Deoteronomia 19:1-21

  • Izay meloka ho nandatsa-dra; tanàna fialokalofana (1-13)

  • Tsy azo akisaka ny marika mamaritra ny tany (14)

  • Vavolombelona eny amin’ny fitsarana (15-21)

    • Vavolombelona roa na telo no ilaina (15)

19  “Rehefa aringan’i Jehovah Andriamanitrao ny firenena tompon’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka efa azonao ny tanin’izy ireo, ary efa mipetraka ao amin’ny tanànany sy ny tranony ianao,+  dia tokony hanokana tanàna telo ianao, ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao.+  Tokony hozarainao telo ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Amboary ny lalana mankany amin’ireo tanàna ireo, mba ho afaka handositra any amin’ny iray amin’ireo izay nahafaty olona.  “Izao no tokony hataon’izay namono olona ka mahazo mandositra any mba tsy ho faty: Raha nahafaty olona tsy nahy izy nefa tsy nankahala an’ilay olona,+  ohatra hoe tamin’izy niaraka tamin’ilay olona haka kitay tany anaty ala, dia nanainga famaky izy mba hikapa hazo, nefa niala tamin’ny tahony ny lelan’ilay famaky ka nahavoa an’ilay olona ary maty ilay olona, dia tokony handositra any amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo izy mba tsy ho faty.+  Raha tsy izany mantsy, dia hanenjika azy ny mpamaly ra,+ raha iny mbola tezitra be iny.* Ary ho tratran’ilay mpamaly ra izy satria lavitra be ny lalana mankany amin’ilay tanàna, ka hovonoiny ho faty. Tsy mendrika ny ho faty anefa izy satria tsy hoe nankahala an’ilay olona izy talohan’izay.+  Izany no antony andidiako anao hoe: ‘Manokàna tanàna telo.’  “Raha itarin’i Jehovah Andriamanitrao ny taninao, araka izay nianianany tamin’ny razambenao,+ ary omeny anao daholo ilay tany nampanantenainy hoe homena ny razambenao+  —raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny didy rehetra omeko anao anio ianao, ka tia an’i Jehovah Andriamanitrao sy mandeha foana amin’ny lalana atorony+—dia ampio tanàna telo hafa ireo tanàna telo ireo.+ 10  Amin’izay dia tsy hisy ran’olona tsy manan-tsiny ho latsaka+ eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, ary tsy ho meloka ho nandatsa-dra ianao.+ 11  “Fa raha misy kosa nankahala olona+ ary efa nandrasany ilay olona dia noratrainy ka maty, ary avy eo izy nandositra tany amin’ny iray amin’ireo tanàna ireo, 12  dia hampiantso azy avy any ny anti-panahy ao an-tanànany, ka hanolotra azy eo am-pelatanan’ny mpamaly ra, dia tsy maintsy hovonoina ho faty izy.+ 13  Tsy tokony hiantra azy ianao,* fa esory eo amin’ny Israely ny heloka vokatry ny fandatsahana ran’olona tsy manan-tsiny.+ Amin’izay dia handeha tsara ny fiainanao. 14  “Rehefa azonao ny lovanao ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho fanananao, dia aza akisaka amin’izay efa nametrahan’ny razambenareo azy ny marika mamaritra ny tanin’ny namanao.+ 15  “Raha vavolombelona iray ihany, dia tsy mahazo miampanga* olon-kafa hoe nanao diso na nanota.+ Ny tenin’ny* vavolombelona roa na telo no ahazoana antoka hoe mitombina ny zavatra iray.+ 16  Raha misy vavolombelona mitetika ny hanao ratsy ka miampanga olon-kafa hoe nanao ratsy,+ 17  dia hijoro eo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy manana ady, izany hoe eo anatrehan’ny mpisorona sy ny mpitsara miasa amin’izany fotoana izany.+ 18  Dia hanadihady tsara ireo mpitsara ireo,+ ka raha vavolombelona mandainga ilay miampanga, sady nanendrikendrika an’ilay rahalahiny, 19  dia tokony hataonao aminy izay noeritreretiny hatao amin’ilay rahalahiny.+ Esory eo aminao ny ratsy.+ 20  Dia haheno an’izany ny olon-kafa rehetra ka hatahotra, dia tsy hisy hanao zava-dratsy hoatr’izany intsony eo aminao.+ 21  Tsy tokony hiantra azy ianao,*+ fa aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, ary tongotra ho solon’ny tongotra.+

Fanamarihana

Abt: “satria mafana ny fony.”
Abt: “ny masonao.”
Abt: “mitsangana hanohitra.”
Abt: “vavan’ny.”
Abt: “ny masonao.”