Apokalypsy 9:1-21

  • Ny trompetra fahadimy (1-11)

  • Lasa ny loza iray, ho avy ny loza roa hafa (12)

  • Ny trompetra fahenina (13-21)

9  Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahadimy.+ Dia nahita kintana avy any an-danitra nilatsaka tetỳ an-tany aho, ary nomena azy io ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka.*+  Nosokafany ilay lavaka mangitsokitsoka, dia nisy setroka hoatran’ny setroky ny lafaoro lehibe nivoaka avy tao. Dia lasa maizina+ ny masoandro sy ny rivotra noho ny setrok’ilay lavaka.  Ary nisy valala nivoaka avy tao amin’ilay setroka, dia nanketỳ an-tany.+ Nomena fahefana toy ny fahefan’ny maingoky ny tany ireo valala ireo.  Nilazana izy ireo hoe: “Aza simbana ny zavamaniry amin’ny tany na ny ahi-maitso na ny hazo, fa ny olona tsy manana ny tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ihany asiana.”+  Ary tsy navela hamono an’ireny olona ireny ho faty ireo valala ireo, fa mba hampijaly azy dimy volana kosa. Nijalijaly hoatran’ny olona voatsindron’ny maingoka+ ny olona nampijalin’ireo valala ireo.*  Dia hitady fahafatesana ny olona amin’izany andro izany fa tsy hahita mihitsy, ary tena te ho faty izy nefa mbola tsy maty ihany.  Ary nitovy tamin’ny soavaly voaomana ho any an’ady+ ireo valala ireo. Nisy hoatran’ny satroboninahitra volamena teo amin’ny lohany. Nitovy tamin’ny tarehin’olona ny tarehiny,  fa hoatran’ny volom-behivavy ny volony. Hoatran’ny nifin’ny liona ny nifiny,+  ary nanana fiarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy ireo. Ary ny feon’ny elany dia hoatran’ny feon’ny kalesy tarihin’ny soavaly maika ho any an’ady.+ 10  Nanana rambo misy fanindronana hoatran’ny maingoka koa izy ireo. Ary tao amin’ny rambony no nisy ny hery* nahafahany nampijaly olona nandritra ny dimy volana.+ 11  Nanana mpanjaka izy ireo, dia ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka:+ Abadona* no anarany amin’ny teny hebreo, fa Apolyona* kosa amin’ny teny grika. 12  Lasa ny loza iray. Misy loza+ roa hafa koa anefa ho avy aorian’izany. 13  Nitsoka ny trompetrany+ ny anjely fahenina.+ Dia naheno feo avy teo amin’ny tandrok’ilay alitara volamena+ teo anatrehan’Andriamanitra aho. 14  Hoy ilay feo tamin’ilay anjely fahenina nanana trompetra: “Mba vahao ny anjely efatra mifatotra eo amin’i Eofrata, ilay renirano lehibe.”+ 15  Dia novahana ny anjely efatra efa voaomana ho amin’izany ora sy andro sy volana ary taona izany. Novahana izy ireo mba hamono ho faty ny ampahatelon’ny olona. 16  Ary 20 000 ampitomboina 10 000* ny isan’ny miaramila mpitaingin-tsoavaly. Henoko ny isany. 17  Ary toy izao no fahitako an’ireo soavaly tao amin’ilay fahitana sy ny mpitaingina azy: Nanana fiarovan-tratra mena hoatran’ny afo, sy manga, ary mavo hoatran’ny solifara ny mpitaingina azy. Ary ny lohan’ny soavaly dia tahaka ny lohan’ny liona,+ ary nisy afo sy setroka sy solifara nivoaka avy tamin’ny vavany. 18  Dia matin’ireto loza telo ireto ny ampahatelon’ny olona: Ny afo sy ny setroka ary ny solifara nivoaka avy tamin’ny vavan’ny soavaly. 19  Fa teo amin’ny vavany sy ny rambony no nisy ny heriny.* Hoatran’ny bibilava mantsy ny rambony sady misy lohany, ary ny rambony no nampijaliany olona. 20  Tsy nibebaka tamin’izay nataony* anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, fa mbola nivavaka foana tamin’ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo. Tsy afaka mahita na mandre na mandeha anefa ireny sampy ireny.+ 21  Ary tsy nibebaka izy ireo fa mbola namono olona, sy nilalao ody, sy nijangajanga,* ary nangalatra ihany.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na mety hoe “Nampijaly hoatran’ny maingoka manindrona olona ireo valala ireo.”
Na: “fahefana.”
Midika hoe “Mpandringana.”
Midika hoe “Fandringanana.”
Izany hoe 200 000 000.
Na: “fahefany.”
Abt: “tamin’ny asan’ny tanany.”