Tantara Faharoa 8:1-18

  • Zavatra hafa naorin’i Solomona (1-11)

  • Nalamina ny fanompoana tao amin’ny tempoly (12-16)

  • Ny sambon’i Solomona (17, 18)

8  Rehefa tapitra ny 20 taona nanorenan’i Solomona ny tranon’i Jehovah sy ny tranony,*+  dia naoriny indray ireo tanàna nomen’i Hirama+ azy, ka nasainy nipetraka tao ny Israelita.*  Nankany Hamata-zoba koa i Solomona ka naharesy azy.  Dia nohamafisiny* i Tadmora tany an-tany efitra, sy ny tanàna rehetra fitehirizana entana+ sy vokatra efa naoriny tany Hamata.+  Naoriny koa i Beti-horona Ambony+ sy Beti-horona Ambany.+ Tanàna voaro mafy misy manda sy vavahady ary bara hidiny ireo.  Naoriny koa i Baleta+ sy ny tanàna rehetra fitehirizan’i Solomona entana sy vokatra, ny tanàna rehetra fanatobiana kalesy,+ ny tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly, ary izay rehetra nirin’i Solomona haorina tao Jerosalema sy tany Libàna ary nanerana ny tany nanjakany.  Ary mbola nisy sisa tavela ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izay samy tsy anisan’ny Israely.+  Mbola tavela teo amin’ilay tany ny taranak’izy ireny fa tsy naripaky ny Israelita,+ ka nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona hatramin’izao.+  Ny Israelita kosa tsy nisy nataon’i Solomona andevo,+ fa izy ireo no miaramilany, lehiben’ny manamboninahitra lefitra, lehiben’ny mpitondra kalesiny, ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaly.+ 10  Nisy 250 lahy ny mpiadidy ny lehibem-paritr’i Solomona Mpanjaka. Mpanara-maso an’ireo olona nanao an’ilay asa izy ireo.+ 11  Ny zanakavavin’i Farao+ indray nentin’i Solomona niakatra avy tao amin’ny Tanànan’i Davida ho any amin’ilay trano naoriny ho azy.+ Fa hoy izy: “Tsy tokony hipetraka ao an-tranon’i Davida mpanjakan’ny Israely izy, na dia vadiko aza, satria masina ny toerana nidiran’ny Vata masin’i Jehovah.”+ 12  Avy eo dia nanolotra sorona dorana+ ho an’i Jehovah i Solomona, teo amin’ny alitaran’i+ Jehovah, izay efa naoriny teo anoloan’ny tilikambo fidirana.+ 13  Nanaraka ny didy nomen’i Mosesy izy ka nanao ny fanatitra tokony hatao isan’andro, ny fanatitra atao rehefa Sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety intelo isan-taona,+ dia ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ sy ny Fetin’ireo Herinandro,+ ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.*+ 14  Ary nozarazarainy hanao ny fanompoany ny mpisorona,+ nifanaraka tamin’ny fitsipika napetrak’i Davida rainy. Notendreny hanao ny andraikiny koa ny Levita, mba hidera+ sy hanompo an’Andriamanitra eo anatrehan’ny mpisorona araka ny fanao isan’andro. Notendreny ho eny amin’ny vavahady samy hafa kosa ny mpiandry vavahady, araka ny fizarana nisy azy avy.+ Izany rehetra izany mantsy no nandidian’i Davida, lehilahin’Andriamanitra. 15  Ary nankatoavin’izy ireo foana ny didin’ny mpanjaka ho an’ny mpisorona sy ny Levita, dia ny didy nomeny momba ny trano fitehirizana entana na momba ny zavatra hafa rehetra. 16  Voalamina tsara* daholo àry ny asan’i Solomona, nanomboka tamin’ny andro nandatsahana ny fototry ny tranon’i Jehovah+ ka mandra-pahavitany. Dia vita tanteraka ny tranon’i Jehovah.+ 17  Tamin’izay i Solomona no nankany Eziona-gebera+ sy Elota,+ teny amoron-tsiraka, tany Edoma.+ 18  Nandefa sambo sy tantsambo za-draharaha tany amin’i Solomona i Hirama,+ ka ny mpanompony no nasainy nandefa an’izany. Niaraka tamin’ny mpanompon’i Solomona nankany Ofira+ ireo, dia naka volamena+ nilanja 450 talenta,* ka nitondra an’izany tany amin’i Solomona Mpanjaka.+

Fanamarihana

Na: “lapany.”
Na: “zanak’Israely.”
Na: “naoriny indray.”
Na: “Fialokalofana Tsy Maharitra.”
Na: “Nilamina tsara; Tontosa.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.