Tononkiran’i Solomona 8:1-14

  • Ankizivavy (1-4)

    • “Raha mba hoatran’ny anadahiko mantsy ianao” (1)

  • Anadahin’ilay ankizivavy (5a)

    • ‘Iza iny mitehina amin’ny malalany iny?’

  • Ankizivavy (5b-7)

    • “Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana” (6)

  • Anadahin’ilay ankizivavy (8, 9)

    • “Raha manda izy, ... fa raha varavarana ...” (9)

  • Ankizivavy (10-12)

    • “Manda aho” (10)

  • Mpiandry ondry (13)

    • ‘Te haheno ny feonao aho’

  • Ankizivavy (14)

    • “Mihazakazaha mafy hoatran’ny gazela”

8  “Raha mba hoatran’ny anadahiko mantsy ianao,Ka ninono tamin’i Neny, Dia hanoroka anao aho+ raha mahita anao eny ivelany eny,Nefa tsy hisy olona hanome tsiny ahy.   Hoentiko ianao,Hoentiko any an-tranon’i Neny,+Ilay nampianatra ahy. Horosoako divay nasiana zava-manitra ianao,Sady homeko ranon’ampongabendanitra vao avy natao.   Hiondanako ny tanany ankavia,Ary hamihina ahy ny tanany ankavanana.+   Ry zanakavavin’i Jerosalema ô! Asaiko mianiana ianareo Mba tsy hitady hanaitra na hampitsiry fitiavana ato amiko, fa avelao ilay izy hitsiry ho azy.”+   “Iza iny miakatra avy any an-tany efitra iny,Iny mitehina amin’ny malalany iny?” “Teo ambany paoma ianao no nofohaziko. Teo ny reninao no nihetsi-jaza niteraka anao. Teo ilay niteraka anao no nihetsi-jaza.   Ataovy hoatran’ny tombo-kase eo amin’ny fonao aho,Hoatran’ny tombo-kase eo amin’ny sandrinao.Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana,+Ary tsy mety milefitra mihitsy hoatran’ny Fasana* ny fitiavan’ny olona tokam-po. Toy ny lelafo miredareda izany, dia lelafo avy amin’i Jah.*+   Na dia rano manonja be aza tsy mahafaty ny afom-pitiavana.+Na renirano koa aza tsy mahavita manongotra* azy.+ Raha misy olona manome ny harena rehetra ao an-tranony mba hividianana fitiavana,Dia tena hatao tsinontsinona izany.”*   “Manana anabavy kely+Mbola tsy misy nono izahay. Hataonay ahoana izyRehefa misy mangataka indray andro any?”   “Raha manda izy,Dia hanorenantsika tampony volafotsy eo amboniny.Fa raha varavarana kosa izy,Dia hosakanantsika amin’ny hazo fisaka sedera.” 10  “Manda aho,Ary hoatran’ny tilikambo ny nonoko. Mijery ahy ilay malalako,Dia hitany hoe milamin-tsaina aho. 11  Nanana tanimboaloboka+ tany Bala-hamona i Solomona, Ary nisy olona nasainy nikarakara an’ilay izy. Samy nanome volafotsy arivo sekely avy izy rehetra, rehefa niakatra ny vokatra. 12  Anao, ry Solomona, ny volafotsy arivo sekely,* Ary ny roanjato kosa an’izay mikarakara ny vokatra.Fa izaho kosa manana tanimboaloboka azoko ampiasaina amin’izay itiavako azy.” 13  “Ry ilay mipetraka ao an-jaridaina ô!+Tena te hihaino ny feonao ny namako.* Izaho koa te haheno ny feonao.”+ 14  “Tongava haingana, ry malalako!Mihazakazaha mafy hoatran’ny gazela+Na hoatran’ny zanaka serfaEny an-tendrombohitry ny zava-manitra.””

Fanamarihana

Jereo F.T.
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Na mety hoe “ilay olona.”
Na: “mifaoka.”
Abt: “ny arivo.”
Na mety hoe “ny namanao.”