Deoteronomia 1:1-46

  • Niala tany amin’ny Tendrombohitra Horeba ny Israely (1-8)

  • Nanendry lehibe sy mpitsara (9-18)

  • Tsy nankatò tao Kadesi-barnea (19-46)

    • Tsy nety niditra tao amin’ilay tany (26-33)

    • Tsy naharesy an’i Kanana (41-46)

1  Ireto ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israely rehetra tao amin’ny faritr’i Jordana, tany an-tany efitra, teny amin’ny lemaka karakaina tandrifin’i Sofa, anelanelan’i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba.  Lalana 11 andro avy any Horeba ny mankany Kadesi-barnea,+ raha any an-tendrombohitra Seira no lalana.  Tamin’ny andro voalohan’ny volana faha-11, tamin’ny taona faha-40,+ dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Israelita* izay rehetra nasain’i Jehovah nolazaina tamin’izy ireo.  Tamin’izay i Mosesy efa avy nandresy an’i Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, ilay nipetraka tany Hesbona, sy Oga+ mpanjakan’i Basana, ilay nipetraka tany Astarota, tany Edrehy.+  Tao amin’ny faritr’i Jordana, any Moaba, i Mosesy no nanazava an’izao Lalàna+ izao:  “Hoy i Jehovah Andriamanitsika tamintsika tany Horeba: ‘Efa ela ihany izay ianareo no nijanona teo amin’io faritra be tendrombohitra io.+  Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita+ sy ny faritra rehetra manodidina, izany hoe Araba+ sy ny faritra be tendrombohitra, Sefela, Negeba, ary ny morontsiraka.+ Mandehana any amin’ireo tanin’ny Kananita ireo, hatrany Libàna*+ sy ilay renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata.+  Efa nataoko io alohanareo io ilay tany. Midira ao dia alaivo ho anareo izy io. Io ilay tany nianianan’i Jehovah tamin’ny razambenareo, dia tamin’i Abrahama sy Isaka+ ary Jakoba+ hoe homeny azy ireo sy ny taranany.’+  “Hoy aho taminareo tamin’izay: ‘Tsy vitako irery ny mitondra anareo.+ 10  Efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo nihabetsaka ianareo, ka izao ianareo lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra.+ 11  Enga anie i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo hampitombo ny isanareo+ ho avo arivo heny noho izao, ka hitahy anareo araka izay nampanantenainy anareo!+ 12  Mavesatra sady mafy be amiko ny mitondra anareo sy mandamina ny adinareo, koa ahoana no hahavitako irery an’izany?+ 13  Mifidiana àry lehilahy hendry sy malina ary za-draharaha eo amin’ny fokonareo, mba hotendreko ho lehibenareo.’+ 14  Dia hoy ianareo tamiko: ‘Tsara izany asainao ataonay izany.’ 15  Koa nalaiko ireo lehiben’ny fokonareo ireo, dia lehilahy hendry sy za-draharaha, ka notendreko ho lehibenareo, izany hoe lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, lehiben’ny folo, ary mpifehy ny fokonareo.+ 16  “Izao no nampianariko ny mpitsaranareo tamin’izay: ‘Rehefa misy adin’ny rahalahinareo entiny eo aminareo, dia tsarao araka ny rariny+ izay manana ady amin’ny rahalahiny, na amin’ny vahiny miara-monina aminy.+ 17  Aza miangatra rehefa mitsara,+ fa henoy sahala amin’ny lehibe ihany ny madinika.+ Aza matahotra olona,+ fa an’Andriamanitra ny fitsarana.+ Raha misy raharaha sarotra loatra aminareo, dia ento atỳ amiko, fa izaho no hihaino an’izany.’+ 18  Natoroko anareo daholo koa tamin’izay ny zavatra rehetra tokony hataonareo. 19  “Dia niala tany Horeba isika, araka ny didy nomen’i Jehovah Andriamanitsika, ka nandeha namakivaky an’ilay tany efitra lehibe sady mampahatahotra.+ Hitanareo io tany efitra io tamin’isika teny an-dalana ho any amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita.+ Farany, dia tonga tao Kadesi-barnea isika.+ 20  Dia hoy aho taminareo: ‘Tonga eto amin’ity faritra be tendrombohitra misy ny Amorita ity ianareo, ary homen’i Jehovah Andriamanitsika antsika izy ity. 21  Efa nomen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity tany ity. Koa miakara dia alaivo ho anareo izy io, araka ny tenin’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo taminareo.+ Aza matahotra na mihorohoro.’ 22  “Nanatona ahy daholo anefa ianareo, ka niteny hoe: ‘Andao isika haniraka olona handeha mialoha antsika. Dia hasaintsika hijery taratra an’ilay tany izy, ka hanao tatitra atỳ amintsika hoe aiza ny lalana tokony harahintsika ary tanàna hoatran’ny ahoana no ho hitantsika.’