Samoela Faharoa 8:1-18

  • Fandresena azon’i Davida (1-14)

  • Ireo manam-pahefana tao amin’ny fanjakan’i Davida (15-18)

8  Tatỳ aoriana, dia notafihin’i Davida ny Filistinina,+ ka resiny.+ Ary nalainy teo an-tanan’izy ireo i Metega-ama.  Resiny koa ny Moabita.+ Ary nasainy nitsotra tamin’ny tany izy ireo, dia norefesiny tamin’ny tady. Novonoiny ho faty izay tafiditra tao amin’ny roa ampahatelon’ilay tady, fa ny iray ampahatelony kosa navelany ho velona.+ Dia lasa mpanompon’i Davida ny Moabita ka nandoa hetra taminy.*+  Resin’i Davida koa i Hadadezera, zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba,+ tamin’izy io nankany amin’ny Reniranon’i Eofrata+ mba hanamafy indray ny fahefany.  Ireto ny babo azon’i Davida avy taminy: Mpitaingin-tsoavaly 1 700 sy miaramila 20 000 mpandeha an-tongotra. Dia notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaly rehetra mpitarika kalesy,+ fa soavaly 100 sisa no tsy nataony an’izany.  Dia tonga nanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba ny Syrianina avy any Damaskosy,+ kanjo 22 000 tamin’izy ireo no matin’i Davida.+  Nasian’i Davida toby miaramila àry tany Damaskosy, any Syria. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy.* Nataon’i Jehovah nandresy* i Davida, na taiza na taiza nalehany.+  Ary nalain’i Davida ny ampinga volamena boribory teny amin’ireo mpanompon’i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.+  Ary naka varahina be dia be avy tany Beta sy Berotahy, tanànan’i Hadadezera, i Davida Mpanjaka.  Dia henon’i Toy mpanjakan’i Hamata+ fa resin’i Davida ny tafik’i Hadadezera+ manontolo. 10  Koa nirahin’i Toy ho any amin’i Davida Mpanjaka i Jorama zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho izy niady tamin’i Hadadezera dia nandresy azy. Niady matetika tamin’i Toy mantsy i Hadadezera. Ary nitondra zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena ary varahina i Jorama. 11  Dia nohamasinin’i Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah ireny, hoatran’ny efa nataony tamin’ny volafotsy sy ny volamena avy tany amin’ny firenena rehetra resiny,+ 12  dia i Syria sy Moaba,+ ny Amonita, ny Filistinina,+ ny Amalekita,+ ary avy tamin’ny zavatra azo babo tamin’i Hadadezera+ zanak’i Rehoba mpanjakan’i Zoba. 13  Lasa nalaza koa i Davida rehefa tafaverina avy namono Edomita 18 000, teo amin’ny Lohasahan-tsira.+ 14  Nasiany toby miaramila tany Edoma. Nanerana an’i Edoma mihitsy no nasiany toby miaramila, ka lasa mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra.+ Dia nataon’i Jehovah nandresy* i Davida, na taiza na taiza nalehany.+ 15  Nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ary nanao ny rariny sy ny hitsiny+ teo amin’ny vahoakany manontolo.+ 16  I Joaba+ zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika, ary i Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana. 17  I Zadoka+ zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka zanak’i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpitan-tsoratra. 18  I Benaia+ zanak’i Joiada no lehiben’ny Keretita sy ny Peletita.+ Ary lasa tompon’andraiki-panjakana* ny zanakalahin’i Davida.

Fanamarihana

Na: “nanome fanomezana ho azy.”
Na: “nanome fanomezana ho azy.”
Na: “Novonjen’i Jehovah.”
Na: “novonjen’i Jehovah.”
Abt: “lasa mpisorona.”