Asan’ny Apostoly 10:1-48
-
Fahitana hitan’i Kornelio (1-8)
-
Fahitana hitan’i Petera momba ireo biby nodiovina (9-16)
-
Nitsidika an’i Kornelio i Petera (17-33)
-
Nitory ny vaovao tsara tamin’ny hafa firenena i Petera (34-43)
-
“Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra” (34, 35)
-
-
Nahazo fanahy masina ny hafa firenena ary natao batisa (44-48)
10 Nisy lehilahy atao hoe Kornelio tany Kaisaria. Manamboninahitra* tao amin’ilay nantsoina hoe andiana miaramila italianina* izy.
2 Mpivavaka be sady natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo. Ary nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra izy sady nitalaho tsy tapaka tamin’Andriamanitra.
3 Tamin’ny ora fahasivy*+ teo ho eo, dia nahita fahitana mazava tsara izy. Nahita anjelin’Andriamanitra nanatona azy izy, niteny taminy hoe: “Kornelio a!”
4 Dia nijery azy tsara i Kornelio sady natahotra be, ka niteny hoe: “Ahoana izay, tompoko?” Dia hoy izy: “Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany koa ny fiantranao ny mahantra, ka tsy hadinony izany.+
5 Koa maniraha olona ho any Jopa mba haka an’ilay lehilahy atao hoe Simona, ilay antsoina koa hoe Petera.
6 Mivahiny ao amin’i Simona mpanao hoditra izy, ary eo amoron-dranomasina ny tranon’izy io.”
7 Vao lasa ilay anjely niresaka taminy, dia nantsoiny ny roa tamin’ny mpiasany sy ny miaramila iray mpivavaka be, izay samy anisan’ny mpikarakara azy.
8 Ary notantarainy tamin’izy ireo ny zava-drehetra, dia nirahiny ho any Jopa izy ireo.
9 Ny ampitson’iny, raha mbola teny an-dalana izy ireo sady efa akaiky an’ilay tanàna, dia niakatra tao an-tampon-trano i Petera, tamin’ny ora fahenina* teo ho eo, mba hivavaka.
10 Noana be anefa izy ka te hihinan-kanina. Raha mbola teo am-pikarakarana sakafo ny olona, dia nahita fahitana i Petera.+
11 Nahita ny lanitra nisokatra izy, ary nisy zavatra toy ny lamba rongony lehibe nidina avy any. Nampidinina tamin’ny zorony efatra ho etỳ an-tany ilay izy.
12 Nisy biby isan-karazany tao anatiny, dia biby manan-tongotra efatra sy biby mandady ary voro-manidina.
13 Nisy feo niteny taminy avy eo hoe: “Petera a, mitsangàna! Vonoy dia hano!”
14 Hoy anefa i Petera: “Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio+ mihitsy aho.”
15 Dia niteny fanindroany taminy ilay feo hoe: “Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.”
16 Ary nitranga fanintelony izany, dia nakarina avy hatrany tany an-danitra ilay izy avy eo.
17 Raha mbola sahiran-tsaina i Petera hoe inona no mety ho dikan’ilay fahitana, dia tamin’izay indrindra no nijoro teo am-bavahady ireo lehilahy nirahin’i Kornelio, rehefa avy nanontany hoe aiza ny tranon’i Simona.+
18 Dia niantso izy ireo ka nanontany raha nivahiny tao i Simona, ilay antsoina koa hoe Petera.
19 Teo am-pieritreretana an’ilay fahitana i Petera no niteny taminy ny fanahy masina+ hoe: “Misy telo lahy mitady anao ireo!
20 Koa mitsangàna dia midìna, ary aza misalasala mihitsy fa mandehana miaraka aminy, satria izaho no naniraka an-dry zareo.”
21 Dia nidina nankany amin’izy ireo i Petera, ka niteny hoe: “Izaho ilay tadiavinareo. Ahoana izay?”
22 Hoy ireo: “Misy manamboninahitra atao hoe Kornelio+ naniraka anay. Lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra izy, sady tsara laza eo amin’ny firenena jiosy manontolo. Nisy anjely masina nirahin’Andriamanitra hilaza taminy mba hampaka anao ho any an-tranony, sy hihaino an’izay holazainao.”
23 Nampandrosoin’i Petera àry izy ireo, ka nivahiny tao aminy.
Niomana i Petera ny ampitson’iny, dia nandeha niaraka tamin’izy ireo. Nisy rahalahy avy tao Jopa koa niaraka taminy.
