Tantara Faharoa 3:1-17

  • Nanomboka nanorina ny tempoly i Solomona (1-7)

  • Ny Masina Indrindra (8-14)

  • Andry varahina roa (15-17)

3  Dia nanomboka nanorina trano ho an’i Jehovah+ tany Jerosalema i Solomona, teo amin’ny Tendrombohitra Moria.+ Teo i Jehovah no niseho tamin’i Davida rainy,+ dia teo amin’ny famoloan’i Ornana+ Jebosita, izany hoe ilay toerana efa nomanin’i Davida.  Nanomboka nanorina izy tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, tamin’ny taona fahefatra nanjakany.  Izao no refin’ny fototra nanorenan’i Solomona an’ilay tranon’ilay tena Andriamanitra: 60 hakiho ny lavany ary 20 hakiho ny sakany,+ araka ny hakiho fandrefesana taloha.*  Nisy tilikambo fidirana teo anoloan’ilay tempoly. Nirefy 20 hakiho mitovy amin’ny sakan’ilay trano ny lavany,* ary 120* ny haavony. Ary nopetahan’i Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony ny tao anatiny.+  Nopetahany takela-kazo zenevrie ny efitra lehibe, dia avy eo norakofany volamena tena tsara,+ ary noravahany sarina hazo palmie+ sy rojo.+  Noravahany vatosoa tsara tarehy koa ilay trano.+ Volamena+ avy any Parvaima no nampiasainy.  Dia norakofany volamena ny trano,+ ny hazo mitondra ny tafo, ny tokonana, ny rindrina, ary ny varavarana. Ary nasiany sarina kerobima voasokitra teny amin’ny rindrina.+  Dia nanamboatra an’ilay efitra* atao hoe Masina Indrindra izy.+ Nirefy 20 hakiho mitovy amin’ny sakan’ilay trano ny lavany, ary 20 hakiho koa ny sakany. Norakofany volamena tena tsara nilanja 600 talenta* ilay izy.+  Nilanja 50 sekely* ny volamena nanaovana an’ireo fantsika. Norakofany volamena koa ireo efitra tany an-tampon-trano. 10  Dia nasiany sarivongana kerobima roa tao amin’ilay efitra* Masina Indrindra, ka nopetahany takela-bolamena ireo.+ 11  Ary 20 hakiho ny halavan’ny elatr’ireo kerobima+ raha atambatra. Dimy hakiho ny halavan’ny iray amin’ny elatr’ilay kerobima voalohany, ary nipaika tamin’ny rindrin’ilay efitra ilay izy. Dimy hakiho koa ny halavan’ny elany ilany, ary nipaika tamin’ny iray amin’ny elatr’ilay kerobima faharoa ilay izy. 12  Dimy hakiho ny halavan’ny iray amin’ny elatr’ilay kerobima iray, ary nipaika tamin’ny rindrin’ilay efitra ilay izy. Dimy hakiho koa ny halavan’ny elany ilany, ary nipaika tamin’ny iray amin’ny elatr’ilay kerobima voalohany ilay izy. 13  Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo, ary nirefy 20 hakiho. Nijoro tamin’ny tongony izy ireo, sady nanatrika an’ilay efitra lehibe.* 14  Nataony koa ny ridao,+ ka kofehy manga sy volonondry volomparasy sy kofehy mena antitra ary lamba tena tsara no nanaovany azy. Dia nasiany sarina kerobima ilay izy.+ 15  Nanao andry roa+ teo anoloan’ilay trano izy avy eo, ka 35 hakiho ny halavany, ary dimy hakiho ny loha andry tsirairay.+ 16  Nanao rojo koa izy, dia napetany teny amin’ny tampon’ireo andry izany. Ary nanao ampongabendanitra 100 izy, ka nataony teny amin’ireo rojo. 17  Natsangany teo anoloan’ilay tempoly ireo andry, ka ny iray teo ankavanana* ary ny iray teo ankavia.* Dia nataony hoe Jakina* ny anaran’ilay teo ankavanana, ary Boaza* ilay teo ankavia.

Fanamarihana

Nirefy 44,5 sm ny hakiho mahazatra. Misy anefa milaza fa ilay hakiho lava nirefy 51,8 sm ilay hoe “fandrefesana taloha.” Jereo F.F. B14.
Tsy fantatra hoe inona ny refy nampiasaina teo.
Na: “Nirefy 20 hakiho ny lavany, ary nifampitohy tamin’ny lavan’ilay trano ilay izy.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Abt: “trano.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.
Abt: “trano.”
Izany hoe ny Masina.
Na: “atsimo.”
Na: “avaratra.”
Midika hoe “Izy [izany hoe Jehovah] Anie Hanamafy Orina.”
Mety hidika hoe “Amin-kery.”