Tantara Faharoa 2:1-18

  • Nomanina ny fanorenana ny tempoly (1-18)

2  Nanome baiko i Solomona hoe haorina amin’izay ny trano ho an’ny anaran’i Jehovah+ sy ny trano* ho an’ny fanjakany.+  Dia nifantina lehilahy 70 000 i Solomona hatao mpitondra entana,* 80 000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra,+ ary 3 600 ho mpiandraikitra an’ireo.+  Nampitondra hafatra ho an’i Hirama+ mpanjakan’i Tyro koa i Solomona hoe: “Mba andefaso hazo sedera aho, hoatran’ilay nataonao tamin’i Davida raiko tamin’izy hanorina trano* hipetrahana.+  Hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro mantsy aho. Amin’izay aho mba ho afaka hanamasina an’ilay izy ho Azy, handoro emboka manitra+ eo anatrehany, hametraka ny mofo mifanaingina* izay tokony ho eo amin’ny toerany foana,+ ary hanatitra fanatitra dorana amin’ny maraina sy hariva,+ rehefa Sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitray. Zavatra tsy maintsy ataon’ny Israely foana izany.  Lehibe ilay trano haoriko, satria tena miavaka noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.  Fa iza anefa moa no hahavita hanorina trano ho azy? Ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy,+ koa inona moa izay izaho no hanorina trano ho azy? Trano handoroana fanatitra mba hidona-tsetroka eo anatrehany ihany no mba azoko atao ho azy.  Andefaso mpanao asa tanana mahay àry aho, dia olona havanana amin’ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina,+ vy, volonondry volomparasy, kofehy mena antitra, kofehy manga, nefa koa havanana amin’ny asa sokitra. Hiasa any Joda sy eto Jerosalema izy, miaraka amin’ny mpanao asa tanana mahay efa eto amiko, izay notendren’i Davida raiko.+  Ary andefaso hazo sedera sy zenevrie+ sy algoma+ avy any Libàna koa aho. Fantatro tsara hoe efa zatra mikapa ny hazon’i Libàna ny mpanomponao.+ Dia hiara-miasa amin’ny mpanomponao ny mpanompoko,+  ka hanomana hazo be dia be ho ahy ry zareo. Lehibe sy faran’izay tsara mantsy ilay trano haoriko. 10  Ireto avy ny sakafo homeko ho an’ny mpanomponao,+ dia ny mpikapa hazo: Varimbazaha 20 000 kora,* vary orza 20 000 kora, divay 20 000 bata,* ary menaka 20 000 bata.” 11  Dia nandefa taratasy ho an’i Solomona i Hirama mpanjakan’i Tyro hoe: “Tian’i Jehovah ny vahoakany, dia izany no nahatonga azy hanendry anao ho mpanjakan’izy ireo.” 12  Hoy koa i Hirama: “Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, ilay nanao ny lanitra sy ny tany, satria izy nanome an’i Davida Mpanjaka zanaka hendry+ sy malina ary mahira-tsaina,+ izay hanorina trano ho an’i Jehovah sy trano ho an’ny fanjakany! 13  Alefako any aminao i Hiram-aby,+ mpanao asa tanana mahay sady mahira-tsaina. 14  Vehivavy danita ny reniny, fa ny rainy kosa avy eto Tyro. Manana traikefa izy amin’ny asa momba ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vato, hazo, volonondry volomparasy, kofehy manga, lamba tena tsara, ary kofehy mena antitra.+ Mahavita manao sokitra isan-karazany koa izy, sady mahatafavoaka tsara an’izay sary ampanaovina azy.+ Hiara-miasa izy sy ny mpanao asa tanana mahay any aminao ary ny mpanao asa tanana mahay notendren’ny rainao, dia i Davida tompoko. 15  Koa alefaso, tompoko, ny varimbazaha, ny vary orza, ny menaka, ary ny divay efa nampanantenainao ny mpanomponao.+ 16  Izahay kosa hikapa hazo be dia be avy any Libàna,+ araka izay ilainao. Hataonay zahatra izany, dia halefanay eny an-dranomasina mandra-pahatonga any aminao any Jopa.+ Dia ianao no hampiakatra azy any Jerosalema.”+ 17  Ary nisain’i Solomona ny lehilahy vahiny rehetra tao amin’ny tanin’ny Israely,+ taorian’ilay fanisam-bahoaka nataon’i Davida rainy.+ Nisy 153 600 izy ireo. 18  Dia nataony mpitondra entana* ny 70 000 tamin’izy ireo, mpipai-bato+ eny an-tendrombohitra ny 80 000, ary mpiandraikitra an’ireo olona niasa ny 3 600.+

Fanamarihana

Na: “lapa.”
Na: “mpiasa.”
Na: “lapa.”
Izany hoe ny mofo aseho.
1 kora = 220 litatra. Jereo F.F. B14.
1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “mpiasa.”