Tononkiran’i Solomona 4:1-16

  • Mpiandry ondry (1-5)

    • “Tsara tarehy ianao, ry malalako” (1)

  • Ankizivavy (6)

  • Mpiandry ondry (7-16a)

    • ‘Babonao ny foko, ry ilay ampakariko’ (9)

  • Ankizivavy (16b)

4  “Tena tsara tarehy ianao, ry malalako. Tena tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao ao anatin’ny voalinao. Ny volonao kosa hoatran’ny andian’osyMiara-midina ny tendrombohitr’i Gileada.+   Ny nifinao dia toy ny andian’ondry vao nohetezana,Izay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy.Miteraka kambana izy rehetra,Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.   Hoatran’ny kofehy mena midorehitra ny molotrao,Ary mahafinaritra ny teninao. Hoatran’ny silaka ampongabendanitraNy takolakao* ao anaty voaly.   Ny vozonao+ dia sahala amin’ny tilikambon’i Davida,+Izay vita rarivatoSady ihantonan’ny ampinga arivo,Dia ny ampinga boribory rehetra fampiasan’ny lehilahy matanjaka.+   Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa,Toy ny zana-gazela kambana+Miraoka ahitra eny amin’ny lisy.”   “Dieny mbola tsy mandrivodrivotra* ny andro ary mbola tsy lasa ny aloka,Dia ho any amin’ny tendrombohitra misy miora aho,Ary ho any amin’ny havoana misy ditin-kazo manitra.”+   “Tsara tarehy be mihitsy ianao, ry malalako,+Sady tsy misy tsininy.   Andao isika hiala atỳ Libàna, ry ilay ampakariko,Andao hiala atỳ Libàna!+ Midìna avy eny an-tampon’i Amana,Avy eny an-tampon’i Senira, eny an-tampon’i Hermona,+Avy eny amin’ny tendrombohitra ipetrahan’ny liona sy ny leopara.   Babonao ny foko,+ rahavako, ry ilay ampakariko.Babonao ny foko raha vao nitopy indray mandeha tetỳ amiko ny masonao,Raha vao hitako ny mason-drojo iray amin’ilay rojo iambozonanao. 10  Mamy erỳ ny fomba anehoanao fitiavana,+ rahavako, ry ilay ampakariko! Tsara lavitra noho ny divay ny fitiavanao,+Ary mamerovero noho ny zava-manitra ny ranomanitrao!+ 11  Mamy noho ny tantely avy ao amin’ny toho-tantely ny molotrao,+ ry ilay ampakariko. Tantely sy ronono no ao ambany lelanao,+Ary toy ny hanitr’i Libàna ny hanitry ny akanjonao. 12  Toy ny zaridaina mihidy ianao, rahavako, ry ilay ampakariko,Dia zaridaina mihidy sy loharano misarona. 13  Hoatran’ny paradisa* kely feno ampongabendanitra ny tsimoka avy aminao,*Sady misy voankazo faran’izay tsara, moina sy narda maniry, 14  Narda+ sy safrona, fantàkamanitra*+ sy kanelina,+Ny karazan-kazo rehetra misy ditiny manitra, miora, aloesy,+Ary ny zava-manitra rehetra faran’izay tsara.+ 15  Loharano ao an-jaridaina ianao, lavadrano misy rano madio,Ary rano mikoriana avy any Libàna.+ 16  Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra ô!Midira, ry rivotra avy any atsimo ô! Aoka ianareo hitsoka moramora ao an-jaridainako. Enga anie hiparitaka ny fofony manitra!” “Enga anie ilay mamin’ny foko hiditra ao an-jaridainany,Ka hihinana ny voankazo faran’izay tsara ao.”

Fanamarihana

Na: “fihirifanao.”
Abt: “mbola tsy mifoka rivotra.”
Na: “zaridaina.”
Na mety hoe “ny hoditrao.”
Zavamaniry manitra izy io, fa tsy tena fantatra hoe inona marina.