joaba hoe mankanesa etỳ fa hiresaka aminy aho.” 17  Nanatona an’ilay vehivavy àry izy, dia hoy ilay vehivavy: “Ianao ve no Joaba?” Dia namaly izy hoe: “Ie, izaho no izy!” Ary hoy ilay vehivavy: “Mba henoy ny tenin’ny mpanomponao.” Dia hoy izy: “Mihaino aho.” 18  Ary hoy ihany ilay vehivavy: “Fitenin’ny olona fahiny ny hoe: ‘Andao haka hevitra ao amin’ny tanànan’i Abela, dia ho voalamina ilay olana.’ 19  Solontenan’ny olona tia fihavanana sy mendri-pitokisana eto amin’ny Israely aho. Ianao kosa mitady handrava tanàna iray, izay toy ny reny eto amin’ny Israely. Fa nahoana no haripakao* ny lovan’i Jehovah?”+ 20  Dia hoy i Joaba: “Sanatria ahy ny handripaka sy handrava an’ity tanàna ity. 21  Tsy izany mihitsy no anton-diako. Fa misy lehilahy iray avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ nikomy* tamin’i Davida Mpanjaka. Sheba+ no anarany, ary zanak’i Bikry izy. Raha hatolotrareo ahy io lehilahy iray io, dia tsy hanao fahirano an’ity tanàna ity intsony aho.” Ary hoy ilay vehivavy: “Ao àry fa hatsipinay eny aminao avy etỳ amin’ny manda ny lohany!” 22  Tonga dia lasa niresaka tamin’ny olona rehetra ilay vehivavy hendry. Dia notapahin’izy ireo ny lohan’i Sheba zanak’i Bikry ary natsipiny teny amin’i Joaba. Notsofin’i Joaba àry ny anjombona, ka samy niparitaka niala tao amin’ilay tanàna ny olona ary nankany an-tranony avy.+ I Joaba kosa niverina nankany Jerosalema, ho any amin’ny mpanjaka. 23  I Joaba no lehiben’ny tafiky ny Israely+ manontolo; Benaia+ zanak’i Joiada+ no lehiben’ny Keretita sy ny Peletita;+ 24  Adorama+ no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana ho an’ny mpanjaka; Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana; 25  Seva no mpitan-tsoratra, ary Zadoka+ sy Abiatara+ no mpisorona. 26  Lasa tompon’andraiki-panjakana* niasa ho an’i Davida koa i Ira Jairita.

Fanamarihana

Na mety hoe “tranolainy.”
Na: “an-dapany.”
Abt: “izy ireo.”
Na: “tovon-tany.”
Abt: “hatelinao.”
Abt: “nanainga tanana.”
Abt: “Lasa mpisorona.”