Deoteronomia 2:1-37

  • Nirenireny tany an-tany efitra 38 taona (1-23)

  • Resy i Sihona mpanjakan’i Hesbona (24-37)

2  “Dia nivily nankany an-tany efitra isika. Ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena no narahintsika, araka ny tenin’i Jehovah tamiko.+ Ary nandeha teny amin’ny manodidina ny Tendrombohitra Seira isika, nandritra ny andro maro.  Dia hoy i Jehovah tamiko:  ‘Efa ela izay ianareo no nandeha nanodidina an’io tendrombohitra io, ka mandehana mianavaratra.  Ary lazao amin’ny vahoaka ilay didy hoe: “Izao ianareo dia handalo any akaikin’ny sisin-tanin’ny rahalahinareo, dia ny taranak’i Esao,+ izay mipetraka any Seira.+ Hatahotra anareo izy ireo,+ nefa mitandrema tsara.  Aza mila ady aminy, fa tsy hisy homeko anareo ny taniny na dia eram-paladia aza. Efa nomeko ho an’i Esao mantsy ny Tendrombohitra Seira.+  Tokony haloanareo vola izay sakafo hohaninareo, ary tokony hovidinareo aminy koa ny rano hosotroinareo.+  Fa nitahy anareo i Jehovah Andriamanitrareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantany tsara fa nandeha namakivaky an’ity tany efitra lehibe ity ianareo. Nanampy anareo foana i Jehovah Andriamanitrareo nandritra an’izay 40 taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianareo.”’+  Nandalo teny akaikin’ireo rahalahintsika àry isika, izany hoe teny akaikin’ny taranak’i Esao,+ izay mipetraka any Seira, ary nanalavitra an’ilay lalana mankany Araba sy Elata ary Eziona-gebera.+ “Dia nivily isika ka nandeha tamin’ny lalana mankany an-tany efitr’i Moaba.+  Hoy i Jehovah tamiko avy eo: ‘Aza mila vaniny na miady amin’ny Moabita, fa tsy hisy homeko ho anareo ny taniny. Efa nomeko ho an’ny taranak’i Lota+ mantsy i Ara. 10  Ny Emima+ no nipetraka tany taloha. Natanjaka izy ireo sady be dia be, ary lava ranjanana hoatran’ny Anakita. 11  Ny Refaima+ koa hoatran’ny Anakita,+ ka nantsoin’ny Moabita hoe Emima. 12  Ny Horita+ no nipetraka tany Seira taloha. Naka ny tanin’izy ireo anefa ny taranak’i Esao dia nandringana azy. Dia ny taranak’i Esao indray no nipetraka tany,+ hoatran’ny hataon’ny Israely amin’ilay tany homen’i Jehovah ho azy ireo. 13  Mandehana àry miampita ny Lohasahan’i* Zareda.’+ Koa niampita an’ilay lohasaha isika. 14  Ary naharitra 38 taona ny diantsika avy tany Kadesi-barnea ka hatramin’ny niampitantsika an’ilay Lohasahan’i* Zareda. Nandeha teny foana isika mandra-paharipak’ilay taranaka manontolo, dia ny lehilahy mpiady rehetra tao an-toby, araka izay efa nianianan’i Jehovah taminy.+ 15  Namely azy ireo ny tanan’i Jehovah mba handringanana azy, mandra-paharipany.+ 16  “Rehefa maty daholo ny lehilahy mpiady rehetra teo amin’ny vahoaka,+ 17  dia hoy indray i Jehovah tamiko: 18  ‘Izao ianao dia handalo ny faritr’i Moaba, izany hoe Ara. 19  Rehefa mandalo eny akaikin’ny Amonita ianao, dia aza mila vaniny na mila ady aminy. Fa tsy hisy homeko ho anao ny taniny, satria efa nomeko ho an’ny taranak’i Lota izany.+ 20  Noheverin’ny olona hoe tanin’ny Refaima koa izy io.+ Ny Refaima mantsy taloha no nipetraka tao, ary nantsoin’ny Amonita hoe Zamzomita izy ireo. 21  Natanjaka sady be dia be izy ireo, ary lava ranjanana hoatran’ny Anakita.+ Naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny Amonita anefa ry zareo. Koa noroahin’ny Amonita izy ireny, ary ny Amonita indray no nipetraka teo amin’ny taniny. 22  Izany no nataon’Andriamanitra ho an’ny taranak’i Esao, izay mipetraka any Seira.+ Naringany tsy ho eo anatrehan’izy ireo mantsy ny Horita,+ dia amin’izay lasan’izy ireo ny taniny ka izy ireo indray no mipetraka any hatramin’izao. 23  Ny Avita kosa nipetraka tao amin’ny tanàna kely hatrany Gaza.+ Nandringana azy ireo anefa ny Kaftorima+ avy tany Kaftora,* ka izy ireo indray no nipetraka tao amin’ny tanànany. 24  “‘Mitsangàna, dia mandehana miampita ny Lohasahan’i* Arnona.+ Efa hataoko resinao i Sihona+ Amorita mpanjakan’i Hesbona. Dia alaivo ho anao ny taniny, ary miadia aminy. 25  Ary manomboka izao dia hataoko mihorohoro sy matahotra anao ny olona rehetra eny ambanin’ny lanitra, rehefa maheno ny momba anao. Dia hitebiteby sy hihorohoro* izy ireo noho ny aminao.’+ 26  “Ary naniraka olona avy any an-tany efitr’i Kedemota+ aho hankany amin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona, mba hiteny aminy hoe mitady fihavanana+ isika, ka hilaza hoe: 27  ‘Mba avelao aho handalo ao amin’ny taninao. Amin’ny lalambe ihany aho no handeha fa tsy hivily hiankavanana na hiankavia.+ 28  Izay sakafo hamidinao amiko ihany no hohaniko, ary izay rano hamidinao amiko ihany no hosotroiko. Fa avelao fotsiny aho handalo ao amin’ny taninao. 29  Ny taranak’i Esao mipetraka any Seira sy ny Moabita any Ara koa mantsy namela ahy handalo tao amin’ny taniny, mandra-piampitako ny Reniranon’i Jordana mba ho any amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitray anay.’ 30  Tsy namela antsika handalo tao amin’ny taniny anefa i Sihona mpanjakan’i Hesbona. Navelan’i Jehovah Andriamanitrareo hiziriziry amin’ny heviny+ sy hanamafy ny fony mantsy izy, satria tiany ho resinao. Dia izany tokoa izao no mitranga.+ 31  “Dia hoy i Jehovah tamiko: ‘Efa nomeko anao i Sihona sy ny taniny. Koa alaivo ho anareo ny taniny.’+ 32  Rehefa nivoaka hiady tamintsika tao Jahaza i Sihona sy ny vahoakany manontolo,+ 33  dia nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika ry zareo. Dia resintsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany manontolo. 34  Azontsika daholo ny tanànany tamin’izay fotoana izay, ka noravantsika tanteraka ny tanàna tsirairay, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Tsy nasiantsika niangana izy ireo na iray aza.+ 35  Ny biby fiompy sy ny fananana ihany no nalaintsika ho babo tao amin’ireo tanàna resintsika. 36  Nanomboka tany Aroera,+ eo amin’ny sisin’ny Lohasahan’i* Arnona, sy ny tanàna eo amin’ilay lohasaha, ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy resintsika. Nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika daholo izy rehetra.+ 37  Ianao anefa tsy nanakaiky ny tanin’ny Amonita,+ dia ny sisiny rehetra amin’ny Lohasahan’i* Jaboka,+ sy ireo tanàna ao amin’ny faritra be tendrombohitra. Tsy nanakaiky an’izay toerana nandraran’i Jehovah Andriamanitsika antsika koa ianao.

Fanamarihana

Na: “Lalan-driakan’i.”
Na: “Lalan-driakan’i.”
Izany hoe Kreta.
Na: “Lalan-driakan’i.”
Na: “hanaintaina toy ny mihetsi-jaza.”
Na: “Lalan-driakan’i.”
Na: “Lalan-driakan’i.”