Daniela 6:1-28

  • Niray tetika hiampanga an’i Daniela ny manam-pahefana persianina (1-9)

  • Mbola nivavaka ihany i Daniela (10-15)

  • Natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela (16-24)

  • Nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Daniela i Dariosy Mpanjaka (25-28)

6  Ary hitan’i Dariosy hoe tsara raha manendry lehibem-paritany 120 izy hitantana an’ilay fanjakana manontolo.+  Nisy manam-pahefana ambony telo niandraikitra azy ireo, ka anisan’izany i Daniela.+ Nandefa tatitra tsy tapaka tany amin’ireo manam-pahefana ambony ireo ny lehibem-paritany,+ mba tsy hisy fatiantoka ho an’ny mpanjaka.  Ary niavaka foana i Daniela raha oharina amin’ireo manam-pahefana ambony sy lehibem-paritany, satria narani-tsaina tsy nisy hoatr’izany izy.+ Dia nieritreritra ny hanandratra azy hitantana ny fanjakana manontolo ny mpanjaka.  Tamin’izany fotoana izany, dia nitady antony hiampangana an’i Daniela momba ny raharaham-panjakana ny manam-pahefana ambony sy ny lehibem-paritany. Tsy nahita zavatra azo iampangana azy anefa izy ireo, sady tsy afaka niampanga azy ho nanao ny tsy marina, satria mendri-pitokisana izy. Tsy mba nanao kitoatoa mihitsy koa izy sady nanao ny marina foana.  Dia hoy ireo lehilahy ireo: “Tsy hahita zavatra hiampangana an’io Daniela io mihitsy isika, raha tsy hoe zavatra mifandray amin’ny lalàn’ny Andriamaniny angaha.”+  Dia nirohotra nankao amin’ny mpanjaka ireo manam-pahefana ambony sy lehibem-paritany ireo, ka niteny hoe: “Ho velona mandrakizay anie ianao, ry Dariosy Mpanjaka ô!  Nikaon-doha daholo ny manam-pahefana eto amin’ny fanjakana, ny mpiadidy, ny lehibem-paritany, ny lehiben’ny tandapa, ary ny governora ka nifanaraka hoe aleo hasiana lalàm-panjakana mampanan-kery an’izao fandrarana izao: Izay manao fangatahana ato anatin’ny 30 andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.+  Dia mba avoahy izany lalàna izany, ry mpanjaka ô, ka ataovy sonia+ mba tsy ho azo ovana, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.”+  Koa nosoniavin’i Dariosy Mpanjaka ilay lalàna sy ilay fandrarana. 10  Vao henon’i Daniela anefa hoe efa vita sonia ilay lalàna, dia nankao an-tranony izy. Nisokatra tandrifin’i Jerosalema ny varavarankelin’ny efitranony tany an-tampon-trano.+ Dia nandohalika sy nivavaka ary nidera ny Andriamaniny intelo isan’andro izy, araka ny efa fanaony talohan’izay. 11  Tamin’izay no nirohotra niditra ireo lehilahy ireo, ka nahita an’i Daniela nangataka sy nitalaho famindram-po tamin’ny Andriamaniny. 12  Koa nankao amin’ny mpanjaka izy ireo, ka nampahatsiahy azy an’ilay fandrarana navoakan’ny mpanjaka. Dia hoy izy ireo: “Ry mpanjaka ô, angaha moa ianao tsy efa nanao sonia an’ilay fandrarana hoe izay manao fangatahana ato anatin’ny 30 andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?” Dia hoy ny mpanjaka: “Ie, didy efa manan-kery izany, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.”+ 13  Tonga dia niteny tamin’ny mpanjaka izy ireo hoe: “Ry mpanjaka ô, i Daniela, ilay anisan’ny babo avy any Joda,+ ange tsy niraharaha ny didinao sy ny fandrarana nosoniavinao e! Fa izy mbola mivavaka intelo isan’andro ihany.”