Samoela Faharoa 22:1-51

  • Nidera an’i Jehovah i Davida noho ny asa famonjeny (1-51)

    • “I Jehovah no harambatoko” (2)

    • Tsy mivadika amin’izay tsy mivadika aminy i Jehovah (26)

22  Nanao an’izao tononkira+ izao ho an’i Jehovah i Davida, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny fahavalony+ rehetra sy tamin’i Saoly.+  Hoy izy: “I Jehovah no harambatoko sy manda fiarovana+ ho ahy ary Mpamonjy ahy.+   Ilay Andriamanitro no vatolampiko.+ Ao aminy aho no mialoka,Izy no ampingako+ sy tandroka* famonjena* ahy, fialofana* azoko antoka+Sy toerana fandosirako,+ ary mpamonjy+ ahy. Ianao no mamonjy ahy tsy hiharan’ny herisetra.   I Jehovah, ilay mendrika hoderaina, no antsoiko,Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.   Niantonta nanodidina ahy ny onjan’ny fahafatesana;+Nampihorohoro ahy ireo olona tsy misy ilana azy, izay toy ny ranotrambo nanafotra ahy.+   Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana;*+Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.+   Tao anatin’ny sarotra aho no niantso an’i Jehovah,+Ilay Andriamanitro foana no nantsoiko. Dia henony tao amin’ny tempoliny ny feoko,Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.+   Nihozongozona sy nihetsiketsika ny tany;+Nihovotrovotra ny fototry ny lanitra+Sady nihozongozona satria nisy nampahatezitra azy.+   Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony,Ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany;+Nisy vainafo niredareda avy taminy. 10  Natongilany ny lanitra rehefa nidina izy,+Ary haizim-pito no teo ambany tongony.+ 11  Nitaingina kerobima+ izy dia nanidina. Hita teny ambony elatry ny anjely*+ izy. 12  Dia nataony nanodidina azy toy ny tranolay ny haizina,+Dia rahona mainty sy matevina. 13  Ny hazavana namirapiratra teo anatrehany no nampiredareda vainafo. 14  Dia nandefa kotroka avy tany an-danitra i Jehovah;+Nataon’ilay Avo Indrindra izay handrenesana ny feony.+ 15  Nandefa ny zana-tsipìkany+ izy ka niparitaka ny fahavalony;Nandefa tselatra izy ka nataony nisahotaka+ ireny. 16  Lasa hita ny fanambanin’ny ranomasina;+Niharihary ny fototry ny tany satria niteny mafy azy i Jehovah,Sady nitsoka azy tamin’ny fofonain’ny vavorony.+ 17  Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany;Nitazona ahy izy ary nisintona ahy avy tao anaty rano lalina.+ 18  Namonjy ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+Dia tamin’ireo nankahala ahy, izay nahery kokoa noho izaho. 19  Nanohitra ahy izy ireny tamin’ny andro nahitako loza,+Nefa nanampy ahy i Jehovah. 20  Nitondra ahy nankeo amin’ny toerana tsy mampidi-doza*+ izy;Namonjy ahy izy satria nankasitraka ahy.+ 21  Mamaly soa ahy i Jehovah satria manao ny marina+ aho;Mamaly soa ahy izy satria tsy manan-tsiny+ aho.* 22  Fa narahiko foana ny lalan’i Jehovah,Ary tsy nanao ratsy aho ka hoe niala tamin’ny Andriamanitro. 23  Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra;+Tsy hiala amin’ny fitsipiny+ aho. 24  Tsy hisy tsiny+ eo anatrehany aho,Sady hitandrina mba tsy hanao fahadisoana.+ 25  Enga anie i Jehovah hamaly soa ahy satria manao ny marina+ aho,Sady tsy manan-tsiny eo anatrehany!+ 26  Ny olona tsy mivadika no tsy ivadihanao,+Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mifandray amin’ny olona* tsy misy tsiny;+ 27  Ny olona madio no isehoanao hoe madio,+Fa ny olona fetsifetsy kosa no isehoanao hoe kinga saina.