Tesalonianina Faharoa 2:1-17

  • Ilay lehilahy mpandika lalàna (1-12)

  • Miezaha ho mafy orina (13-17)

2  Momba ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika+ sy ny fanangonana antsika ho any aminy+ anefa, dia izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy:  Aza mora mikorontan-tsaina na taitaitra raha misy teny hoatran’ny hoe avy amin’Andriamanitra,*+ na tenin’olona, na taratasy hoatran’ny hoe avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah.*+  Aza avela hisy hamitaka anareo* mihitsy, satria tsy ho tonga izany andro izany raha tsy efa misy aloha ny fivadiham-pinoana,*+ ary efa aharihary ilay lehilahy mpandika lalàna,+ izany hoe ilay zanaky ny fandringanana.+  Mpanohitra izy ary manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe andriamanitra na izay rehetra ivavahana.* Mipetraka ao amin’ny tempolin’Andriamanitra àry izy, sady miseho ho andriamanitra eo imason’ny olona.  Matetika aho no niteny an’izany taminareo, tamin’izaho mbola teo aminareo. Tsy tadidinareo ve?  Fantatrareo izao hoe inona no mbola misakana an’io lehilahy io ka mahatonga azy tsy haharihary alohan’ny fotoana.  Marina fa efa miasa io fandikan-dalàna io,+ izay zava-miafina. Mandra-panala an’ilay misakana azy amin’izao fotoana izao fotsiny anefa izy io no zava-miafina.  Dia haharihary tokoa ilay mpandika lalàna, izay haringan’i Jesosy Tompo amin’ny fofonain’ny vavany+ sady hofoanany rehefa hita mazava+ hoe manatrika izy.  Noho ny herin’i Satana+ no mahatonga an’io lehilahy mpandika lalàna io ho eo, sy hanao zavatra miavaka be dia be, sady hanao famantarana mamitaka sy fahagagana,*+ 10  ary hanao zavatra tsy marina isan-karazany+ mba hamitahana an’izay haringana. Izany no sazin’izy ireny satria tsy nanaiky sady tsy tia ny fahamarinana izy ireny ka tsy hovonjena. 11  Avelan’Andriamanitra ho voafitaky ny fampianaran-diso àry izy ireny, mba hinoany lainga.+ 12  Amin’izay izy rehetra ho voaheloka satria tsy nino ny fahamarinana, fa faly tamin’ny tsy fahamarinana. 13  Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra foana izahay noho ny aminareo, ry rahalahy tian’i Jehovah.* Efa hatramin’ny voalohany mantsy izy no nifidy anareo+ mba hovonjena, ka nohamasininy+ tamin’ny alalan’ny fanahiny ianareo satria nino ny fahamarinana. 14  Izany no niantsoany anareo tamin’ny alalan’ny vaovao tsara torinay, mba hahazoanareo voninahitra hoatran’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 15  Miezaha àry ho mafy orina,+ ry rahalahy, ary aza miala amin’izay nampianarina anareo,+ na tamin’ny teny izany, na tamin’ny taratasy avy aminay. 16  Tia antsika+ Andriamanitra Raintsika sady mampionona antsika mandrakizay ary manome fanantenana tsara,+ noho ilay hatsaram-panahiny miavaka. Enga anie Izy sy Jesosy Kristy Tompontsika 17  mba hampionona ny fonareo sy hampahery* anareo, amin’izay ianareo hanao ny tsara sy hiteny zavatra tsara foana!

Fanamarihana

Na: “raha misy fanahy.” Jereo F.T. “Fanahy.”
Jereo F.F. A5.
Na: “hitarika anareo ho diso lalana.”
Jereo F.T.
Na: “tompoina.”
Na: “fambara.”
Jereo F.F. A5.
Na: “hanamafy orina.”