Deoteronomia 16:1-22

  • Paska; Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (1-8)

  • Fetin’ireo Herinandro (9-12)

  • Fetin’ny Trano Rantsankazo (13-17)

  • Fanendrena mpitsara (18-20)

  • Aza manao tsato-kazo sy tsangambato masina (21, 22)

16  “Tsarovy foana ny volana Abiba* ary ankalazao ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitrao,+ satria tamin’ny volana Abiba i Jehovah Andriamanitrao no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, tamin’ny andro alina.+  Any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah hametrahana ny anarany+ ianao no tokony hamono ny biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah Andriamanitrao,+ dia biby avy amin’ny ondry aman’osy sy omby.+  Aza mihinana zavatra misy lalivay miaraka amin’ilay izy.+ Mofo tsy misy lalivay no tokony hohaninao mandritra ny fito andro, hoatran’ilay nohaninao tamin’ianao niala haingana be tany Ejipta.+ Amin’izay dia hotsaroanao ny fijalianao tany, ary tsy hohadinoinao mihitsy ilay andro nanafahana anao tany.+  Tsy tokony hahitana lalivay ao aminao, sy ao amin’ny taninao rehetra, mandritra ny fito andro.+ Ary tsy tokony hisy hotehirizina mandra-paharainan’ny andro ny hena hataonao sorona amin’ny harivan’ny andro voalohany.+  Tsy izay tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao dia azonao amonoana ny biby hatao fanatitra hankalazana ny Paska.  Any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany kosa ianao no tokony hanao an’izany. Amin’ny hariva vao maty masoandro+ ianao no tokony hamono an’ilay biby hatao fanatitra hankalazana ny Paska, amin’ny fotoana voatondro mifanitsy amin’ilay fotoana nivoahanao avy tany Ejipta.  Atonoy dia hano+ any amin’ilay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao+ ilay biby hatao sorona. Mahazo mody any amin’ny tranolainao ianao avy eo, rehefa maraina.  Enina andro ianao no tokony hihinana mofo tsy misy lalivay. Ary hisy fivoriambe makotrokotroka ho an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny andro fahafito. Koa aza manao asa, na inona izany na inona.+  “Hanisa fito herinandro ianao, dia hanomboka hanisa an’ireo fito herinandro ireo, amin’ny andro voalohany hampiasanao antsim-bary mba hijinjana ny vokatra eny an-tsaha.+ 10  Dia ankalazao ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny Fetin’ireo Herinandro,+ ka ento eny an-tananao ny fanatitra an-tsitrapo, arakaraka ny fitahiana omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 11  Ary hifaly eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao, any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany.+ Hifaly any koa ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita ao an-tanànanao,* ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminao. 12  Tadidio fa andevo tany Ejipta ianao,+ ka ankatoavy sy araho ireo fitsipika ireo. 13  “Tokony hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo*+ ianao mandritra ny fito andro, rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao. 14  Ary hifaly mandritra ny fety+ ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena ao an-tanànanao. 15  Mandritra ny fito andro ianao no hankalaza an’ilay fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah. Hotahin’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ny vokatrao rehetra sy izay rehetra ataonao,+ ka ho faly be ianao.+ 16  “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny: Amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ sy ny Fetin’ireo Herinandro,+ ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.*+ Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah. 17  Be dia be ny fitahiana omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka tokony ho arakaraka izany ny fanomezana hoentin’ny tsirairay.+ 18  “Manendre mpitsara+ sy mpifehy ny foko tsirairay ao amin’ny tanàna* rehetra homen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Ary hitsara araka ny rariny izy ireo. 19  Aza mamadika ny rariny,+ na miangatra,+ na mandray kolikoly. Manajamba ny mason’ny hendry+ sady mamadika ny tenin’olo-marina mantsy ny kolikoly. 20  Ny rariny ihany no tena tokony hataonao,+ mba ho velona ianao ka ho lasanao ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao. 21  “Aza mamboly hazo hatao tsato-kazo masina*+ eo akaikin’ilay alitara ataonao ho an’i Jehovah Andriamanitrao, na hazo inona izany na hazo inona. 22  “Aza manao tsangambato masina ho anao koa,+ fa zavatra halan’i Jehovah Andriamanitrao izany.

Fanamarihana

Abt: “anatin’ny vavahadinao.”
Na: “Fialokalofana Tsy Maharitra.”
Na: “Fialokalofana Tsy Maharitra.”
Abt: “ao anatin’ny vavahadinao.”
Jereo F.T.