Tantara Faharoa 11:1-23

  • Fanjakan’i Rehoboama (1-12)

  • Nifindra tany Joda ny Levita tsy nivadika (13-17)

  • Ny fianakavian’i Rehoboama (18-23)

11  Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia namory ny taranak’i Joda sy Benjamina,+ izany hoe miaramila 180 000 efa zatra ady.* Novoriny izy ireo mba hiady tamin’ny Israely, amin’izay ho azon’i Rehoboama indray ny fanjakana.+  Dia hoy i Jehovah tamin’i Semaia,+ lehilahin’Andriamanitra:  “Lazao amin’i Rehoboama zanak’i Solomona mpanjakan’ny Joda, sy amin’ny Israelita rehetra any amin’ny tanin’i Joda sy Benjamina hoe:  ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Aza miakatra hiady amin’ny rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy, fa izaho no nahatonga an’izao.”’”+ Dia nankatò ny tenin’i Jehovah izy ireo, ka nody fa tsy nanafika an’i Jeroboama.  Nipetraka tao Jerosalema i Rehoboama, ary nanorina tanàna voaro mafy tany Joda.  Dia naoriny* i Betlehema,+ Etama, Tekoa,+  Beti-zora, Soko,+ Adolama,+  Gata,+ Maresa, Zifa,+  Adoraima, Lakisy,+ Azeka,+ 10  Zora, Aialona+ ary Hebrona,+ izay samy tanàna voaro mafy tany amin’ny tanin’i Joda sy Benjamina. 11  Nohamafisiny koa ny fiarovana an’ireo toerana voaro mafy ireo. Nasiany mpitari-tafika àry tao amin’ireo, ary namatsy sakafo sy menaka ary divay ho an’ireo izy. 12  Nasiany ampinga lehibe sy lefona koa tany amin’ny tanàna hafa rehetra, ary nataony mafy tsara ny fiarovana an’ireny. Mbola izy ihany no nanjaka tamin’i Joda sy Benjamina. 13  Dia niala tany amin’ny faritra rehetra nisy azy ny mpisorona sy ny Levita eran’i Israely, ka niandany tamin’i Rehoboama. 14  Niala tany amin’ny kijanany sy ny fananany+ àry ny Levita, ka nankany Joda sy Jerosalema. Nesorin’i Jeroboama sy ny zanany tsy ho mpisoron’i Jehovah+ mantsy izy ireo. 15  Dia nanendry mpisorona ho eny amin’ireo toerana avo i Jeroboama,+ mba hanompo an’ireo demonia miendrika osy*+ sy ireo zanak’omby nataony.+ 16  Nisy olona avy tamin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely kosa nanaraka an’ireo mpisorona sy Levita. Nitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo izy ireo, ka nankany Jerosalema mba hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.+ 17  Nanatanjaka ny fanjakan’ny Joda izy ireo sady nanohana an’i Rehoboama zanak’i Solomona nandritra ny telo taona. Nanao hoatran’izay nataon’i Davida sy Solomona mantsy izy ireo nandritra ireo telo taona ireo. 18  Ary nanambady an’i Mahalota i Rehoboama. I Mahalota dia zanakavavin’i Jerimota zanakalahin’i Davida sy Abihaila zanakavavin’i Eliaba zanak’i Jese.+ 19  Nitera-dahy taminy i Mahalota, dia i Jeosy sy Semaria ary Zahama. 20  Nanambady an’i Maka zafikelin’i Absaloma+ koa i Rehoboama. Tatỳ aoriana, dia niteraka an’i Abia+ sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy i Maka. 21  Tia an’i Maka zafikelin’i Absaloma mihoatra noho ny vadiny sy ny vadikeliny rehetra+ i Rehoboama. Naka vady 18 sy vadikely 60 mantsy izy, ka niteraka zazalahy 28 sy zazavavy 60. 22  I Abia zanak’i Maka àry no notendren’i Rehoboama ho lehiben’ireo rahalahiny sady mpitarika azy, satria tiany hatao mpanjaka izy. 23  Nahira-tsaina anefa i Rehoboama ka nalefany* nanerana ny faritr’i Joda sy Benjamina, tany amin’ny tanàna rehetra voaro mafy,+ ny zanany lahy sasany. Nomeny sakafo be dia be sy vady maro be koa izy ireo.

Fanamarihana

Abt: “voafantina.”
Na: “nohamafisiny.”
Abt: “an’ireo osy.”
Na: “naparitany.”