Tantara Faharoa 29:1-36

  • Hezekia, mpanjakan’ny Joda (1, 2)

  • Ny fanovana nataon’i Hezekia (3-11)

  • Nodiovina ny tempoly (12-19)

  • Naverina ny fanompoana tao amin’ny tempoly (20-36)

29  Ary 25 taona i Hezekia+ tamin’izy lasa mpanjaka, ary nanjaka 29 taona tany Jerosalema izy. Abia no anaran-dreniny, ary zanak’i Zakaria izy io.+  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Hezekia,+ toy ny nataon’i Davida razambeny.+  Nosokafany ireo varavaran’ny tranon’i Jehovah dia namboariny ny simba tamin’ireo,+ tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona voalohany nanjakany.  Dia novoriny teo amin’ny tany malalaka teo atsinanana ny mpisorona sy ny Levita.  Ary hoy izy: “Henoy aho, ry Levita! Hamasino ny tenanareo+ ary hamasino koa ny tranon’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo. Dia esory ao amin’ny toerana masina ny zavatra tsy madio.+  Fa efa nivadika tamin’Andriamanitsika ireo raintsika, sady nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah Andriamanitsika.+ Nahafoy azy ry zareo, sady nihodina tsy hijery ny tranolain’i Jehovah intsony ka niala taminy.+  Nohidiany koa ny varavaran’ny tilikambo fidirana,+ ary novonoiny ny jiro.+ Tsy nandoro emboka manitra+ intsony izy ireo, sady tsy nanolotra sorona dorana+ ho an’ilay Andriamanitry ny Israely tao amin’ny toerana masina intsony.  Koa tezitra tamin’i Joda sy Jerosalema i Jehovah,+ ka nataony nihorohoro sy gaga ary nisioka* izay olona nahita ny nanjo azy ireo, araka izao hitan’ny masonareo izao.+  Dia matin’ny sabatra ny razambentsika,+ ary lasa babo ny vady aman-janatsika.+ 10  Irin’ny foko anefa izao ny hanao fifanekena amin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ mba tsy ho tezitra be amintsika intsony izy. 11  Tsy izao àry, ry rahalahiko, no fotoana tokony hanaovanareo tsirambina ny asanareo.* Fa efa nofidin’i Jehovah hijoro eo anatrehany ianareo, mba hanompo azy+ sy handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.”+ 12  Dia nanomboka niasa ireto Levita ireto: I Mahata zanak’i Amasay sy Joela zanak’i Azaria, avy tamin’ny Kehatita;+ Kisy zanak’i Abdia sy Azaria zanak’i Jehalalila, avy tamin’ny Merarita;+ Joa zanak’i Zima sy Edena zanak’i Joa, avy tamin’ny Gersonita;+ 13  Simry sy Jeoela avy tamin’ny taranak’i Elizafana; Zakaria sy Matania avy tamin’ny taranak’i Asafa;+ 14  Jehiela sy Simey avy tamin’ny taranak’i Hemana;+ ary Semaia sy Oziela avy tamin’ny taranak’i Jedotona.+ 15  Dia novoriny ny rahalahiny, ka nanamasina ny tenany izy ireo ary tonga hanadio ny tranon’i Jehovah,+ araka ny didin’ny mpanjaka sy ny tenin’i Jehovah. 16  Avy eo dia nankao an-tranon’i Jehovah ny mpisorona mba hanadio. Dia navoakan’izy ireo ny zavatra maloto rehetra hitany tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ka nentiny teny an-tokotanin’ny+ tranon’i Jehovah. Nalain’ny Levita ireny avy eo dia nentiny tany ivelany, tany amin’ny Lohasahan’i Kidrona.+ 17  Nanomboka nanamasina ny tempoly izy ireo, tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany. Ary tonga teo amin’ny tilikambo fidirana amin’ny tranon’i Jehovah+ izy ireo, tamin’ny andro fahavalon’ny volana. Nohamasinin’izy ireo nandritra ny valo andro ny tranon’i Jehovah. Dia vitany izany tamin’ny andro faha-16 amin’ny volana voalohany. 18  Dia nankao amin’i Hezekia Mpanjaka izy ireo, ka niteny hoe: “Efa voadionay ny tranon’i Jehovah manontolo, sy ny alitaran’ny fanatitra dorana+ sy ny fitaovany rehetra,+ ary ny latabatry ny mofo mifanaingina*+ sy ny fitaovany rehetra. 19  Efa nomaninay sy nohamasininay+ koa ny fitaovana rehetra tsy nampiasain’i Ahaza Mpanjaka intsony tamin’izy nanjaka, tamin’izy nivadika tamin’Andriamanitra.