Tantara Faharoa 36:1-23

  • Joahaza, mpanjakan’ny Joda (1-3)

  • Joiakima, mpanjakan’ny Joda (4-8)

  • Joiakina, mpanjakan’ny Joda (9, 10)

  • Zedekia, mpanjakan’ny Joda (11-14)

  • Rava i Jerosalema (15-21)

  • Didin’i Kyrosy hoe haorina indray ny tempoly (22, 23)

36  Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza zanak’i Josia,+ ka nataony mpanjaka handimby an-drainy, tany Jerosalema.+  Lasa mpanjaka i Joahaza tamin’izy 23 taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy.  Nesorin’ny mpanjakan’i Ejipta tamin’ny toerany tao Jerosalema anefa izy, ary nampandoaviny sazy ilay tany, dia volafotsy 100 talenta* sy volamena iray talenta.+  Ankoatra izany, dia nataon’i Neko+ mpanjakan’i Ejipta ho mpanjakan’i Joda sy Jerosalema i Eliakima rahalahin’i Joahaza, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Nalainy kosa i Joahaza rahalahiny, ka nentiny tany Ejipta.+  Lasa mpanjaka i Joiakima+ tamin’izy 25 taona, ary nanjaka 11 taona tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny foana izy.+  Dia niakatra hanafika azy i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona, mba hamatotra azy ka hanisy gadra varahina roa amin’ny tongony, ary hitondra azy any Babylona.+  Ary nentin’i Nebokadnezara tany Babylona ny fitaovana sasany tao an-tranon’i Jehovah, ka nataony tao an-dapany tany Babylona.+  Efa voasoratra ao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely sy Joda ny sisa amin’ny tantaran’i Joiakima sy ny zava-maharikoriko nataony ary ny laza ratsiny. Ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.+  Lasa mpanjaka i Joiakina+ tamin’izy 18 taona, ary nanjaka telo volana sy folo andro tany Jerosalema izy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy.+ 10  Rehefa niandoha ny taona,* dia nasain’i Nebokadnezara Mpanjaka nentina tany Babylona i Joiakina,+ niaraka tamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah.+ Ary i Zedekia rahalahin-drain’i Joiakina no nataony mpanjakan’i Joda sy Jerosalema.+ 11  Lasa mpanjaka i Zedekia+ tamin’izy 21 taona, ary nanjaka 11 taona tany Jerosalema izy.+ 12  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny foana izy, ary tsy mba nanetry tena rehefa notenenin’i Jeremia+ mpaminany araka ny baikon’i Jehovah. 13  Nikomy tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka koa izy,+ nefa izy aza efa nasain’i Nebokadnezara nianiana tamin’ny anaran’Andriamanitra hoe hanaiky azy. Dia mbola mafy loha* sy mafy fo ihany izy, ka tsy nety niverina tamin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 14  Ary nivadika tanteraka tamin’Andriamanitra ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny vahoaka, sady nanao ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny firenena hafa. Nolotoin’izy ireo koa ny tranon’i Jehovah,+ izay efa nohamasininy tao Jerosalema. 15  Naniraka olona hampitandrina azy ireo foana i Jehovah Andriamanitry ny razambeny. Nampitandrina azy ireo foana tokoa izy, satria izy nangoraka ny vahoakany sady tsy tiany ho rava ny fonenany. 16  Nesoin’izy ireo foana anefa ny irak’ilay tena Andriamanitra,+ ary tsy noraharahiany ny tenin’Andriamanitra,+ sady nihomehezany ny mpaminaniny.+ Tezitra be tamin’ny vahoakany àry i Jehovah tamin’ny farany,+ ary efa tsy azo nampiana intsony koa izy ireo. 17  Koa nentin’Andriamanitra hanafika azy ireo ny mpanjakan’ny Kaldeanina.+ Dia novonoiny tamin’ny sabatra+ tao amin’ny toerana masina ny tovolahin’izy ireo.+ Tsy nisy nananany antra, na ny tovolahy na ny virjiny, na ny antitra na ny marefo.+ Natolotr’Andriamanitra teo am-pelatanany daholo ny zava-drehetra.+ 18  Nentiny tany Babylona daholo ny fitaovana tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra, na lehibe na kely, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ny andrianany.+ 19  Dia nodorany ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ ary noravany ny mandan’i Jerosalema.+ Nodorany koa ny tilikambo voaro mafy rehetra teo aminy, ary nopotehiny ny zava-tsarobidy rehetra.+ 20  Dia nentiny ho babo tany Babylona izay sisa tsy matin’ny sabatra,+ ka lasa nanompo azy+ sy ny taranany, mandra-pahatongan’ny fotoana nitondran’ny fanjakan’i Persa.+ 21  Nitranga izany mba ho tanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Tsy nisy mponina intsony ilay tany, raha tsy efa voaonitra ireo sabata tsy notandreman’izy ireo.+ Dia niala sasatra ilay tany mandra-pahatapitry ny 70 taona.+ 22  Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nampirisihin’i Jehovah hanao fanambarana nanerana ny fanjakany i Kyrosy mpanjakan’i Persa, mba ho tanteraka ny tenin’i Jehovah nolazain’i Jeremia.+ Nataony an-tsoratra koa ilay fanambarana,+ hoe: 23  “Izao no tenin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa: ‘Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ ary naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda.+ Iza aminareo àry no anisan’ny vahoakany? Enga anie hanampy azy i Jehovah Andriamaniny! Dia aleo izy hiakatra.’”+

Fanamarihana

1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Izany hoe tamin’ny lohataona tany Israely (manomboka Martsa na Aprily). Jereo F.F. B15.
Abt: “nanamafy hatoka.”