Tononkiran’i Solomona 6:1-13

  • Zanakavavin’i Jerosalema (1)

  • Ankizivavy (2, 3)

    • “An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako” (3)

  • Mpanjaka (4-10)

    • “Tsara tarehy hoatran’i Tirza ianao” (4)

    • Tenin’ny vehivavy maromaro (10)

  • Ankizivavy (11, 12)

  • Mpanjaka (sy olon-kafa) (13a)

  • Ankizivavy (13b)

  • Mpanjaka (sy olon-kafa) (13d)

6  “Lasa aiza ilay malalanao,Ry vehivavy tsara tarehy indrindra ô? Nivily aiza ilay malalanao? Andao isika hitady azy.”   “Lasa nidina any an-jaridainany ny malalako,Any amin’ny zaridaina feno zava-manitra.Fa hiandry ondry any izy,Sady hioty lisy.+   An’ny malalako aho,Ary ahy ny malalako.+ Miandry ondry eny amin’ny toerana feno lisy izy.”+   “Tsara tarehy hoatran’i Tirza*+ ianao, ry malalako,+Kanto hoatran’i Jerosalema,+Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.+   Avilio tsy hijery ahy ny masonao,+Fa babon’ny masonao tanteraka aho. Ny volonao dia hoatran’ny andian’osyMiara-midina avy eny Gileada.+   Ny nifinao dia toy ny andian’ondryIzay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy.Miteraka kambana izy rehetra,Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.   Hoatran’ny silaka ampongabendanitraNy takolakao* ao anaty voaly.   Na eo aza ireo vehivavy 60 vadin’ny mpanjaka,Sy ny vadikeliny 80,Ary ny ankizivaviny tsy hita isa,+   Dia iray ihany no voromailalako,+ ilay tsy misy tsininy. Vavitokan’ny reniny izy, Ary izy no zanaka tena tian’ilay* niteraka azy. Nahita azy ny ankizivavy, ka nilaza hoe sambatra izy.Nidera azy koa ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny hoe: 10  ‘Iza io vehivavy mamirapiratra* hoatran’ny hazavana vao maraina io?Tsara tarehy toy ny volana fenomanana izy,Sady madio tahaka ny tara-masoandro,Ary mahavariana toy ny tafika milahatra manodidina ny sainany.’”+ 11  “Nidina nankany amin’ny saha feno voanjoala+ aho,Mba hijery ny zavamaniry vao mitsiry eny an-dohasaha,*Sy hijery raha efa mitsimoka* ny voaloboka,Ary efa mamony ny ampongabendanitra. 12  Tena te hahita an’izany aho,Ka tsy nampoiziko akoryDia tonga teny amin’ny kalesin’ny olona ambony* aho.” 13  “Miverena! Miverena, ry Solemita ô! Miverena re e! Miverena,Mba hijerenay anao indray!” “Fa maninona ianareo no mandinika an’ilay Solemita?”+ “Hoatran’ny dihin’ny toby roa* izy!”

Fanamarihana

Na: “Tanàna Kanto.”
Na: “fihirifanao.”
Abt: “no ilay madion’ilay.”
Abt: “mijery ambany.”
Na: “eny amin’ny lalan-driaka.”
Na: “mamony.”
Na: “firenena vonona hanampy.”
Na: “dihin’i Mahanaima.”