+ 23  Dia hitako hoe tsara ilay hevitra, ka nifidy 12 lahy teo aminareo aho, izany hoe iray isaky ny foko.+ 24  Koa lasa ry zareo niakatra ho any amin’ilay faritra be tendrombohitra,+ ary tonga tany amin’ny Lohasahan’i* Eskola, ka nitsikilo an’ilay tany. 25  Dia nakan-dry zareo ny vokatr’ilay tany, ka nentiny tany amintsika. Ary nanao tatitra tamintsika ry zareo hoe: ‘Tsara ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitsika antsika.’+ 26  Tsy nety niakatra anefa ianareo, fa nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 27  Dia nimenomenona foana ianareo tao an-tranolainareo, hoe: ‘Halan’i Jehovah isika matoa nentiny nivoaka avy tany Ejipta, mba hatolony ho eo am-pelatanan’ny Amorita dia haringan’izy ireo. 28  Koa inona no mbola handehanantsika any amin’izany toerana izany? Efa nampihorohoro ny fontsika* mantsy ny rahalahintsika+ rehefa nilaza hoe: “Vaventy sy lava noho isika ry zareo. Lehibe koa ny tanànany sady misy manda manakatra ny lanitra.*+ Hitanay tany koa ny taranaky ny Anakita.”’+ 29  “Dia hoy aho taminareo: ‘Aza mihorohoro noho ny aminy na matahotra azy.+ 30  Fa handeha eo alohanareo i Jehovah Andriamanitrareo ary hiady ho anareo,+ hoatran’ny efa hitanareo nataony tany Ejipta.+ 31  Hitanareo tany an-tany efitra koa fa tahaka ny fitondran’ny olona an-janany no nitondran’i Jehovah Andriamanitrareo anareo, na taiza na taiza nalehanareo mandra-pahatonganareo teto.’ 32  Mbola tsy nino an’i Jehovah Andriamanitrareo ihany anefa ianareo,+ na teo aza izany rehetra izany. 33  Nandeha teo alohanareo anefa izy teny an-dalana, mba hitady toerana hitobianareo. Nasehony hoe teo aminareo izy, ka afo no nampiasainy rehefa alina ary rahona rehefa antoandro, amin’izay dia hitanareo ny lalana tokony halehanareo.+ 34  “Henon’i Jehovah daholo ny teninareo tamin’izay, dia tezitra izy ka nianiana hoe:+ 35  ‘Tsy hisy amin’ity taranaka ratsy fanahy ity na iray aza hahita an’ilay tany tsara, izay nianianako homena ny razambenareo,+ 36  afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone. Hahita azy io izy ary homeko azy sy ny taranany ilay tany nandehanany, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo*+ izy. 37  Tezitra tamiko mihitsy koa aza i Jehovah noho ny nataonareo, ka niteny hoe: “Ianao koa tsy hiditra any,+ 38  fa i Josoa zanak’i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao,+ no hiditra any.’+ Ampaherezo* izy,+ fa izy no hitarika ny Israely handova an’ilay tany.” 39  Ary ny zanakareo izay nolazainareo hoe ho lasa babo,+ sy ny zanakareo izay mbola tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy akory, dia ireo no hiditra any. Homeko an-dry zareo ilay tany, ka ho lasany.+ 40  Fa ianareo kosa, miverena dia mankanesa any an-tany efitra, ka ilay lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena no araho.’+ 41  “Dia hoy ianareo tamiko: ‘Efa nanota tamin’i Jehovah izahay. Hiakatra hiady izao izahay, araka ny baiko nomen’i Jehovah Andriamanitsika!’ Dia samy nitondra ny fitaovam-piadianareo avy ianareo, ary nieritreritra hoe ho mora ny hiakatra an’ilay tendrombohitra.+ 42  Hoy anefa i Jehovah tamiko: ‘Lazao amin’izy ireo hoe: “Aza miakatra hiady fa tsy hanampy anareo aho.+ Raha miakatra any ianareo, dia ho resin’ny fahavalonareo.”’ 43  Dia niteny taminareo aho nefa tsy nohenoinareo. Nikomy tsy nanaraka ny baikon’i Jehovah kosa ianareo, dia sahisahy ratsy niakatra tany an-tendrombohitra ihany. 44  Kanjo nivoaka hiady taminareo ny Amorita nipetraka tany amin’ilay tendrombohitra, ka nanenjika anareo toy ny tantely, dia nanaparitaka anareo tany Seira ka hatrany Horma. 45  Koa niverina ianareo ka nitomany teo anatrehan’i Jehovah. Tsy nihaino anareo anefa i Jehovah sady tsy niraharaha anareo. 46  Dia izany no nahatonga anareo hipetraka ela be tany Kadesy.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
Azo inoana hoe ny Tandavan-tendrombohitra Libàna.
Na: “Lalan-driakan’i.”
Abt: “nahatonga ny fontsika hitsonika.”
Izany hoe manda avo be.
Abt: “tamin’ny fomba feno.”
Na mety hoe “Nampaherezin’Andriamanitra.”