Daniela 10:1-21

  • Nisy anjely nirahin’Andriamanitra hankany amin’i Daniela (1-21)

    • Nampian’i Mikaela ilay anjely (13)

10  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nisy hafatra nampahafantarina an’i Daniela, ilay antsoina hoe Beltesazara.+ Marina ilay hafatra, ary momba ny ady goavana iray ilay izy. Azon’i Daniela ny dikan’ilay hafatra, ary nampahafantarina azy ny dikan’ilay zavatra hitany.  Nisaona+ nandritra ny telo herinandro katroka izaho Daniela, tamin’izany fotoana izany.  Tsy nihinana sakafo matsiro aho, na nihinan-kena na nisotro divay, sady tsy nihosotra menaka mihitsy nandritra ny telo herinandro katroka.  Tamin’ny andro faha-24 amin’ny volana voalohany, dia mbola teo amoron’ilay renirano lehibe atao hoe Tigra*+ aho.  Dia nijery aho, ka nahita lehilahy iray nanao akanjo rongony.+ Nanao fehikibo vita tamin’ny volamena avy any Ofaza koa izy teo amin’ny andilany.  Namirapiratra hoatran’ny krizolita+ ny vatany, toy ny tselatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony. Hoatran’ny varahina nokosehina hangirana ny sandriny sy ny tongony,+ ary toy ny feon’ny vahoaka be ny feony.  Izaho Daniela ihany no nahita an’ilay fahitana, fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita.+ Nangovitra be anefa izy ireo, ka lasa nitsoaka dia niafina.  Dia tavela irery teo aho. Rehefa nahita an’izany fahitana mahagaga izany aho, dia tsy nisy hery intsony tato anatiko. Lasa hatsatra be koa ny tarehiko, sady tsy nanan-kery intsony aho.+  Henoko niteny ilay lehilahy avy eo. Dia renoky ny torimaso aho rehefa naheno azy niteny, ka nihohoka tamin’ny tany.+ 10  Nisy tanana nikasika ahy anefa,+ ka nanarina ahy mba handohalika sady hitehina amin’ny tanako roa. 11  Ary hoy izy tamiko: “Ry Daniela ô, tena sarobidy* ianao.+ Henoy tsara ny teny holazaiko aminao. Dia mitsangàna amin’izay, fa nirahina ho atỳ aminao aho.” Rehefa nilaza an’izany tamiko izy, dia nitsangana aho sady nangovitra. 12  Hoy koa izy tamiko: “Aza matahotra,+ ry Daniela ô! Nanomboka tamin’ilay andro voalohany niezahanao mafy hahazo ny dikan’ny zava-drehetra sy hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitrao, dia nohenoina ny teninao. Tonga àry aho noho izany teninao izany.+ 13  Nanohitra ahy 21 andro anefa ny andrianan’ny+ fanjakan’i Persa. Fa tonga nanampy ahy i Mikaela,*+ iray amin’ireo andriana lehibe indrindra.* Tafajanona teo amin’ireo mpanjakan’i Persa aho nandritra an’izany fotoana izany. 14  Dia tonga aho mba hampahafantatra anao an’izay hanjo ny firenenao any am-parany,+ satria mbola afaka andro maro vao ho tanteraka ilay fahitana.”+ 15  Rehefa nilaza an’izany tamiko izy, dia nanondrika ny lohako aho, sady tsy nahateny. 16  Nisy hoatran’ny lehilahy nikasika ny molotro avy eo.+ Ary nosokafako ny vavako, dia hoy aho tamin’ilay nijoro teo anoloako: “Mangovitra aho, tompoko, noho ilay fahitana hitako, ka tsy manana hery intsony.+ 17  Tsy manana hery intsony aho izao, sady sempotra.+ Dia ahoana moa no ahavitan’ny mpanomponao miresaka aminao, tompoko?”+ 18  Nikasika ahy indray ilay hoatran’ny lehilahy, ka nankahery ahy.+ 19  Dia hoy izy: “Aza matahotra,+ ry ilay tena sarobidy* ô!+ Ho aminao anie ny fiadanana!+ Mahereza ianao! Mahereza!” Nahazo hery aho rehefa niresaka tamiko izy, dia hoy aho: “Ento àry ny teninao, tompoko, fa efa nankahery ahy ianao.” 20  Dia hoy izy: “Mba fantatrao moa hoe nahoana aho no tonga atỳ aminao? Handeha hiverina hiady amin’ilay andrianan’i Persa aho izao.+ Ary rehefa lasa aho, dia ho avy koa ny andrianan’i Gresy. 21  Holazaiko aminao anefa izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Ary tsy mba misy manohana ahy amin’izany, afa-tsy i Mikaela,+ ilay andriananareo.+

Fanamarihana

Abt: “Hidekela.”
Na: “tena tiana; tena misy vidiny.”
Na: “andriana faran’izay ambony.”
Midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?”
Na: “tena tiana; tena misy vidiny.”