Samoela Faharoa 3:1-39

  • Nihanahery ny fianakavian’i Davida (1)

  • Ny zanakalahin’i Davida (2-5)

  • Lasa nanohana an’i Davida i Abnera (6-21)

  • Novonoin’i Joaba i Abnera (22-30)

  • Nisaona an’i Abnera i Davida (31-39)

3  Naharitra ela ny ady teo amin’ny fianakavian’i Saoly sy ny fianakavian’i Davida. Nihanahery foana i Davida,+ fa nihena tsikelikely kosa ny herin’ny fianakavian’i Saoly.+  Nandritra izany fotoana izany, dia niteraka zazalahy i Davida tany Hebrona.+ I Amnona,+ zanany tamin’i Ahinoama+ Jezirelita, no lahimatoany.  Ny faharoa dia i Kileaba, zanany tamin’i Abigaila,+ ilay vady navelan’i Nabala Karmelita. Ary ny fahatelo dia i Absaloma+ zanak’i Maka, zanakavavin’i Talmay+ mpanjakan’i Gesora.  I Adonia+ zanak’i Hagita no fahefatra, ary Sefatia zanak’i Abitala no fahadimy.  I Jitreama, zanak’i Davida tamin’i Egla vadiny, no fahenina. Ireo no naterak’i Davida tany Hebrona.  Raha mbola nitohy ny ady teo amin’ny fianakavian’i Saoly sy ny fianakavian’i Davida, dia nanamafy ny fahefany teo amin’ny fianakavian’i Saoly i Abnera.+  Nanana vadikely i Saoly. Rizpa+ no anarany, ary zanakavavin’i Aia izy. Niteny tamin’i Abnera i Isboseta+ tatỳ aoriana hoe: “Fa maninona ianao no nanao firaisana tamin’ny vadikelin’ny dadako?”+  Dia tezitra be i Abnera noho ny tenin’i Isboseta, ka hoy izy: “Izaho angaha alika* avy amin’ny Joda? Tiako ny fianakavian’i Saoly rainao sy ny rahalahiny ary ny namany hatramin’izay ka hatramin’izao, sady tsy nivadika tamin’izy ireo aho. Ary tsy navelako ho azon’ny tanan’i Davida ianao. Koa izay fahadisoana momba ny vehivavy iray ve dia hanaovanao ampamoaka ahy androany?  Hofaizin’Andriamanitra anie i Abnera,* raha tsy hataoko amin’i Davida izay nianianan’i Jehovah taminy hoe:+ 10  Hesorina amin’ny fianakavian’i Saoly ny fanjakana, ka hafindra amin’i Davida. Ary ny seza fiandrianan’i Davida, dia hatao mafy orina eo amin’ny Israely sy Joda, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.”+ 11  Dia tsy nahavita namaly an’i Abnera i Isboseta na indraim-bava aza, satria natahotra azy.+ 12  Naniraka olona nankany amin’i Davida avy hatrany àry i Abnera, mba hilaza hoe: “An’iza moa ny tany?” Hoy koa izy: “Manaova fifanekena amiko, dia hanao izay rehetra azoko atao aho* mba hahatonga ny Israely rehetra hanohana anao.”+ 13  Dia hoy i Davida: “Mety izany! Hanao fifanekena aminao aho. Fa zavatra iray monja no angatahiko aminao: Aza manantena ny hahita ahy raha tsy entinao miaraka aminao i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, rehefa mankatỳ amiko ianao.” 14  Dia naniraka olona nankany amin’i Isboseta+ zanak’i Saoly i Davida, mba hiteny hoe: “Omeo ahy i Mikala vadiko. Efa lasa fofombadiko mantsy izy tamin’izaho nanome tsitsy* nesorina tamin’ny lehilahy filistinina 100.”+ 15  Naniraka olona àry i Isboseta mba haka an’i Mikala tany amin’i Paltiela+ vadiny, izay zanakalahin’i Laisy. 16  Niaraka tamin’i Mikala teny foana anefa io vadiny io. Sady nitomany izy no nanaraka azy hatrany Bahorima.+ Dia hoy i Abnera taminy: “Mandehana miverina!” Dia niverina izy. 17  Ary naniraka olona nankany amin’ny anti-panahin’ny* Israely i Abnera mba hiteny hoe: “Efa ela ianareo no te hanao an’i Davida ho mpanjakanareo. 18  Manaova zavatra amin’izay àry, fa efa nilaza tamin’i Davida i Jehovah hoe: ‘Ny tanan’i Davida+ mpanompoko no hamonjeko ny Israely vahoakako amin’ny Filistinina sy amin’ny fahavalony rehetra.’” 19  Niresaka tamin’ny Benjaminita+ i Abnera avy eo. Dia lasa koa izy niresaka mitokana tamin’i Davida tany Hebrona, mba hilaza taminy ny zavatra nifanarahan’ny Israely sy ny taranak’i Benjamina manontolo. 20  Rehefa tonga tany amin’i Davida tao Hebrona i Abnera sy ny 20 lahy niaraka taminy, dia nanaovan’i Davida fety. 21  Ary hoy i Abnera tamin’i Davida: “Aleo aho handeha hanangona ny Israely rehetra ho atỳ amin’ny mpanjaka tompoko, mba hanaovan’izy ireo fifanekena aminao. Dia ho mpanjaka eo amin’izay rehetra irinao ianao.” Koa nalefan’i Davida i Abnera, ka lasa soa aman-tsara. 