Tantara Faharoa 5:1-14

  • Nomanina ny fitokanana ny tempoly (1-14)

    • Nentina nankao amin’ny tempoly ny Vata (2-10)

5  Vitan’i Solomona àry ny asa rehetra tsy maintsy nataony ho an’ny tranon’i Jehovah.+ Dia nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana rehetra.+  Tamin’izany fotoana izany, dia novorin’i Solomona ny anti-panahin’ny* Israely, sy ny lehibem-poko rehetra, ary ny mpiadidy teo amin’ny fianakaviamben’ny Israely. Tonga tany Jerosalema izy ireo mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, avy tany amin’ny Tanànan’i Davida,+ izany hoe Ziona.+  Dia nivory teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely tamin’ny fotoanan’ny fety,* izay natao tamin’ny volana fahafito.+  Tonga daholo àry ny anti-panahin’ny Israely, ary nobatain’ny Levita ilay Vata.+  Dia nentin’izy ireo niakatra ilay Vata, sy ny tranolay fihaonana,+ ary ny fitaovana masina rehetra tao amin’ilay tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita* no nitondra an’izany niakatra.  Teo anoloan’ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan’Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona+ tamin’izay, ka tsy voaisa intsony.  Dia nentin’ny mpisorona ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, ka nataony teo amin’ny toerany, tao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ilay trano, tao amin’ny Masina Indrindra, teo ambany elatr’ireo kerobima.+  Nivelatra teo ambonin’ny toerana nisy an’ilay Vata àry ny elatr’ireo kerobima, ka nanaloka an’ilay Vata sy ireo bao filanjana+ azy ny kerobima.  Lava be ireo bao ka tazana ny tendrony raha avy eo amin’ny Masina, eo anoloan’ny efitra anatiny indrindra. Tsy tazana avy any ivelany kosa ireo bao ireo. Ary mbola ao ireo hatramin’izao. 10  Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vata, afa-tsy ireo takela-bato roa napetrak’i Mosesy tao, tany Horeba,+ rehefa nanao fifanekena+ tamin’ny vahoakan’Israely i Jehovah, tamin’izy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+ 11  Rehefa nivoaka avy tao amin’ny toerana masina ny mpisorona,—fa efa nanamasina ny tenany ny mpisorona rehetra teo,+ na inona na inona fizarana nisy azy+ 12  dia efa nanao akanjo vita tamin’ny lamba tena tsara daholo ny Levita mpihira+ notarihin’i Asafa+ sy Hemana+ sy Jedotona+ sy ny zanak’izy ireo ary ny rahalahiny. Nitondra kipantsona sy zavamaneno fitendry ary harpa koa ireo Levita ireo. Nitsangana teo atsinanan’ny alitara izy ireo, niaraka tamin’ny mpisorona 120 izay nitsoka trompetra.+ 13  Raha vao niara-nidera sy nisaotra an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, ka naneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno hafa, dia feno rahona ilay trano,+ izany hoe ny tranon’i Jehovah. Nidera an’i Jehovah izy ireo tamin’izay, “fa tsara izy, ary be fitiavana sady tsy mivadika mandrakizay.”+ 14  Tsy nahavita nanohy ny fanompoany ny mpisorona noho ilay rahona, satria feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’ilay tena Andriamanitra.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Izany hoe ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.
Na: “Ny Levita mpisorona.”