Tononkiran’i Solomona 2:1-17

  • Ankizivavy (1)

    • ‘Voninkazodia aho’

  • Mpiandry ondry (2)

    • ‘Toy ny lisy ny malalako’

  • Ankizivavy (3-14)

    • ‘Avelao ny fitiavana hitsiry ho azy’ (7)

    • Tenin’ilay mpiandry ondry (10b-14)

      • “Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko” (10b, 13)

  • Anadahin’ilay ankizivavy (15)

    • “Sambory ny amboadia”

  • Ankizivavy (16, 17)

    • “Ahy ny malalako, ary azy aho” (16)

2  “Voninkazodia* eny amin’ny lemaka amoron-tsiraka ihany aho,Ary lisy eny an-dohasaha.”+   “Toy ny lisy eny amin’ny tsilo ny malalako.Hafa raha samy ankizivavy izy.”   “Hoatran’ny paoma maniry any anaty ala ny malalako.Hafa raha samy ankizilahy izy. Mba tiako erỳ ny hipetraka hialokaloka eo ambaniny,Ary mamy ao am-bavako ny voany!   Nentiny tao amin’ny trano misy fanasambe* aho,Ary toy ny saina kely mikopakopaka eo amboniko ny fitiavany.   Omeo mofo vita amin’ny voaloboka maina+ aho mba ho velombelona,Ary omeo paoma mba hatanjaka,Fa azon’ny tazom-pitia aho.   Iondanako ny tanany ankavia,Ary mamihina ahy ny tanany ankavanana.+   Ry zanakavavin’i Jerosalema ô!Asaiko mianiana amin’ny gazela+ sy amin’ny serfavavy any an-tsaha ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.+   Izany ny feon’ny malalako! Iny tamy iny izy,Mianika tendrombohitra sady mitsambikimbikina eny an-kavoana.   Hoatran’ny gazela ny malalako, hoatran’ny zanaka serfa.+ Io mijoro ao ambadiky ny rindrinay io izy!Mijery eo am-baravarankely izy,Sady mitsirika eo amin’ny makarakara. 10  Dia hoy ilay mamin’ny foko: ‘Mitsangàna, ry malalako,Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko. 11  Jereo fa efa lasa ny ririnina,* Ary efa nijanona sady efa lasa ny orana. 12  Efa mamelana ny voninkazo eto amin’ny tanintsika,+Efa tonga ny fotoana fandrantsanana voaloboka,+Ary heno eto amin’ny tanintsika ny hiran’ny domohina.+ 13  Masaka koa ny aviavy vokatra voalohany.+Mamelana ny voaloboka, sady manitra mamerovero. Mitsangàna, ry malalako, dia avia! Andao hiaraka amiko, ry ilay tsara tarehiko. 14  Ry voromailalako miafina eny an-tsefatsefaky ny harambato,+Eny anelanelan’ny vatolampy amoron-tevana,Avelao aho mba hijery anao dia haheno ny feonao,+Fa mahafinaritra erỳ ny feonao ary mahafatifaty ny bikanao!’”+ 15  “Sambory ny amboadia,Dia ireo amboadia kely mpanimba tanimboaloboka,Fa efa mamony ny voalobokay.” 16  “Ahy ny malalako, ary azy aho.+ Miandry ondry+ eny amin’ny toerana feno lisy izy.+ 17  Dieny mbola tsy mandrivodrivotra* ny andro, ary mbola tsy lasa ny aloka,Dia miverena haingana, ry ilay mamin’ny foko,Hoatran’ny gazela+ na ny zanaka serfa+ eny amin’ny tendrombohitry ny fisarahana.*

Fanamarihana

Abt: “Safrona.”
Abt: “tranon-divay.”
Na: “fotoanan’ny orana.”
Abt: “mbola tsy mifoka rivotra.”
Na mety hoe “eny an-tsefatsefaky ny tendrombohitra.” Na: “eny amin’ireo tendrombohitr’i Betera.”