Tantara Faharoa 12:1-16

  • Nanafika an’i Jerosalema i Sisaka (1-12)

  • Nifarana ny fanjakan’i Rehoboama (13-16)

12  Raha vao mafy orina ny fanjakan’i Rehoboama ka lasa natanjaka izy,+ dia nahafoy ny Lalàn’i Jehovah izy+ sy ny Israely rehetra niaraka taminy.  Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama, dia niakatra i Sisaka+ mpanjakan’i Ejipta mba hanafika an’i Jerosalema, satria nivadika tamin’i Jehovah ny Israely.  Nanana kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisaka. Tsy hita isa ny miaramila niaraka taminy avy any Ejipta, dia ny Libyanina sy ny Sokita ary ny Etiopianina.+  Dia azony ireo tanàna voaro mafy tany Joda, ka tonga hatrany Jerosalema izy.  Nivory tao Jerosalema i Rehoboama sy ny andrianan’ny Joda satria natahotra an’i Sisaka. Dia tonga teo amin’izy ireo i Semaia+ mpaminany, ka niteny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Ianareo efa nahafoy ahy, ka mba afoiko+ eo an-tanan’i Sisaka koa.’”  Dia nanetry tena ny mpanjaka sy ny andrianan’ny Israely,+ ka niteny hoe: “Rariny ny an’i Jehovah.”  Rehefa hitan’i Jehovah fa nanetry tena izy ireo, dia hoy i Jehovah tamin’i Semaia: “Nanetry tena izy ireo ka tsy haringako,+ ary tsy ho ela dia hovonjeko. Dia tsy hanampatra ny hatezerako aminy aho, ka tsy havelako hamely an’i Jerosalema i Sisaka.  Ho lasa mpanompon’i Sisaka anefa izy ireo, mba hahafantaran’izy ireo fa tsy mitovy ny manompo ahy sy ny manompo ny mpanjakan’ny* firenen-kafa.”  Dia niakatra nanafika an’i Jerosalema i Sisaka mpanjakan’i Ejipta. Nalainy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah+ sy tao an-tranon’ny* mpanjaka. Lasany daholo ny zava-drehetra, anisan’izany ny ampinga volamena nataon’i Solomona.+ 10  Nanao ampinga varahina àry i Rehoboama Mpanjaka ho solon’ireny. Nasainy niandraikitra an’ireny ny lehiben’ny mpiambina,* izay niambina ny fidirana mankao an-tranon’ny mpanjaka. 11  Isaky ny nankao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, dia niditra ny mpiambina sady nitondra an’ireo ampinga, dia avy eo namerina an’izany tao amin’ny efitra fiambenana. 12  Nanetry tena mantsy ny mpanjaka sady mba nanao zavatra tsara ihany ny olona tany Joda.+ Tsy tezitra tamin’ny mpanjaka intsony àry i Jehovah,+ ka tsy nandringana azy ireo tanteraka.+ 13  Nanamafy orina ny toerany tao Jerosalema i Rehoboama Mpanjaka, ka mbola nanjaka foana. Lasa mpanjaka i Rehoboama tamin’izy 41 taona, ary 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’i Jehovah teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely mba hametrahany ny anarany. Nama no anaran-dreniny, ary Amonita+ izy io. 14  Nanao ratsy anefa i Rehoboama, satria tsy tena tapa-kevitra tamin’ny fony manontolo ny hitady an’i Jehovah.+ 15  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny lisitry ny tetirazana,* ao amin’ny asa soratr’i Semaia+ mpaminany sy Ido+ mpahita fahitana ve ny tantaran’i Rehoboama, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany? Ary niady foana i Rehoboama sy Jeroboama.+ 16  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Rehoboama, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Abia+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Abt: “fanjakan’ny.”
Na: “an-dapan’ny.”
Abt: “mpihazakazaka.”
Na: “tetiarana.”