Amosa 1:1-15

  • Teny avy amin’i Jehovah nolazaina tamin’i Amosa (1, 2)

  • Didim-pitsarana satria nikomy foana (3-15)

1  Ny tenin’i Amosa,* izay anisan’ny mpiompy ondry avy ao Tekoa,+ roa taona talohan’ilay horohoron-tany.+ Azony tao amin’ny fahitana momba ny Israely izany teny izany, tamin’ny andron’i Ozia+ mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama+ zanak’i Joasy+ mpanjakan’ny Israely.  Hoy izy: “Hierona hoatran’ny liona avy ao Ziona i Jehovah,Ary hiantsoantso avy ao Jerosalema. Ho maina ny kijana,Ary ho maina koa ny tampon’i Karmela.”+   “Izao no tenin’i Jehovah:‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy* intelo i Damaskosy, inefatra mihitsy aza.Nanosihosy an’i Gileada tamin’ny fitaovana vy fanosihosena varimbazaha mantsy izy.+   Dia handefasako afo ny tranon’i Hazaela,+Ka ho levon’ny afo ny tilikambon’i Beni-hadada, dia ireo tilikambo voaro mafy.+   Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin’i Damaskosy,+Ary haringako ny mponina ao Bikata-avenaSy ilay mpitondra* ao Beti-edena.Ary hatao sesitany any Kira ny mponin’i Syria”,+ hoy i Jehovah.’   Izao no tenin’i Jehovah:‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Gaza,+ inefatra mihitsy aza.Nataony babo mantsy ny olona rehetra+ dia natolony an’i Edoma.   Dia handefasako afo ny mandan’i Gaza,+Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.   Haringako ny mponina ao Asdoda+Sy ilay mpitondra* ao Askelona.+Ary hamely an’i Ekrona aho,+Ka ho ripaka izay sisa amin’ny Filistinina”,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’   Izao no tenin’i Jehovah:‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Tyro,+ inefatra mihitsy aza.Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an’i Edoma,Ary tsy tsaroany ny fifanekena nataon’ny mpirahalahy.+ 10  Dia handefasako afo ny mandan’i Tyro,Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.’+ 11  Izao no tenin’i Jehovah:‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Edoma,+ inefatra mihitsy aza.Nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra mantsy izy,+Sady tsy nety namindra fo mihitsy.Tezitra izy ka mamiravira azy ireo foana,Ary mbola tezitra be amin’izy ireo foana.+ 12  Dia handefasako afo ao Temana,+Ka ho levon’ny afo ny tilikambo voaro mafy ao Bozra.’+ 13  Izao no tenin’i Jehovah:‘“Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo ny Amonita,+ inefatra mihitsy aza.Notatahany mantsy ny kibon’ny vehivavy bevohoka tao Gileada, mba hanitarany ny taniny.+ 14  Dia handefasako afo ny mandan’i Raba,+Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.Hisy antso fanairana amin’ny andro hisian’ny ady,Ary hisy tafio-drivotra mahery amin’ny andro hisian’ny oram-baratra. 15  Ary hatao sesitany ny mpanjakan’izy ireo sy ny andrianany”,+ hoy i Jehovah.’

Fanamarihana

Midika hoe “Enta-mavesatra” na “Mitondra Enta-mavesatra.”
Na: “nanao heloka bevava.”
Abt: “ilay mpitazona ny tehim-panjakana.”
Abt: “ilay mpitazona ny tehim-panjakana.”