Tononkiran’i Solomona 1:1-17

  • Tononkira tsara indrindra (1)

  • Ankizivavy (2-7)

  • Zanakavavin’i Jerosalema (8)

  • Mpanjaka (9-11)

    • “Hanamboaranay firavaka volamena ianao” (11)

  • Ankizivavy (12-14)

    • ‘Toy ny miora manitra ilay mamin’ny foko(13)

  • Mpiandry ondry (15)

    • “Tsara tarehy ianao, ry malalako”

  • Ankizivavy (16, 17)

    • “Tsara tarehy ianao, ry malalako” (16)

1  Ny tononkira tsara indrindra* nataon’i Solomona:+   “Enga anie izy hanoroka ahy amin’ny molony,Fa tsara noho ny divay ny fomba anehoanao fitiavana!+   Manitra erỳ ny menakao!+ Sahala amin’ny menaka manitra araraka ny anaranao,+ Dia izany no itiavan’ny ankizivavy anao.   Ento* manaraka anao aho, dia andao isika hitsoaka, Fa nentin’ny mpanjaka tao amin’ny efitranony anatiny aho! Andao isika hiaraka hifalifaly sy hiravoravo. Andao horesahintsika* ny fomba anehoanao fitiavana, fa tsara noho ny divay ireny. Tsy mahagaga raha tian’ny ankizivavy ianao.   Mainty* aho nefa mahafatifaty, ry zanakavavin’i Jerosalema ô,Hoatran’ny tranolain’i Kedara,+ hoatran’ny lamba nanaovana+ ny tranolain’i Solomona.   Aza jerijerena aho satria hoe mivalomainty,Fa main’ny masoandro aho. Tezitra tamiko ny zanakalahin’i Neny,Ka nasainy niambina tanimboaloboka aho,Nefa ny tanimboaloboko aza tsy mba nambenako.   Mba lazao ahy, ry ilay tena tiako,Hoe aiza ny toerana iandrasanao ondry,+Sy ny toerana ampatorinao ny andian’ondry, amin’ny mitataovovonana. Fa maninona aho no handehandeha eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny,Hoatran’ny vehivavy manarona ny tarehiny amin’ny voaly?”*   “Raha tsy fantatrao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô,Dia mandehana manaraka ny dian’ondry,Ka andraso eo akaikin’ny tranolain’ny mpiandry ondry ny zanak’osinao.”   “Mitovy amin’ny soavalivavy* mitarika ny kalesin’i Farao ianao, ry malalako.+ 10  Mahafatifaty erỳ ny takolakao misy firavaka,*Ary tsara tarehy erỳ izato vozonao misy vakana! 11  Hanamboaranay firavaka volamena* ianao,Firavaka nasiana haingony volafotsy.” 12  “Raha iny mbola mipetraka eo amin’ny latabany boribory iny ny mpanjaka,Dia mamerovero erỳ ny ranomanitro!*+ 13  Amiko ilay mamin’ny foko dia toy ny miora manitra eran’ny kitapo kely+Eo anelanelan’ny nonoko mandritra ny alina. 14  Amiko ilay mamin’ny foko dia sahala amin’ny vonin’ny moina+Eo amin’ny tanimboalobok’i En-jedy.”+ 15  “Tena tsara tarehy ianao, ry malalako. Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao.”+ 16  “Tena tsara tarehy ianao, ry ilay mamin’ny foko, sady mahafinaritra.+ Ravinkazo no fandrianantsika. 17  Hazo sedera no nanaovana ny tranontsika,*Ary hazo zenevrie no nanaovana ny tafontranontsika.

Fanamarihana

Abt: “Ny tononkiran’ny tononkira.”
Abt: “Tariho.”
Na: “hoderaintsika.”
Na: “Maintin’ny masoandro.”
Na: “voaly fisaonana.”
Na: “soavalivaviko.”
Na mety hoe “amin’izao volonao mirandrana izao.”
Na: “firavaka volamena boribory.”
Na: “ny narda anaovako.”
Na: “tranontsika tsara tarehy.”