Tononkiran’i Solomona 5:1-16

  • Mpiandry ondry (1a)

  • Vehivavy tao Jerosalema (1b)

    • “Aoka ianareo ho mamon’ny fitiavana!”

  • Ankizivavy (2-8)

    • Nitantara ny nofiny

  • Zanakavavin’i Jerosalema (9)

    • ‘Inona no mampiavaka an’ilay mamin’ny fonao?’

  • Ankizivavy (10-16)

    • “Miavaka amin’ny olona iray alina izy” (10)

5  “Efa niditra ato an-jaridainako aho,+ rahavako,Ry ilay ampakariko. Efa nioty miora sy zava-manitra aho.+ Efa nihinana ny tantely avy amin’ny toho-tanteliko aho,Ary efa nisotro ny divaiko sy ny rononoko.”+ “Mihinàna, ry izy roa kely! Misotroa, ary aoka ianareo ho mamon’ny fitiavana!”+   “Matory aho nefa mahatsiaro ihany ny foko.+ Izany mandondòna izany ilay mamin’ny foko! ‘Vohay aho, rahavako, ry malalako,Ry voromailalako, ry ilay tsy misy tsiniko, Fa lenan’ny ando ny lohako,Ary kotsan’ny andon’ny alina ny voloko.’+   Efa nesoriko ny akanjoko ivelany, Dia hanaovako indray ve? Efa nosasako ny tongotro, Dia holotoiko indray ve?   Nesorin’ilay mamin’ny foko teo amin’ny lavaky ny hidim-baravarana ny tanany,Dia nidobodoboka be ny foko.   Nitsangana àry aho hamoha varavarana an’ilay mamin’ny foko.Nitete miora ny tanako,Ary nitete ranona miora ny rantsantanako,Teo amin’ny tahon’ny hidim-baravarana.   Namoha varavarana an’ilay mamin’ny foko aho,Saingy efa tsy teo intsony izy fa efa lasa. Kivy be aho rehefa lasa izy.* Nitady azy aho fa tsy nahita.+ Niantso azy aho, fa tsy namaly izy.   Hitan’ny mpiambina aho, tamin’izy ireo nandehandeha nanao fisafoana tao an-tanàna. Dia nokapohiny aho ka naratra. Nanendaka ny saly* nanaovako ny mpitily teny ambony manda.   Ry zanakavavin’i Jerosalema ô! Asaiko mianiana ianareo: Raha hitanareo ilay mamin’ny foko,Dia ilazao izy fa azon’ny tazom-pitia aho.”   “Fa inona loatra no mampiavaka an’ilay mamin’ny fonao amin’ny lehilahy hafa rehetra,Ry ilay vehivavy tsara tarehy indrindra ô? Fa inona loatra no mampiavaka an’ilay mamin’ny fonao amin’ny lehilahy hafa rehetra,No asainao mianiana hoatr’izany izahay?” 10  “Tsara tarehy be ilay mamin’ny foko, sady somary mena.Miavaka amin’ny olona iray alina izy. 11  Hoatran’ny volamena ny lohany, dia volamena faran’izay tsara, Ary ny volony hoatran’ny ravina palmie mikopakopaka,*Sady mainty toy ny volon’ny goaika. 12  Ny masony dia tahaka ny voromailala eo amoron-drano,Dia voromailala mandro ao anaty ronono,Sady mipetraka eo amoron’ny dobo feno rano.* 13  Ny takolany indray toy ny zaridaina feno zava-manitra,+Sy toy ny dongon-tany novolena zava-manitra. Ny molony kosa sahala amin’ny lisy mitete ranona miora.+ 14  Volamena ny rantsantanany ary noravahana krizolita. Ny kibony dia toy ny ivoara nokosehina hangirana sady voarakotra safira. 15  Ny ranjony indray toy ny andry marbra mitsatoka eo amin’ny faladia volamena faran’izay tsara. Tsara tarehy hoatran’i Libàna izy, sady tsy manan-tsahala toy ny hazo sedera.+ 16  Mamy dia mamy ny vavany,*Ary mahafinaritra daholo izay rehetra mombamomba azy.+ Hoatr’izany ilay mamin’ny foko. Izany ilay malalako, ry zanakavavin’i Jerosalema ô!”

Fanamarihana

Na mety hoe “Saika safotra aho rehefa niteny izy.”
Lamba lehibebe fitafin’ny vehivavy.
Na mety hoe “hoatran’ny antrendry amin’ny tangozany.”
Na mety hoe “eo amin’ny sisin’ny loharano.”
Abt: “lanilaniny.”