Tononkiran’i Solomona 3:1-11

  • Ankizivavy (1-5)

    • “Nitady an’ilay olon-tiako aho isak’alina” (1)

  • Zanakavavin’i Ziona (6-11)

    • Ny filanjana an’i Solomona sy ny mpiambina azy

3  “Nitady an’ilay olon-tiako aho isak’alina,+Tamin’izaho tao am-pandriana. Nitady azy aho fa tsy nahita.+   Handeha hiarina aho, dia handehandeha eran’ny tanàna.Aleo hotadiaviko eny an-dalambeSy eny amin’ny tany malalaka ilay olon-tiako. Nitady azy aho fa tsy nahita.   Hitan’ny mpiambina aho, tamin’izy ireo nandehandeha nanao fisafoana tao an-tanàna.+ Dia hoy aho tamin’izy ireo: ‘Sao dia mba hitanareo ilay olon-tiako?’   Vao niala kely teo amin’izy ireo anefa aho,Dia hitako ilay olon-tiako. Notazoniko izy ka tsy navelako nandehaRaha tsy tongako tany an-tranon’i Neny,+Dia tao amin’ny efitranon’ilay niteraka ahy.   Ry zanakavavin’i Jerosalema ô!Asaiko mianiana amin’ny gazela sy amin’ny serfavavy any an-tsaha ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.”+   “Inona iny hoatran’ny setroka be miakatra avy any an-tany efitra iny?Manitra be ilay izy, manitra miora sy ditin-kazo manitraAry vovoka zava-manitra isan-karazany amidin’ny mpivarotra.”+   “Iny ny filanjana* an’i Solomona, Voahodidina lehilahy matanjaka 60Avy amin’ny lehilahy israelita matanjaka.+   Manana sabatra izy rehetra,Sady efa voaofana hiady.Samy mitondra ny sabany eo amin’ny andilany izy ireo,Satria misy zavatra mampahatahotra amin’ny alina.”   “Iny ilay filanjana* an’i Solomona Mpanjaka!Hazon’i Libàna no nanaovany azy.+ 10  Nataony volafotsy ny andrin’ilay izy,Ary volamena ny fiankinana. Natao tamin’ny volonondry volomparasy ny fipetrahana,Ary ny ao anatiny kosaNasian’ny zanakavavin’i Jerosalema haingonkaingony tamim-pitiavana.” 11  “Mivoaha, ry zanakavavin’i Ziona ô!Jereo i Solomona MpanjakaFa manao an’ilay satroboninahitra* namboarin’ny reniny+ ho azy,Tamin’ny fampakaram-badiny,Tamin’ny andro nifalian’ny fony.”

Fanamarihana

Filanjana misy tafokely, fitondrana olona ambony.
Filanjana misy tafokely, fitondrana olona ambony.
Mety ho fehiloha vita amin’ny voninkazo na zavamaniry izy io.