Tantara Faharoa 22:1-12

  • Ahazia, mpanjakan’ny Joda (1-9)

  • Nalain’i Atalia an-keriny ny fitondrana (10-12)

22  Ary nataon’ny mponin’i Jerosalema mpanjaka nandimby an’i Jorama i Ahazia zanany faralahy. Ny zokiny rehetra mantsy efa tapitra novonoin’ireo mpandroba tonga niaraka tamin’ny Arabo tao an-toby.+ Dia lasa mpanjakan’ny Joda i Ahazia zanak’i Jorama.+  Lasa mpanjaka i Ahazia tamin’izy 22 taona, ary nanjaka herintaona tany Jerosalema izy. Atalia+ no anaran-dreniny, ary zafikelin’i* Omry+ izy io.  Nanao hoatran’izay nataon’ny ankohonan’i Ahaba+ koa izy, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, hoatran’izay nataon’ny ankohonan’i Ahaba. Izy ireo mantsy no mpanolo-tsaina azy taorian’ny nahafatesan’ny rainy, ka nitondra loza ho azy.  Izay torohevitr’izy ireo no narahiny, ka niaraka tamin’i Jorama zanak’i Ahaba mpanjakan’ny Israely izy mba hiady tamin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria, tany Ramota-gileada.+ Voan’ny mpandefa zana-tsipìka i Jorama tamin’izay ka naratra.  Dia niverina tany Jezirela+ izy mba hotsaboina noho ny ratra nahazo azy tamin’izy nasian’ny Syrianina tany Rama, rehefa niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria.+ Ary nidina tany Jezirela i Ahazia* zanak’i Jorama+ mpanjakan’ny Joda mba hamangy an’i Jorama+ zanak’i Ahaba, noho izy naratra.*+  Nahatonga loza tamin’i Ahazia anefa Andriamanitra, tamin’izy nankany amin’i Jorama. Rehefa tonga tany izy, dia niara-nivoaka tamin’i Jorama mba hitsena an’i Jeho+ zafikelin’i* Nimsy, izay notendren’i* Jehovah mba handringana ny ankohonan’i Ahaba.+  Tamin’i Jeho nanomboka nampihatra didim-pitsarana tamin’ny ankohonan’i Ahaba, dia hitany ny andrianan’ny Joda sy ny zana-drahalahin’i Ahazia izay samy mpanompon’i Ahazia, ka novonoiny.+  Dia notadiavin’i Jeho i Ahazia avy eo, ka tratran’ny mpanompony niafina tany Samaria. Ary nentin’izy ireo tany amin’i Jeho izy ka novonoiny ho faty. Dia naleviny izy,+ satria hoy izy ireo: “Zafikelin’i Josafata, ilay nitady an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo, izy.”+ Ary tsy nisy nahavita nitondra ny fanjakana ny tao amin’ny ankohonan’i Ahazia. 10  Rehefa hitan’i Atalia+ renin’i Ahazia fa maty ilay zanany, dia naripany daholo ny tarana-mpanjaka avy amin’ny Joda.+ 11  Nalain’i Josebata, zanakavavin’ny mpanjaka, anefa i Joasy+ zanak’i Ahazia. Naka azy an-tsokosoko teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina izy. Dia nataony tao amin’ny efitra anatiny fatoriana i Joasy sy ilay mpitaiza azy. Vitan’i Josebata zanakavavin’i Jorama Mpanjaka+ ny nanafina an’i Joasy mba tsy ho hitan’i Atalia, ka tsy matiny izy.+ Vadin’i Joiada+ mpisorona io Josebata io, sady anabavin’i Ahazia. 12  Niafina niaraka taminy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra nandritra ny enin-taona i Joasy, tamin’i Atalia nanjaka teo amin’ilay tany.

Fanamarihana

Abt: “zanakavavin’i.”
“Azaria” any amin’ny sora-tanana hebreo sasany.
Na: “narary.”
Abt: “zanakalahin’i.”
Na: “nohosoran’i.”