+ 14  Vao henon’ny mpanjaka izany, dia tena nalahelo be izy. Ary nitady hevitra hamonjena an’i Daniela izy, ka niezaka mafy hanavotra azy alohan’ny hilentehan’ny masoandro. 15  Farany, dia nirohotra nankao amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo, ka niteny hoe: “Ry mpanjaka ô, tadidio fa araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina, dia tsy azo ovana izay fandrarana na lalàna efa navoakan’ny mpanjaka.”+ 16  Koa nanome baiko ny mpanjaka, dia nentina i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona.+ Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: “Hamonjy anao ilay Andriamanitra tompoinao andro aman’alina.” 17  Avy eo dia nisy vato nalaina nanampenana an’ilay* lavaka. Ary nasian’ny mpanjaka tombo-kase tamin’ny peratra fanombohan-kaseny sy ny peratra fanombohan-kasen’ny olona ambony ilay vato, mba tsy ho azo ovana ny lalàna nampiharina tamin’i Daniela. 18  Dia nody tao an-dapany ny mpanjaka. Nifady hanina izy ny alin’iny, sady tsy navelany hisy olona hampiala voly azy.* Tsy nety nahita tory mihitsy koa izy.* 19  Rehefa maraina ny andro, tamin’ilay nangiran-dratsy iny, dia niarina ny mpanjaka ka nihazakazaka nankany amin’ilay lavaky ny liona. 20  Rehefa teo akaikin’ilay lavaka izy, dia niantsoantso an’i Daniela sady nalahelohelo erỳ niteny hoe: “Ry Daniela mpanompon’ilay Andriamanitra velona ô! Nahavita namonjy anao tamin’ny liona ihany ve ilay Andriamanitra tompoinao andro aman’alina?” 21  Tonga dia namaly i Daniela hoe: “Ho velona mandrakizay anie ianao, ry mpanjaka ô! 22  Naniraka ny anjeliny ilay Andriamanitro ka nanakombona ny vavan’ny liona,+ dia tsy naninona ahy mihitsy ny liona.+ Hita mantsy hoe tsy nanan-tsiny teo anatrehany aho. Sady tsy nanao ratsy taminao koa aho, ry mpanjaka ô!” 23  Dia faly be ny mpanjaka, ka nasainy nampiakarina avy tao amin’ilay lavaka i Daniela. Rehefa tafakatra avy tao i Daniela, dia hita fa tsy naninona mihitsy izy, satria natoky an’ilay Andriamaniny.+ 24  Nanome baiko ny mpanjaka avy eo, dia nalaina ireo lehilahy niampanga* an’i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona, niaraka tamin’ny vady aman-janany. Mbola tsy tonga tany amin’ny faran’ilay lavaka akory izy ireo dia efa norambasan’ny liona, ka nopotipotehiny daholo ny taolany.+ 25  Dia nanoratra ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra eran-tany i Dariosy Mpanjaka+ hoe: “Hitombo be anie ny fiadananareo! 26  Mamoaka didy aho hoe tokony hangovitra sy hatahotra an’ilay Andriamanitr’i Daniela ny olona any amin’ny faritra rehetra eran’ny fanjakako.+ Fa izy no Andriamanitra velona sy maharitra mandrakizay. Tsy ho rava mihitsy ny fanjakany, ary maharitra mandrakizay ny fitondrany.+ 27  Mamonjy+ sy manafaka izy, ary manao famantarana sy zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ an-tany,+ satria namonjy an’i Daniela teny am-bavan’ny* liona.” 28  Koa nilamina ny fiainan’i Daniela nandritra ny fanjakan’i Dariosy+ sy ny fanjakan’i Kyrosy Persianina.+

Fanamarihana

Abt: “ny vavan’ilay.”
Na mety hoe “tsy nisy mpitendry zavamaneno nentina teo aminy.”
Abt: “Nandositra azy ny torimasony.”
Na: “nanendrikendrika.”
Abt: “teny an-tanan’ny.”