Tantara Faharoa 14:1-15

  • Maty i Abia (1)

  • Asa, mpanjakan’ny Joda (2-8)

  • Nandresy Etiopianina 1 000 000 i Asa (9-15)

14  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Abia, ka nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Nilamina nandritra ny folo taona ilay tany, tamin’ny andron’i Asa.  Nanao izay tsara sy mety teo imason’i Jehovah Andriamaniny i Asa.  Nesoriny ireo alitaran’ny firenen-kafa+ sy ireo toerana avo, dia nopotipotehiny ireo tsangambato masina,+ ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.*+  Nasainy nitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny koa ny Joda, sady nasainy nankatò ny Lalàna sy ny didy.  Nesoriny tao amin’ny tanàna rehetra tany Joda ny toerana avo sy ny fandoroana emboka manitra.+ Tsy nisy nanakorontana mihitsy ny fanjakana, nandritra ny fitondrany.  Ary nanorina tanàna voaro mafy tao Joda+ izy, satria tsy nisy nanakorontana ilay tany. Tsy nisy niady taminy koa nandritra ireo taona ireo, fa nataon’i Jehovah milamina ny taniny.+  Hoy izy tamin’ny Joda: “Andao haorintsika ireto tanàna ireto, ka hasiantsika manda sy tilikambo+ ary vavahady* misy bara hidiny ny manodidina. Fa mbola antsika ny tany, satria efa nitady an’i Jehovah Andriamanitsika isika. Efa nitady azy isika, dia nataony milamina tanteraka ny tanintsika.” Dia vitan’izy ireo soa aman-tsara ny zavatra naoriny.+  Nanana tafika i Asa, ka ny avy tamin’ny Joda dia miaramila 300 000 nitondra ampinga lehibe sy lefona. Ny avy tamin’ny Benjamina indray miaramila matanjaka 280 000 nitondra ampinga kely* sy tsipìka.*+  Ary nanafika azy ireo i Zera Etiopianina sy ny tafiny nisy miaramila 1 000 000 sy kalesy 300.+ Rehefa tonga tany Maresa izy,+ 10  dia nivoaka hiady taminy i Asa. Dia nilahatra hiady teo amin’ny Lohasahan’i Zefata any Maresa izy ireo. 11  Ary niantso an’i Jehovah Andriamaniny+ i Asa ka niteny hoe: “Jehovah ô, tsy mampaninona anao na be dia be na tsy manan-kery ny olona ampianao.+ Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa miantehitra* aminao izahay,+ ary amin’ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io.+ Jehovah ô, ianao no Andriamanitray. Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.”+ 12  Dia nataon’i Jehovah resin’i Asa sy ny Joda ny Etiopianina ka nandositra.+ 13  Nenjehin’i Asa sy ny miaramilany hatrany Gerara+ ny Etiopianina, ka maty niampatrampatra ary tsy nisy niangana intsony tamin’ny farany. Naripak’i Jehovah sy ny miaramilany mantsy izy ireo. Dia nitondra zavatra be dia be nataony babo ny Joda. 14  Notafihin’izy ireo koa ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara, satria efa nataon’i Jehovah natahotra be ny olona. Ary norobain’izy ireo ny tanàna rehetra, fa be zavatra azo norobaina tao amin’ireny. 15  Notafihiny koa ny tranolain’ireo mpiandry biby fiompy, ka ondry sy rameva be dia be no azon’izy ireo babo. Niverina tany Jerosalema izy ireo avy eo.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “vavahady kopa-droa.”
Abt: “sy nanitsaka ny tsipìka.”
Ny mpandefa zana-tsipìka no tena mpitondra azy io.
Abt: “miankina.”