Amosa 7:1-17

  • Fahitana mampiseho hoe akaiky ny farany ho an’ny Israely (1-9)

    • Andiam-balala (1-3), afo (4-6), pilao (7-9)

  • Tsy navela haminany intsony i Amosa (10-17)

7  Ary izao no nasehon’i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa andiam-balala izy rehefa nanomboka nitsiry ny voly nafafy tamin’ny ririnina.* Io ilay nafafy, rehefa vita ny fakana ny vilona ho an’ny mpanjaka.  Rehefa lanin’ny andiam-balala ny zavamaniry teo amin’ilay tany, dia hoy aho: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, mba avelao re ny helony e!+ Mbola ho tafavoaka velona* ve i Jakoba? Fa malemy ange izy e!”+  Dia niova hevitra* i Jehovah.+ “Tsy hitranga izany”, hoy i Jehovah.  Izao koa no nasehon’i Jehovah Tompo Fara Tampony tamiko: Nandefa afo mba hanasaziana i Jehovah Tompo Fara Tampony. Dia lasa ritra ny rano lalina midadasika ary levona ny ampahan’ilay tany.  Dia hoy aho: “Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, mba aoka re izay e!+ Mbola ho tafavoaka velona* ve i Jakoba? Fa malemy ange izy e!”+  Dia niova hevitra* i Jehovah.+ “Tsy hitranga koa izany”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.  Ary izao no nasehony tamiko: Nijoro teo ambony manda izay efa nampiasana pilao* i Jehovah, sady nitazona pilao.  Dia hoy i Jehovah tamiko: “Inona no hitanao, ry Amosa?” Ary hoy aho: “Pilao.” Dia hoy i Jehovah: “Hampiasako pilao ny Israely vahoakako, ka tsy havelako intsony ny helony.+  Hatao tsy misy mponina intsony eny amin’ny toerana avon’i Isaka,+ ary horavana ireo toerana masin’ny Israely.+ Dia hasiako amin’ny sabatra ny taranak’i Jeroboama.”+ 10  Nandefa an’izao hafatra izao tany amin’i Jeroboama mpanjakan’ny+ Israely i Amazia, mpisorona tao Betela:+ “Eto amin’ny taranak’Israely eto mihitsy i Amosa no manao teti-dratsy hanoherana anao.+ Tsy zakan’ny olona eto ny teniny rehetra.+ 11  Hoy mantsy i Amosa: ‘Ho fatin’ny sabatra i Jeroboama, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin’ny taniny.’”+ 12  Dia hoy i Amazia tamin’i Amosa: “’Ndeha mandeha any, ry mpahita fahitana, ka mandosira any Joda. Dia miasà* any, ary any ianao no mahazo maminany.+ 13  Fa aza maminany eto Betela intsony,+ satria toerana masin’ny mpanjaka eto+ sady renivohi-panjakana.” 14  Dia hoy i Amosa tamin’i Amazia: “Sady tsy mpaminany aho no tsy zanaka mpaminany. Fa mpiandry ondry aho+ ary nikarakara* aviavidia. 15  Nalain’i Jehovah teny am-piandrasana ondry anefa aho. Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Mandehana maminany amin’ny Israely vahoakako.’+ 16  Henoy àry ny tenin’i Jehovah: ‘Ianao niteny hoe: “Aza maminany hoe hisy loza hanjo ny Israely,+ ary aza mitory+ hoe homelohina ny taranak’i Isaka.” 17  Izao àry no tenin’i Jehovah: “Ny vadinao ho lasa mpivaro-tena ao an-tanàna, ary ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy ho fatin’ny sabatra. Ny taninao kosa hifampizarana sy horefesina amin’ny tady fandrefesana. Ianao indray ho faty any an-tany hafa, ary ny Israely kosa tsy maintsy hatao sesitany ka hiala amin’ny taniny.”’”+

Fanamarihana

Izany hoe tamin’ny Janoary sy Febroary tany Israely.
Abt: “ho tafatsangana.”
Na: “nanenina.”
Abt: “ho tafatsangana.”
Na: “nanenina.”
Tady kely misy vongam-by ijerena raha mahitsy ny rindrina.
Abt: “mihinàna mofo.”
Na: “mpanindrona.”