*+ 28  Mamonjy an’ireo manetry tena mantsy ianao,+Fa ny masonao kosa manohitra ny mpirehareha ka aetrinao ireny.+ 29  Fa ianao no jiroko, Jehovah ô!+I Jehovah no manazava ny haizina misy ahy.+ 30  Manampy ahy ianao, dia vitako ny miady amin’ny mpandroba;Noho ny herin’Andriamanitra, dia vitako ny mianika manda.+ 31  Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra;+ Madio* ny tenin’i Jehovah.+Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+ 32  Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah?+ Ary iza no vatolampy ankoatra an’ilay Andriamanitsika?+ 33  Ilay tena Andriamanitra no fiarovana mafy ho ahy,+Ary hataony izay hahalavorary ny lalako.+ 34  Ataony toy ny an’ny serfa ny tongotro;Ampijoroany eo amin’ny toerana avo aho.+ 35  Mampiofana ahy* hiady izy;Mahavita mamoritra tsipìka varahina ny sandriko. 36  Omenao ahy ny ampinga famonjenao,Ary lasa misandratra aho noho ianao manetry tena.+ 37  Ataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko;Tsy hibolisatra ny tongotro.+ 38  Henjehiko ny fahavaloko ary haripako;Tsy hiverina aho raha tsy efa ringana tanteraka izy ireny. 39  Haringako sy hotorotoroiko izy ireny, ka tsy ho tafatsangana intsony;+Ho lavo eo ambany tongotro izy ireny. 40  Homenao hery hoenti-miady aho;+Hataonao lavo eo ambaniko ny fahavaloko.+ 41  Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko;*+Haringako* izay mankahala ahy.+ 42  Miantso vonjy izy ireny, nefa tsy misy mamonjy;Miantso an’i Jehovah mihitsy aza izy ireny, nefa tsy valiany.+ 43  Hataoko torotoro toy ny vovoka izy ireny,Ary hopotipotehiko sy hohitsakitsahiko hoatran’ny fotaka eny an-dalana. 44  Hamonjy ahy amin’ny fanakianana ataon’ny vahoakako ianao.+ Hiaro ahy ianao mba hahatonga ahy ho filohan’ireo firenena;+Vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+ 45  Hanatona ahy ny olona avy amin’ny firenen-kafa sady hatahotra,+Hankatò ahy izy ireo noho ny zavatra henony momba ahy.* 46  Tsy hanana herim-po intsony* ny olona avy amin’ny firenen-kafa;Hangovitra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny toerany voaro mafy. 47  Velona i Jehovah! Hoderaina anie ilay Vatolampiko!+ Hasandratra anie Andriamanitra, ilay Vatolampy mpamonjy ahy!+ 48  Mamaly ny ratsy atao amiko ilay tena Andriamanitra;+Ataony lasa manaiky ahy ireo firenena;+ 49  Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko izy. Manainga ahy ho lasa ambonin’ireo+ manafika ahy ianao,Ary mamonjy ahy amin’ny olona mahery setra.+ 50  Izany no mahatonga ahy hisaotra anao eo amin’ireo firenena,+ Jehovah ô,Sy hanao hira fiderana* ho an’ny anaranao:+ 51  Manao asa famonjena lehibe* ho an’ny mpanjaka voatendriny izy;+Tiany ny voahosotra notendreny sady tsy mivadika aminy izy,Dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “sy mpamonjy mahery ho.”
Na: “toerana avo.”
Jereo F.T.
Na: “elatry ny rivotra.”
Na: “toerana malalaka.”
Abt: “madio ny tanako.”
Na: “olo-mahery.”
Na mety hoe “anaovanao zavatra toa adaladala.”
Avy amin’ny teny hebreo midika ara-bakiteny hoe mandrendrika metaly mba hanadiovana azy.
Na: “ny tanako.”
Na: “Homenao ahy ny lamosin’ny fahavaloko.”
Abt: “Hataoko mangina.”
Abt: “Raha vao mandre ny sofiny, dia hankatò ahy izy ireo.”
Na: “Ho lany hery.”
Na: “hitendry mozika.”
Na: “Manome fandresena miezinezina.”