+ Eo anoloan’ny alitaran’i Jehovah ireny izao.” 20  Ary nifoha maraina i Hezekia Mpanjaka, ka novoriny ny andrianan’ny tanàna. Dia niakatra nankany an-tranon’i Jehovah izy ireo. 21  Nitondra ombilahy fito, ondrilahy fito, ondrilahy kely fito, ary osilahy fito izy ireo mba hatao fanatitra noho ny ota. Ho an’ny fanjakana sy ny toerana masina ary ny Joda+ no nanaovana an’izany. Dia nasain’i Hezekia natolotry ny mpisorona taranak’i Arona teo amin’ny alitaran’i Jehovah ireny. 22  Novonoin’izy ireo ny omby+ avy eo, dia nalain’ny mpisorona ny ra ka nafafiny teo amin’ny alitara.+ Novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny teo amin’ny alitara ny ra. Novonoiny koa ny ondrilahy kely dia nafafiny teo amin’ny alitara ny ra. 23  Avy eo dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny fiangonana ireo osilahy hatao fanatitra noho ny ota, dia nametraka ny tanany teo amin’ireny izy ireo. 24  Ary novonoin’ny mpisorona ireo osilahy ka nataony fanatitra noho ny ota, dia nataony teo amin’ny alitara ny rany, mba handrakofana ny fahotan’ny Israely rehetra. Nilaza mantsy ny mpanjaka hoe tokony ho an’ny Israely rehetra no hanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota. 25  Nasain’i Hezekia nankao an-tranon’i Jehovah koa ny Levita tamin’izay. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa+ izy ireo, araka ny didin’i Davida+ sy Gada+ mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka ary Natana+ mpaminany. I Jehovah mantsy no nanome an’izany didy izany tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. 26  Dia nijoro ireo Levita nitondra ny zavamaneno namboarin’i Davida, sy ireo mpisorona nitondra ny trompetra.+ 27  Dia nasain’i Hezekia natolotra teo amin’ny alitara ny fanatitra dorana.+ Raha vao natolotra ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny hira ho an’i Jehovah. Notsofina koa ny trompetra, ka natao nifanaraka tamin’ny feon’ireo zavamaneno namboarin’i Davida mpanjakan’ny Israely. 28  Dia niankohoka ny fiangonana manontolo, raha mbola nohiraina ilay hira sady notsofina ny trompetra. Tsy nijanona izany rehetra izany mandra-pahavitan’ny fanatitra dorana. 29  Raha vao avy nanao fanatitra izy ireo, dia niondrika sy niankohoka ny mpanjaka sy ny olona rehetra niaraka taminy. 30  Avy eo dia ny tononkira nataon’i Davida+ sy Asafa+ mpahita fahitana indray no nasain’i Hezekia Mpanjaka sy ny andriana nideran’ny Levita an’i Jehovah. Faly be izy ireo sady nanao fiderana, ary nandohalika sy niankohoka. 31  Hoy i Hezekia avy eo: “Natokana* ho an’i Jehovah ianareo izao, ka andao hitondra sorona sy fanatitra fisaorana ao an-tranon’i Jehovah.” Dia nitondra sorona sy fanatitra fisaorana ny fiangonana, ary nitondra fanatitra dorana koa izay rehetra natosiky ny fony.+ 32  Omby 70 sy ondrilahy 100 ary ondrilahy kely 200 ny fanatitra dorana nentin’ny fiangonana,—natao fanatitra dorana ho an’i Jehovah daholo ireo+ 33  ary omby 600 sy ondry 3 000 ny fanatitra masina. 34  Tsy ampy anefa ny mpisorona nanendaka ny hoditry ny fanatitra dorana rehetra, ka nampian’ny Levita rahalahiny izy ireo.+ Tsy nijanona ny Levita raha tsy efa vita ilay asa ary raha tsy efa nanamasina ny tenany ny mpisorona.+ Fa nazoto* kokoa nanamasina ny tenany ny Levita raha noharina tamin’ny mpisorona. 35  Be dia be koa ny fanatitra dorana+ sy ny tavin’ny fanatitra iombonana+ ary ny fanatitra zava-pisotro nampiarahina tamin’ny fanatitra dorana.+ Hoatr’izany àry no namerenana tamin’ny laoniny* ny fanompoana tao an-tranon’i Jehovah. 36  Koa nifaly i Hezekia sy ny vahoaka manontolo noho izay nataon’ilay tena Andriamanitra ho azy ireo,+ sady tampoka ihany no nitrangan’izany rehetra izany.

Fanamarihana

Na: “naneso.”
Na: “tokony hakanareo aina.”
Izany hoe ny mofo aseho.
Abt: “Efa nameno ny tananareo.”
Abt: “nanana fo mahitsy.”
Na: “nanomanana.”