24 Dia tonga tany Kaisaria izy ny ampitso. Efa niandry azy ireo tokoa i Kornelio, ary efa namory ny havany sy ny namany akaiky.
25 Rehefa niditra i Petera, dia nitsena azy i Kornelio, ary niankohoka tamim-panajana teo an-tongony.
26 Fa natsangan’i Petera izy, ka noteneniny hoe: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olombelona ihany e!”+
27 Sady niresaka taminy i Petera no niditra tao an-trano, ka nahita olona maro efa vory tao.
28 Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny mifanerasera amin’ny hafa firenena na ny manatona azy.+ Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.+
29 Ka dia tonga aho, ary tsy nanda mihitsy rehefa nampanalaina. Inona àry no antony nanirahanareo olona haka ahy?”
30 Dia hoy i Kornelio: “Efatra andro lasa izay, tamin’ny ora hoatr’izao indrindra, tamin’ny ora fahasivy,* dia nivavaka tato an-tranoko aho. Ary nisy lehilahy nanao akanjo namirapiratra nijoro teo anoloako,
31 ka niteny hoe: ‘Kornelio a! Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nataonao, ary hitany ny fiantranao ny mahantra ka tsy hadinony.
32 Koa maniraha olona ho any Jopa ary ampanantsoy i Simona, ilay atao koa hoe Petera. Mivahiny ao an-tranon’i Simona mpanao hoditra, eo amoron-dranomasina, izy.’+
33 Tonga dia naniraka olona tany aminao aho, ary tena misaotra anao nankatỳ. Koa ireto daholo izahay eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino an’izay rehetra nasain’i Jehovah* lazainao aminay.”
34 Dia nanomboka niteny i Petera, ka nilaza hoe: “Azoko tsara amin’izay izao fa tsy mijery tavan’olona* Andriamanitra,+
35 fa izay olona matahotra azy sy manao ny tsara no ankasitrahany, na inona na inona fireneny.+
36 Nandefa hafatra tany amin’ny zanak’Israely izy, mba hotorina amin’izy ireo ilay vaovao tsara hoe afaka mihavana amin’Andriamanitra+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireo. Izy ilay Tompon’ny olon-drehetra.+
37 Fantatrareo fa taorian’ny batisa notorin’i Jaona, dia ambentin-dresaky ny olona eran’i Jodia manontolo, nanomboka tany Galilia,+
38 ny amin’i Jesosy avy any Nazareta. Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina+ sy nomeny hery izy ka nandeha eran’ilay faritra. Ary nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly izy,+ satria nanampy azy Andriamanitra.+
39 Ary vavolombelon’ny zava-drehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay. Novonoin-dry zareo anefa izy ka nahantony teo amin’ny tsato-kazo.*
40 Fa natsangan’Andriamanitra izy tamin’ny andro fahatelo,+ dia navelany hiseho tamin’ny olona.*
41 Tsy tamin’ny olon-drehetra anefa no nisehoany, fa tamin’ny vavolombelona notendren’Andriamanitra mialoha, izany hoe taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty.+
42 Nandidy anay hitory amin’ny olona koa izy, ka hanazava tsara*+ fa izy no notendren’Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.+
43 Izy no nambaran’ny mpaminany rehetra+ hoe izay mino azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.”+
44 Raha mbola teo am-piresahana an’izany i Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina.+
45 Dia gaga ireo mpino* anisan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanahy masina, ilay fanomezana maimaim-poana.
46 Naheno azy ireo niteny tamin’ny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra mantsy izy ireo.+ Dia hoy i Petera:
47 “Nahazo fanahy masina hoatr’antsika koa ireto olona ireto. Koa misy afaka misakana azy ireo tsy hatao batisa+ amin’ny rano ve?”
48 Nasainy natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy+ àry izy ireo. Dia nangataka an’i Petera hijanona andro vitsivitsy tany izy ireo.
Fanamarihana
^ Nibaiko miaramila 100.
^ Andian-tafika romanina misy miaramila 600.
^ Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.
^ Izany hoe tamin’ny 12 antoandro teo ho eo.
^ Izany hoe tamin’ny 3 tolakandro teo ho eo.
^ Na: “tsy manavakavaka.”
^ Na: “hazo.”
^ Na: “ho hitan’ny olona.”
^ Na: “hitory amin’ny fomba feno.”
^ Na: “olona tsy mivadika.”