Tantara Faharoa 34:1-33

  • Josia, mpanjakan’ny Joda (1, 2)

  • Ny fanovana nataon’i Josia (3-13)

  • Hita ny boky misy ny Lalàna (14-21)

  • Naminany loza i Holda (22-28)

  • Novakin’i Josia tamin’ny vahoaka ilay boky (29-33)

34  Lasa mpanjaka i Josia+ tamin’izy valo taona, ary nanjaka 31 taona tao Jerosalema izy.+  Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah izy, sady nanao hoatran’izay rehetra nataon’i Davida razambeny. Tsy niala tamin’izany izy, na nivily niankavanana na niankavia.  Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny izy,+ tamin’ny taona faha-8 nanjakany. Mbola ankizilahy izy tamin’izay. Dia nanomboka nanadio an’i Joda sy Jerosalema+ izy tamin’ny taona faha-12, ka nesoriny ny toerana avo,+ ny tsato-kazo masina,* ny sary sokitra,+ ary ny sarivongana metaly.*  Noravana teo imasony koa ny alitaran’ireo Bala. Dia narodany ny fandoroana emboka manitra teny ambonin’ireny. Nopotipotehiny ho lasa vovoka koa ny tsato-kazo masina* sy ny sary sokitra ary ireo sarivongana metaly,* ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo nanao sorona ho an’ireny.+  Ny taolan’ny mpisorona koa nodorany teo ambonin’ny alitaran’ireny+ mpisorona ireny ihany. Izany no nataon’i Josia tamin’izy nanadio an’i Joda sy Jerosalema.  Ary tany amin’ireo tanànan’i Manase sy Efraima+ ary Simeona ka hatrany amin’ireo tanànan’i Naftaly, sy tany amin’ny toerana rava rehetra nanodidina azy,  dia noravany ny alitara, ary notorotoroiny ho lasa vovoka ny tsato-kazo masina* sy ny sary sokitra.+ Dia narodany daholo ny fandoroana emboka manitra nanerana ny tanin’ny Israely.+ Niverina tany Jerosalema izy avy eo.  Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josia, dia nirahiny hanamboatra an’izay simba tamin’ny tranon’i Jehovah Andriamaniny+ i Safana+ zanak’i Azalia, sy Mahaseia lehiben’ny tanàna, ary Joa mpanoratra ny raharaham-panjakana, ilay zanak’i Joahaza. Efa avy nanadio an’ilay tany sy ny tempoly* i Josia tamin’izay.  Dia nankany amin’i Hilkia mpisoronabe izy ireo, ka nomeny azy ny vola nentina tao an-tranon’Andriamanitra. Io ilay vola voangon’ny Levita mpiandry varavarana avy tamin’ny fokon’i Manase sy Efraima, sy avy tamin’ny sisa rehetra tamin’ny Israely,+ sy avy tamin’ny Joda sy ny Benjamina ary ny mponin’i Jerosalema. 10  Dia nomeny an’ireo voatendry hiandraikitra an’ilay asa tao an-tranon’i Jehovah ilay vola. Ireo mpiasa tao an-tranon’i Jehovah indray nampiasa an’ilay izy mba hanatsarana an’ilay trano sy hanamboarana ny simba. 11  Nomeny ny mpanao asa tanana sy mpanao trano ilay vola, mba hividianana vato voapaika, sy hazo hatao tohana, ary hazo lehibe hanorenana an’ireo trano navelan’ny mpanjakan’ny Joda hirodana.+ 12  Dia nataon’ireo lehilahy ireo an-tsakany sy an-davany ilay asa.+ Ary voatendry ho mpiandraikitra azy ireo i Jahata sy Obadia, izay samy Levita avy tamin’ny Merarita,+ ary Zakaria sy Mesolama avy tamin’ny Kehatita.+ Ary izay Levita rehetra tena nahay nitendry zavamaneno+ 13  no niandraikitra ny mpiasa* sady nanara-maso an’izay rehetra nanao fanompoana isan-karazany. Mpitan-tsoratra sy mpifehy ary mpiandry vavahady+ koa ny Levita sasany. 14  Ary tamin’izy ireo namoaka an’ilay vola nentina tao an-tranon’i Jehovah,+ dia hitan’i Hilkia mpisorona ny boky misy ny Lalàn’i Jehovah+ izay nomena tamin’ny alalan’i* Mosesy.+ 15  Dia hoy i Hilkia tamin’i Safana mpitan-tsoratra: “Hitako tao an-tranon’i Jehovah ny boky misy ny Lalàna.” Ary nomeny an’i Safana ilay boky. 16  I Safana indray nitondra an’ilay boky tany amin’ny mpanjaka, sady niteny hoe: “Manao an’izay rehetra nampanaovina azy ny mpanomponao. 17  Efa nangonin’izy ireo* ny vola azo tao an-tranon’i Jehovah, ka nomeny an’ireo lehilahy voatendry ho mpiandraikitra sy izay hanao an’ilay asa.” 18  Hoy koa i Safana mpitan-tsoratra tamin’ny mpanjaka: “Misy boky nomen’i Hilkia mpisorona ahy ity!”+ Dia novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka ilay izy.+ 19  Vao naheno an’izay voalazan’ny Lalàna ny mpanjaka, dia norovitiny ny akanjony.