Asan’ny Apostoly 3:1-26
3 Niakatra nankao amin’ny tempoly i Petera sy Jaona tamin’ny ora fivavahana, dia ny ora fahasivy.*
2 Ary nisy lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentin’olona teo amin’ny vavahadin’ny tempoly, ilay atao hoe Vavahady Kanto. Napetrak’izy ireo isan’andro teo izy, mba hangataka tamin’izay niditra tao amin’ny tempoly.
3 Vao nahita an’i Petera sy Jaona handeha hiditra tao amin’ny tempoly izy, dia nangata-bola tamin’izy ireo.
4 Nijery tsara azy kosa i Petera sy Jaona, dia hoy i Petera: “Jereo izahay.”
5 Nibanjina tsara azy roa lahy àry izy, satria nanantena hahazo zavatra taminy.
6 Hoy anefa i Petera: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao. Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!”+
7 Dia noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy ka natsangany.+ Tonga dia natanjaka ny tongotr’ilay lehilahy sy ny kitrokeliny,+
8 ka nitsambikina izy,+ ary nanomboka nandeha. Niditra tao amin’ny tempoly niaraka tamin’izy roa lahy izy, ka nandeha sady nitsambikimbikina ary nidera an’Andriamanitra.
9 Ary hitan’ny vahoaka rehetra izy nandeha sy nidera an’Andriamanitra.
10 Fantatr’izy ireo avy eo fa izy ilay lehilahy nipetraka nangataka teo amin’ny Vavahady Kanto, teo amin’ny tempoly.+ Koa gaga be izy ireo, sady tsy nampino azy ireo izay nitranga tamin’ilay lehilahy.
11 Raha mbola namikitra tamin’i Petera sy Jaona izy, dia tamy ny vahoaka rehetra nirohotra nankeo amin’izy telo lahy, teo amin’ilay atao hoe Lala-mitafon’i Solomona.+ Ary tena talanjona izy ireo.
12 Hitan’i Petera izany, ka hoy izy tamin’ilay vahoaka: “Ry Israelita, maninona ianareo no gaga be? Ary maninona ianareo no mandinika be anay, hoatran’ny hoe ny herinay na hoe noho izahay nahafoy tena ho an’Andriamanitra no nahavitanay nampandeha azy?
13 Nanome voninahitra an’i Jesosy+ Mpanompony+ ny Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba,+ dia ilay Andriamanitry ny razambentsika. Ianareo anefa nanolotra an’i Jesosy hovonoina+ ka nanda azy teo anatrehan’i Pilato, na dia efa tapa-kevitra ny hanafaka azy aza izy.
14 Nolavinareo tokoa ilay masina sy marina. Mpamono olona no nangatahinareo hafahana ho anareo,+
15 fa novonoinareo kosa ilay Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana.+ Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty anefa izy, ary vavolombelon’izany izahay.+
16 Tamin’ny alalan’ny anarany sy ny finoanay ny anarany no nampahatanjaka an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io. Ny finoana an’i Jesosy no nahasitrana tanteraka an’io lehilahy io eto anatrehanareo rehetra.
17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa noho ny tsy fahalalanareo+ no nanaovanareo an’ireny, ary hoatr’izany koa ny mpitondra anareo.+
18 Izany anefa no fomba nanatanterahan’Andriamanitra an’izay efa nampilazainy ny mpaminany rehetra, dia ny hoe tsy maintsy hijaly ilay Kristy voatendriny.+
19 “Koa mibebaha,+ ary miverena amin’Andriamanitra*+ mba ho voafafa ny fahotanareo.+ Amin’izay dia hisy fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah,*
20 ary hirahiny ilay Kristy voatendry ho anareo, dia i Jesosy.
21 Tsy maintsy miandry any an-danitra izy, mandra-pahatongan’ny fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny, dia ireo zavatra nasain’Andriamanitra nolazain’ny mpaminaniny masina taloha.
22 Niteny tokoa mantsy i Mosesy hoe: ‘Hanendry mpaminany ho anareo i Jehovah* Andriamanitrareo, dia mpaminany hoatr’ahy, avy eo amin’ny rahalahinareo.+ Henoy izay rehetra lazainy aminareo.+
23 Koa izay rehetra tsy mihaino an’izany Mpaminany izany, dia haringana tanteraka tsy ho eo amin’ny vahoaka.’+
24 Ary nanambara mazava momba an’izao andro izao ny mpaminany rehetra, dia izay rehetra naminany nanomboka tamin’i Samoela sy ireo nandimby azy.+
25 Ianareo no zanaky ny mpaminany sy zanaky ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny razambenareo,+ tamin’izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: ‘Hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+
26 Rehefa avy nanendry an’ilay Mpanompony Andriamanitra, dia tany aminareo aloha izy no nirahiny+ mba hahazoanareo fitahiana, ka hanampy anareo tsirairay hiala amin’ny zava-dratsy nataonareo.”