Tantara Faharoa 10:1-19

  • Nikomy tamin’i Rehoboama ny Israely (1-19)

10  Nankany Sekema+ i Rehoboama, satria tonga tany ny Israely rehetra mba hanao azy ho mpanjaka.+  Raha vao henon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata izany, dia niverina avy tany Ejipta izy—mbola tany Ejipta izy tamin’izay satria nandositra an’i Solomona Mpanjaka.+  Nampiantso azy àry ny olona. Ary nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny Israely rehetra, ka niteny hoe:  “Nampitondra zioga mavesatra+ anay ny rainao. Hanompo anao anefa izahay, raha hamaivaninao ny fanompoana mafy nampanaovin-drainao sy ny zioga mavesatra* nampitondrainy anay.”  Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Miverena atỳ amiko rehefa afaka telo andro.” Dia lasa ny olona.+  Ary nanontanian’i Rehoboama Mpanjaka ireo zokiolona* nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony hoe: “Ahoana no havaly ny vahoaka, araka ny hevitrareo?”  Dia hoy ireo zokiolona* taminy: “Raha tsara fanahy amin’ny vahoaka ianao, ka mampifaly azy sy manome valin-teny mahafa-po azy, dia hanompo anao foana ry zareo.”  Tsy nanaraka ny soso-kevitr’ireo zokiolona* anefa izy, fa nanontany an’ireo tovolahy niara-lehibe taminy sady mpanompony.+  Hoy izy: “Ahoana no havalintsika ny vahoaka, araka ny hevitrareo? Niteny tamiko mantsy ry zareo hoe: ‘Mba hamaivano ny zioga nampitondrain’ny rainao anay.’” 10  Dia hoy ireo tovolahy niara-lehibe taminy: “Niteny taminao ny vahoaka hoe: ‘Nampitondra zioga mavesatra anay ny rainao, fa mba hamaivano kosa izany.’ Dia izao lazaina aminy: ‘Ho lehibe noho ny andilan’ny raiko ny ankikeliko. 11  Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy ny zioganareo. Ny raiko nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.’” 12  Dia nankany amin’i Rehoboama i Jeroboama sy ny olona rehetra, tamin’ny andro fahatelo, araka ny tenin’ny mpanjaka hoe: “Miverena atỳ amiko amin’ny andro fahatelo.”+ 13  Teny henjana anefa no navalin’ny mpanjaka ny vahoaka. Tsy narahin’i Rehoboama Mpanjaka àry ny soso-kevitr’ireo zokiolona.* 14  Nanaraka ny soso-kevitr’ireo tovolahy izy, ka nilaza hoe: “Vao mainka hataoko mavesatra ny zioganareo ary mbola hampiako aza. Nanafay anareo tamin’ny karavasy tsotra ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin’ny karavasy misy zava-maranitra.” 15  Tsy nohenoin’ny mpanjaka àry ny vahoaka, satria ilay tena Andriamanitra no nahatonga an’izany,+ mba ho tanteraka ny teny nasain’i Jehovah nolazain’i Ahia+ Silonita tamin’i Jeroboama zanak’i Nebata. 16  Dia hoy ny Israely rehetra, rehefa tsy nety nihaino azy ireo ny mpanjaka: “Inona moa no mba anjaranay any amin’i Davida? Tsy misy lovanay ange any amin’ny zanak’i Jese e! Samia mankany amin’ny andriamaniny avy, ry Israely ô! Karakarao amin’izay ny taranakao, ry Davida ô!”+ Dia nody tany an-tranony* ny Israely rehetra.+ 17  Na izany aza, dia mbola nanjaka tamin’ny Israelita nipetraka tany amin’ireo tanànan’i Joda+ ihany i Rehoboama. 18  Dia nirahin’i Rehoboama Mpanjaka ho any amin’ny Israely rehetra i Hadorama,+ ilay niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana ho an’ny mpanjaka. Nitora-bato azy anefa ny Israelita, ka maty izy. I Rehoboama Mpanjaka kosa tafakatra tao anaty kalesiny, ka nandositra tany Jerosalema.+ 19  Ary mbola mikomy amin’ny taranak’i Davida ny Israelita hatramin’izao.

Fanamarihana

Na: “mampijaly.”
Na: “anti-panahy.”
Na: “anti-panahy.”
Na: “anti-panahy.”
Na: “anti-panahy.”
Abt: “amin’ny tranolainy.”