+ 20  Dia nomen’ny mpanjaka an’izao baiko izao i Hilkia, sy Ahikama+ zanak’i Safana, sy Abdona zanak’i Mikaia, sy Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia mpanompon’ny mpanjaka: 21  “Mandehana misolo tena ahy sy ny sisa amin’ny Israely sy Joda, ka anontanio i Jehovah momba an’izay voalaza ao amin’io boky vao hita io. Fa ho tezitra be amintsika i Jehovah, satria tsy nankatò ny tenin’i Jehovah ny razambentsika, ka tsy nanaraka an’izay rehetra voasoratra ao amin’io boky io.”+ 22  Nankany amin’i Holda mpaminanivavy+ àry i Hilkia sy ny olona nirahin’ny mpanjaka. Vadin’i Saloma zanak’i Tikva zanak’i Harasa i Holda, ary mpikarakara ny fitoeran’akanjo i Saloma. Nipetraka tao amin’ny tanàna vaovao tao Jerosalema i Holda, ka tao izy ireo no niresaka taminy.+ 23  Dia hoy i Holda: “Izao no tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Lazao amin’ilay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 24  “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Hahatonga loza amin’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho,+ ka ho tanteraka ny ozona rehetra ao amin’ilay boky+ novakiny teo anatrehan’ny mpanjakan’ny Joda. 25  Fa niala tamiko+ izy ireo ka nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka ho an’andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy+ amin’izay rehetra nataony. Hanampatra ny hatezerako eto amin’ity toerana ity àry aho, ka ho toy ny afo tsy mety vonoina ny hatezerako.’”+ 26  Izao kosa lazaina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an’i Jehovah: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba an’izay henonao:+ 27  Mora nandray anatra* ny fonao ka nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra ianao, rehefa nandre ny teniny momba an’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy. Dia nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandrovitra ny akanjonao ary nitomany teo anatrehako. Noho izany, dia nihaino anao koa aho,+ hoy i Jehovah. 28  Koa hangoniko any amin’ny razambenao* ianao, ary halevina any amin’ny fasanao amin’ny fotoana mampilamina ny tany, ka tsy ho hitan’ny masonao ny loza rehetra hamelezako an’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy.’”’”+ Dia nolazain’izy ireo tamin’ny mpanjaka izany valin-teny izany. 29  Naniraka olona àry ny mpanjaka mba hiantso ny anti-panahy rehetra tao Joda sy Jerosalema.+ 30  Niakatra nankao an-tranon’i Jehovah avy eo ny mpanjaka niaraka tamin’ny fokon’i Joda, ny mponina tao Jerosalema, ny mpisorona, ary ny Levita, izany hoe ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe. Dia novakin’ny mpanjaka tamin’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ilay bokin’ny fifanekena hita tao an-tranon’i Jehovah.+ 31  Nijoro teo amin’ny toerany ny mpanjaka, ary nanao* fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah hoe hankatò an’i Jehovah sady hanaraka ny didiny sy ny fampahatsiahivany ary ny fitsipiny amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo,+ ka hanatanteraka an’izay voalazan’ilay fifanekena voasoratra tao amin’ilay boky.+ 32  Nasainy nanaiky an’izay voalazan’ilay fifanekena koa ny olona rehetra tany Jerosalema sy tany amin’ny tanin’i Benjamina. Ary ny mponin’i Jerosalema dia nanaraka an’izay voalazan’ilay fifanekena nataon’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razambeny.+ 33  Nesorin’i Josia daholo avy eo ny zava-maharikoriko* tany amin’ny tanin’ny Israelita rehetra,+ ary nasainy nanompo an’i Jehovah Andriamaniny ny olona rehetra tany Israely. Tsy niala tamin’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny izy ireo, nandritra ny androm-piainan’i Josia.*

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Jereo F.T.
Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
Jereo F.T.
Abt: “trano.”
Na: “mpitondra entana.”
Abt: “tamin’ny tanan’i.”
Abt: “nararak’izy ireo.”
Abt: “Nalefaka.”
Oha-teny ilazana ny hoe ho faty.
Na: “nanavao an’ilay.”
Na: “sampy.”
Abt: “androny rehetra.”