22  Tamin’izay indrindra no tafaverina avy nanafika i Joaba sy ny mpanompon’i Davida, ary nitondra zavatra be dia be azony babo izy ireo. Efa tsy tao amin’i Davida tao Hebrona intsony i Abnera tamin’izay, satria efa nalefany soa aman-tsara. 23  Rehefa tonga i Joaba+ sy ny tafika manontolo niaraka taminy, dia nisy nilaza tamin’i Joaba hoe: “Tonga tao amin’ny mpanjaka i Abnera+ zanak’i Nera,+ nefa nalefany soa aman-tsara.” 24  Nankao amin’ny mpanjaka àry i Joaba, ka niteny hoe: “Fa inona izany nataonao izany? Hay tonga teto aminao i Abnera! Dia maninona izy no navelanao handeha? Izao izy lasa fotsiny. 25  Fantatrao tsara i Abnera zanak’i Nera. Hamitaka anao no nahatongavany tatỳ, dia hitsikilo an’izay alehanao sy hamantatra an’izay rehetra ataonao.” 26  Dia niala teo amin’i Davida i Joaba, ka naniraka olona hanenjika an’i Abnera. Teo amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Siraha i Abnera no nentin’izy ireo niverina. Tsy fantatr’i Davida anefa izany. 27  Rehefa tafaverina tao Hebrona+ i Abnera, dia nentin’i Joaba nihataka kely nankao am-bavahady mba hiresahany mitokana. Rehefa tao anefa izy ireo, dia notsatohan’i Joaba tamin’ny sabatra ny kibony ka maty izy.+ Nanao an’izany izy satria novonoin’i Abnera i* Asahela+ rahalahiny. 28  Rehefa naheno an’izany i Davida, dia hoy izy: “Izaho sy ny fanjakako dia tsy ho meloka mandrakizay, eo anatrehan’i Jehovah, hoe nandatsaka ny ran’i+ Abnera zanak’i Nera. 29  I Joaba+ sy ny ankohonan-drainy manontolo anie no ho tompon’andraikitra amin’izany! Hisy foana eo amin’ny taranak’i Joaba anie ny lehilahy misy tsiranoka mivoaka amin’ny filahiany,+ na olona boka,+ na lehilahy mampiasa hazo fangoronana kofehy,* na olona matin’ny sabatra, na olona tsy ampy sakafo!”+ 30  Koa novonoin’i Joaba sy Abisay+ rahalahiny i Abnera,+ noho izy namono an’i Asahela rahalahin’izy ireo tany an’ady,+ tany Gibeona. 31  Dia hoy i Davida tamin’i Joaba sy ny olona rehetra niaraka taminy: “Rovito ny akanjonareo ary misikìna lamba gony, ka midradradradrà noho ny amin’i Abnera.” Ary nandeha tao aorian’ilay filanjana faty i Davida Mpanjaka. 32  Dia nalevin’izy ireo tao Hebrona i Abnera. Ary nigogogogo nitomany teo amin’ny fasan’i Abnera ny mpanjaka. Nitomany koa ny olona rehetra. 33  Dia nanao an’izao hira fisaonana an’i Abnera izao ny mpanjaka: “Toy ny fahafatesan’ny olona tsy misaina ve no tokony ho nahafatesan’i Abnera? 34  Tsy voafatotra ny tananao,Ary tsy natao tao anaty gadra varahina ny tongotrao. Lavo hoatran’ireny olon-dratsy* ireny ianao.”+ Dia nitomany azy indray ny olona rehetra. 35  Ary nanatona an’i Davida ny olona rehetra, raha mbola nazava ny andro, mba hanome azy mofo fampiononana.* Nianiana anefa i Davida hoe: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho* raha ohatra aho ka mihinana mofo na zavatra hafa,+ alohan’ny hilentehan’ny masoandro!” 36  Dia hitan’ny olona rehetra izany ka nankasitrahan’izy ireo, toy ny nankasitrahany ny zava-drehetra nataon’ny mpanjaka. 37  Fantatry ny olona rehetra sy ny Israely rehetra àry tamin’iny andro iny, fa tsy ny mpanjaka no nampamono ho faty+ an’i Abnera zanak’i Nera. 38  Hoy ny mpanjaka avy eo tamin’ny mpanompony: “Tsy fantatrareo ve fa andriana sady lehilahy nahavita zavatra niavaka no lavo teo amin’ny Israely androany?+ 39  Malemy aho androany na dia voahosotra ho mpanjaka+ aza. Fa amiko dia mahery setra loatra+ ireo zanakalahin’i Zeroia+ ireo. I Jehovah anie hamaly ny mpanao ratsy araka ny ratsy nataony!”+

Fanamarihana

Abt: “lohan’alika.”
Abt: “Hataon’Andriamanitra amin’i Abnera anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”
Abt: “homba anao ny tanako.”
Hoditra manarona ny lohana filahiana.
Jereo F.T.
Abt: “noho ny amin’ny ran’i.”
Angamba lehilahy kilemaina ka asaina manao asam-behivavy.
Abt: “zanaky ny tsy fahamarinana.”
Na: “mofo fisaonana.”
Abt: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”