Tantara Faharoa 4:1-22

  • Ilay alitara, ilay Ranomasina, ary ny koveta (1-6)

  • Fitoeran-jiro, latabatra, ary tokotany (7-11a)

  • Vita ny fitaovana rehetra ho an’ny tempoly (11b-22)

4  Dia nanao ny alitara varahina izy,+ ka 20 hakiho ny lavany, 20 hakiho ny sakany, ary 10 hakiho ny haavony.  Nanao fitoeran-drano varahina lehibe nantsoina hoe Ranomasina+ izy. Boribory ilay izy: 10 hakiho ny savaivony, 5 hakiho ny haavony, ary tady 30 hakiho vao nahodidina azy.+  Nisy haingony nitovy tamin’ny voatango+ teo ambanin’ny molony manodidina azy. Voatango folo isaky ny iray hakiho no nanodidina an’ilay Ranomasina. Roa andalana ireo voatango ireo, ary lasitra iray ihany no nandrendrehana azy sy ilay Ranomasina.  Nipetraka teo ambonin’ny omby varahina 12+ ilay Ranomasina, ka ny omby 3 nitodika nianavaratra, ny 3 niankandrefana, ny 3 nianatsimo, ary ny 3 niantsinanana. Nifampiamboho ireo omby rehetra ireo, ary teo ambonin’ireo ilay Ranomasina.  Toy ny sakan’ny felatanana* ny hatevin’ilay Ranomasina, ary natao hoatran’ny molotry ny kaopy ny molony, mitovy amin’ny felana lisy. Antonona* rano 3 000 bata* ilay fitoeran-drano.  Nanao koveta folo hisasana koa izy, ka ny dimy nataony teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+ Ao amin’ireo ny mpisorona no hanasa ny zavatra ampiasaina amin’ny fanatitra dorana,+ fa ilay Ranomasina kosa natao hisasany.+  Nanao fitoeran-jiro volamena folo izy avy eo,+ araka izay nasaina natao.+ Napetrany tao amin’ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+  Nanao latabatra folo koa izy. Napetrany tao amin’ny tempoly izany, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia.+ Dia nanao vilia baolina volamena 100 izy.  Nataony koa avy eo ny tokotany+ ho an’ny mpisorona+ sy ny tokotany lehibe*+ ary ny vavahadin’ny tokotany. Dia nopetahany takela-barahina ireo vavahady ireo. 10  Ary nataony teo ankavanana, teo atsimoatsinanana, ilay Ranomasina.+ 11  Nanamboatra fitoeran-davenona sy lapelina ary vilia baolina koa i Hirama.+ Dia vitan’i Hirama ny asa nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’ilay tena Andriamanitra:+ 12  Ny andry roa+ sy ny loha andry nitovy tamin’ny vilia baolina, izay teo an-tampon’ny andry roa; ny harato roa+ nandrakotra ny loha andry roa* teo an-tampon’ireo andry; 13  ny ampongabendanitra 400+ ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay, mba handrakofana ny loha andry roa* teo ambonin’ny andry;+ 14  ny kalesy* folo sy ny koveta folo teo amboniny;+ 15  ny Ranomasina sy ny omby 12 teo ambaniny;+ 16  ny fitoeran-davenona, ny lapelina, ary ny fitrebika.*+ Teo koa ny fitaovana rehetra miaraka amin’ireo, izay nataon’i Hiram-abivy+ tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah. 17  Tao anaty lasitra tanimanga no nandrendrehan’ny mpanjaka azy ireo, tao amin’ny faritr’i Jordana, teo anelanelan’i Sokota+ sy Zareda. 18  Dia nataon’i Solomona be dia be ireny fitaovana rehetra ireny. Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+ 19  Ary nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra+ ho an’ny tranon’ilay tena Andriamanitra: Ny alitara volamena;+ ny latabatra+ fametrahana ny mofo aseho;+ 20  ny fitoeran-jiro sy ny jirony, izay samy volamena tsy misy fangarony,+ mba hirehitra eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, araka izay nasaina natao; 21  ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro, ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy natao tamin’ny volamena tsara indrindra; 22  ny famonoan-jiro, ny vilia baolina, ny kaopy, ny fitondrana afo, izay samy volamena tsy misy fangarony; ary ny fidirana amin’ny trano, izany hoe ny varavarana anatiny mankao amin’ny Masina Indrindra+ sy ny varavaran’ny tempoly. Samy volamena daholo ireo.+

Fanamarihana

7,4 sm eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Na: “Nahazaka.”
1 bata = 22 litatra. Jereo F.F. B14.
Na: “tokotany voafefy.”
Na: “loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina.”
Na: “loha andry roa nitovy tamin’ny vilia baolina.”
Na: “kalesy fitondrana rano.”
Vy fanindronana misy lohany maranitra roa na mihoatra.
Na: “ny tandra.”