Tononkiran’i Solomona 7:1-13

  • Mpanjaka (1-9a)

    • ‘Tena mahafinaritra ianao, ry tovovavy malalako’ (6)

  • Ankizivavy (9b-13)

    • “An’ny malalako aho, ary izaho no iriny” (10)

7  “Tsara erỳ ny tongotrao ao anatin’ilay kapanao,Ry tovovavy mendri-kaja! Toy ny firavaka notefen’ny mpanao asa tananaNy bikan’ny fenao.   Boribory hoatran’ny vilia baolina ny foitranao. Enga anie hisy divay misy fangarony foana eo! Ary ny kibonao dia toy ny antontam-barimbazahaVoahodidin’ny lisy.   Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa,Dia zana-gazela kambana.+   Ny vozonao+ indray hoatran’ny tilikambo ivoara,+ Ary ny masonao+ toy ny dobo any Hesbona,+Eo akaikin’ny vavahadin’i Bata-rabima. Ny oronao kosa tahaka ny tilikambon’i Libàna,Izay tandrifin’i Damaskosy.   Tsara tarehy hoatran’ny Tendrombohitra Karmela+ ny lohanao,Ary tahaka ny volonondry volomparasy+ ny volonao.*+ Babon’ny volonao mihofahofa ny mpanjaka.   Tena tsara tarehy sy mahafinaritra ianao, ry tovovavy malalako,Mbola kanto noho izay mety ho kanto!   Hoatran’ny hazo palmie ny fijoronao,Ary toy ny antrendry* ny nononao.+   Hoy aho: ‘Hianika an’ilay hazo palmie aho,Mba haka ny tahony misy voany.’ Enga anie ho tahaka ny voaloboka amin’ny tangozany ny nononao,Ho manitra hoatran’ny paoma ny fofonainao,   Ary ho toy ny divay faran’izay tsara ny vavanao!”* “Enga anie ilay divay hidina moramora ao an-tendan’ilay mamin’ny foko,Ary hikoriana moramora eo amin’ny molotr’izay matory!” 10  An’ny malalako aho,+Ary izaho no iriny. 11  Avia, ry ilay mamin’ny foko,Andao isika ho any an-tsaha.Andao isika hipetraka eny ambanin’ny moina.+ 12  Andao isika hifoha maraina ho any an-tanimboaloboka,Mba hijery raha mitsimoka* ny voaloboka,Ary raha efa mamelana ny zavamaniry,+Na efa mamony ny ampongabendanitra.+ Any aho no haneho ny fitiavako anao.+ 13  Manitra erỳ ny angividia!+Ary misy voankazo tsara be isan-karazany eo am-baravarantsika.+ Na ny vaovao na ny efa ela,Dia samy notehiriziko ho anao, ry ilay mamin’ny foko.

Fanamarihana

Abt: “lohanao.”
Voan’ny karazana palmie antsoina koa hoe daty.
Abt: “lanilaninao.”
Na: “mamony.”