Tantara Faharoa 17:1-19

  • Josafata, mpanjakan’ny Joda (1-6)

  • Nampianarina ny vahoaka (7-9)

  • Ny tafik’i Josafata (10-19)

17  Ary i Josafata zanany+ no nanjaka nandimby an’i Asa, ka nanamafy orina ny toerany teo amin’ny Israely.  Dia nisy andia-miaramila nasainy nijanona tao amin’ny tanàna rehetra voaro mafy tao Joda. Nasiany toby miaramila koa tany amin’ny tanin’i Joda sy ireo tanànan’i Efraima nobaboin’i Asa rainy.+  Ary nanampy an’i Josafata foana i Jehovah. Nanao hoatran’izay nataon’i Davida+ razambeny mantsy izy sady tsy nitady an’ireo Bala.  Fa nitady an’ilay Andriamanitry ny rainy+ izy sady nanaraka* ny didiny, fa tsy nanao ny fanaon’ny Israely.+  Koa nataon’i Jehovah mafy orina ny fanjakany.+ Ary nitondran’ny Joda rehetra fanomezana foana i Josafata, ka nahazo harena sy voninahitra be.+  Lasa be herim-po izy ka nanaraka ny lalan’i Jehovah. Nesoriny mihitsy aza ireo toerana avo+ sy tsato-kazo masina*+ tao Joda.  Tamin’ny taona fahatelo nanjakany, dia nampanantsoiny ireto andrianany ireto mba hampianatra tao amin’ireo tanànan’i Joda: Ben-haila, Obadia, Zakaria, Netanela, ary Mikaia.  Ireto ny Levita niaraka tamin’izy ireo: Semaia, Netania, Zebadia, Asahela, Semiramota, Jonatana, Adonia, Tobia, ary Tob-adonia. Ary niaraka tamin’ireo koa i Elisama sy Jorama izay samy mpisorona.+  Nampianatra tao Joda izy ireo sady nitondra ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah.+ Dia nitety ny tanàna rehetra tao Joda izy ireo, ka nampianatra ny vahoaka. 10  Ary nataon’i Jehovah natahotra be ny fanjakana rehetra nanodidina an’i Joda, ka tsy nisy niady tamin’i Josafata. 11  Dia nanatitra fanomezana ho an’i Josafata ny Filistinina, sady nandoa hetra taminy. Ny Arabo koa nitondra ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700 homena azy. 12  Vao mainka nihanahery i Josafata.+ Dia mbola nanorina toerana voaro mafy+ sy tanàna fitehirizana entana sy vokatra+ tao Joda izy. 13  Nahavita zavatra miavaka be dia be tao amin’ireo tanàna tao Joda izy, sady nanana miaramila matanjaka tao Jerosalema. 14  Nozaraina arakaraka ny fianakaviambeny izy ireo. Tamin’ny Joda dia nisy lehiben’ny arivo, ka i Adna no lehiben’ireo. Ary nisy miaramila matanjaka 300 000 niaraka taminy.+ 15  Ary izy no nifehy an’i Johanana, ilay lehiben’ny miaramila 280 000. 16  I Adna koa no nifehy an’i Amasia zanak’i Zikry, izay nanolo-tena an-tsitrapo hanompo an’i Jehovah. Ary nisy miaramila matanjaka 200 000 niaraka tamin’i Amasia. 17  Ny avy tamin’ny Benjamina+ kosa, dia i Eliada. Miaramila matanjaka izy, ary nisy lehilahy 200 000 nitondra tsipìka sy ampinga niaraka taminy.+ 18  Ary i Eliada no nifehy an’i Jozabada, ary nisy lehilahy 180 000 efa vonona hiady niaraka taminy. 19  Ireo no nanompo ny mpanjaka, ankoatra an’izay efa napetrany tany amin’ireo tanàna voaro mafy nanerana an’i Joda.+

Fanamarihana

Abt: “nandeha tamin’ny.”
Jereo F.T.