Tantara Faharoa 13:1-22

  • Abia, mpanjakan’ny Joda (1-22)

    • Resin’i Abia i Jeroboama (3-20)

13  Lasa mpanjakan’ny Joda i Abia tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jeroboama Mpanjaka.+  Nanjaka telo taona tany Jerosalema izy. Mikaia+ no anaran-dreniny, ary zanakavavin’i Oriela avy any Gibea+ izy io. Ary niady i Abia sy Jeroboama.+  Nandeha niady àry i Abia, niaraka tamin’ny miaramila matanjaka 400 000 efa zatra ady.*+ I Jeroboama kosa nandahatra miaramila matanjaka 800 000 efa zatra ady* mba hiady aminy.  Dia nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Zemaraima any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Abia, ka niteny hoe: “Henoy aho, ry Jeroboama sy Israely rehetra ô!  Tsy fantatrareo angaha fa nomen’i Jehovah Andriamanitry ny Israely an’i Davida ny fanjakana,+ rehefa nanao fifanekena maharitra*+ taminy izy, ka i Davida sy ny taranany+ no hanjaka eo amin’ny Israely mandrakizay?  Nikomy tamin’ny tompony+ anefa i Jeroboama+ zanak’i Nebata sady mpanompon’i Solomona zanak’i Davida.  Dia nisy olona tsisy atao sady tsisy ilana azy tonga teo aminy foana, nitangorona teo. Nahery noho i Rehoboama zanak’i Solomona izy ireo. Mbola tanora sady saro-tahotra mantsy i Rehoboama ka tsy nahatohitra an’ireo.  “Dia izao ianareo te hanohitra ny fanjakan’i Jehovah eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Vahoaka be mantsy ianareo, sady manana an’ireo zanak’omby volamena nataon’i Jeroboama ho andriamanitrareo.+  Ianareo koa angaha moa tsy efa nandroaka ny taranak’i Arona izay mpisoron’i Jehovah,+ sy ny Levita, ka nanendry mpisorona ho anareo, hoatran’ny nataon’ny firenen-kafa?+ Ary izay olona tonga nitondra* vantotr’ombilahy iray sy ondrilahy fito, na iza izy na iza, dia mety ho lasa mpisoron’izay tsy andriamanitra akory. 10  Fa ny anay kosa, i Jehovah no Andriamanitray,+ ary tsy mba nahafoy azy izahay. Ny taranak’i Arona ny anay no mpisorona manao fanompoana ho an’i Jehovah, ka ny Levita no manampy azy ireo amin’izany asa izany. 11  Manolotra fanatitra dorana mba hidona-tsetroka ho an’i Jehovah izy ireo isa-maraina sy isaky ny takariva,+ sady mandoro emboka manitra.+ Alamin’izy ireo eo ambony latabatra vita amin’ny volamena tsy misy fangarony koa ny mofo mifanaingina.*+ Dia ampirehetin’izy ireo isaky ny takariva ny jiro+ eo amin’ny fitoeran-jiro volamena.+ Manao ny andraikitray amin’i Jehovah Andriamanitray mantsy izahay, fa ianareo kosa efa nahafoy azy. 12  Ary manampy anay sady mitarika anay ilay tena Andriamanitra. Eto koa ny mpisorony hitsoka ny trompetra fanairana rehefa hamely anareo izahay. Koa aza miady amin’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ry miaramilan’ny Israely ô, fa tsy handresy ianareo.”+ 13  Naniraka miaramila anefa i Jeroboama mba hiafina ka hanafika avy any aorianan’ny Joda. Dia lasa teo alohan’ny Joda ry Jeroboama, ary avy tany aoriana ireo miaramila niafina. 14  Koa rehefa nitodika ny miaramilan’ny Joda, dia hitany fa tsy maintsy niady tamin’ny fahavalo teo alohany sy tao aorianany izy ireo. Dia nitaraina tamin’i Jehovah+ izy ireo, ary nitsoka mafy ny trompetra ny mpisorona. 15  Dia nanao hiakan’ady ny miaramilan’ny Joda. Ary rehefa nanao an’izany izy ireo, dia nataon’ilay tena Andriamanitra resin’i Abia sy ny Joda i Jeroboama sy ny Israely rehetra. 16  Dia nandositra ny Israelita, ka nataon’Andriamanitra resin’ny Joda. 17  Be dia be tamin’izy ireo no matin’i Abia sy ny miaramilany, ka lehilahy 500 000 efa zatra ady* tamin’ny Israely no maty niampatrampatra. 18  Resy àry ny miaramilan’ny Israely, tamin’izany fotoana izany. Ny fokon’i Joda kosa nahery satria niantehitra* tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny.+ 19  Ary nanenjika an’i Jeroboama i Abia ka naka an’ireo tanàna nofeheziny, dia i Betela+ sy ireo tanàna niankina taminy,* Jesana sy ireo tanàna niankina taminy, ary Efraina+ sy ireo tanàna niankina taminy. 20  Tsy natanjaka hoatran’ny taloha intsony àry i Jeroboama tamin’ny andron’i Abia. Ary nasian’i Jehovah izy tatỳ aoriana dia maty.+ 21  I Abia anefa nihanahery foana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanana vady 14 izy,+ ka niteraka 22 lahy sy 16 vavy. 22  Efa voasoratra ao amin’ny asa soratr’i* Ido mpaminany daholo ny sisa amin’ny tantaran’i Abia, dia ny zavatra nataony sy nolazainy.+

Fanamarihana

Abt: “voafantina.”
Abt: “voafantina.”
Abt: “fifaneken-tsira.”
Abt: “tonga nameno ny tanany tamin’ny.”
Izany hoe ny mofo aseho.
Abt: “voafantina.”
Abt: “niankina.”
Na: “nanodidina azy.”
Na: “famelabelaran’i; fanazavan’i.”