Deoteronomia 28:1-68

  • Hotahina raha mankatò (1-14)

  • Ho voaozona raha tsy mankatò (15-68)

28  “Raha tena mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka mankatò ny didiny rehetra omeko anao androany, dia tena hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambony noho ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.+  Ary ho tonga aminao sady hahatratra anao ireto fitahiana rehetra ireto,+ satria ianao mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao foana:  “Hotahina ianao ao an-tanàna, ary hotahina koa any an-tsaha.+  “Hotahina ny zanakao+ sy ny vokatry ny taninao ary ny zanaky ny biby fiompinao, na ny zanak’ombinao izany na ny zanak’ondrinao.+  “Hotahina ny haronao+ sy ny vilia famolavolanao koba.+  “Hotahina ianao rehefa miditra, ary hotahina rehefa mivoaka.  “Hataon’i Jehovah resinao izay fahavalo miady aminao.+ Lalana iray no handehanany rehefa hanafika anao izy, fa lalana fito kosa no handosirany anao.+  Hamoaka didy koa i Jehovah hoe hotahina ny trano fitehirizam-bokatrao+ sy izay rehetra ataonao, ka tena hotahiny tokoa ianao eo amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao.  Hataon’i Jehovah vahoaka masina ho an’ny tenany ianao,+ araka izay nianianany taminao,+ satria ankatoavinao foana ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, sady arahinao ny lalana atorony. 10  Dia ho hitan’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany fa antsoina amin’ny anaran’i Jehovah ianao,+ ka hatahotra anao izy ireo.+ 11  “Ary hataon’i Jehovah lasa be dia be ny zanakao sy ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao,+ eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah tamin’ny razambenao hoe homena anao.+ 12  Hosokafan’i Jehovah ho anao ny lanitra, izay fitehirizany vokatra be dia be, ka handatsaka orana ara-potoana eo amin’ny taninao izy+ sady hitahy an’izay rehetra ataonao. Dia hampindrana zavatra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hindrana.+ 13  Hataon’i Jehovah lohany ianao fa tsy rambony. Ary ho eny amin’ny fara tampony ianao,+ fa tsy ho eny amin’ny farany ambany, raha ankatoavinao foana ny didin’i Jehovah Andriamanitrao, dia ny didy omeko anao androany mba hankatoavinao sy hotanterahinao. 14  Araho foana ny teny rehetra andidiako anareo androany, ka aza mivily miankavanana na miankavia.+ Aza manaraka andriamani-kafa na manompo an’ireny.+ 15  “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+ 16  “Ho voaozona ianao ao an-tanàna, ary ho voaozona any an-tsaha.+ 17  “Ho voaozona ny haronao+ sy ny vilia famolavolanao koba.+ 18  “Ho voaozona ny zanakao+ sy ny vokatry ny taninao ary ny zanak’ombinao sy ny zanak’ondrinao.+ 19  “Ho voaozona ianao rehefa miditra, ary ho voaozona rehefa mivoaka. 20  “Hozonin’i Jehovah ianao amin’izay rehetra ataonao ka hataony misahotaka sady hosaziny, mandra-pahalany ringana anao sy mandra-paharipaka anao haingana. Nanao ratsy foana mantsy ianao sady nahafoy ahy.+ 21  Hataon’i Jehovah miraikitra aminao ny aretina, mandra-pandripak’Andriamanitra anao tanteraka eo amin’ilay tany halainao ho anao.+ 22  Hataon’i Jehovah voan’ny tioberkilaozy sy ny fanaviana mahery+ ary ny hoditra mitera-mena ianao, sady hataony miakatra be ny hafananao. Hasiany amin’ny sabatra+ koa ianao, ary hataony mainan’ny rivotra mahamay sy tratran’ny aretin-javamaniry+ ny volinao. Dia hanenjika anao ireo mandra-paharipaka anao. 23  Hohidiako ny lanitra eo ambony lohanao mba tsy handatsaka orana, ary hataoko tsy mamokatra ny tany eo ambany tongotrao.*+ 24  Fasika sy vovoka no ranonorana harotsak’i Jehovah avy any an-danitra eo amin’ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. 25  Hataon’i Jehovah resin’ny fahavalonao ianao.+ Lalana iray no handehananao rehefa hanafika azy ireo ianao, fa lalana fito kosa no handosiranao azy. Hihorohoro ny fanjakana rehetra eran-tany rehefa mahita an’izay manjo anao.+ 26  Ho lasa sakafon’ny voro-manidina rehetra eny amin’ny lanitra sy ny bibidia ny fatinao, nefa tsy hisy hampatahotra an’ireny biby ireny ka hampandositra azy.+ 27  “Hasian’i Jehovah amin’ny vain’i Ejipta sy ny hemoroida sy ny aretin-koditra mitera-mena ary ny aretin-koditra mibontsimbontsina ianao, ka tsy ho sitrana amin’ireny mihitsy. 28  Ary hataon’i Jehovah lasa adala sy jamba+ ianao, ary mikorontan-tsaina.* 29  Hitsapatsapa ianao amin’ny mitataovovonana, hoatran’ny jamba mitsapatsapa ao anaty haizina,+ ka tsy hahomby daholo izay hataonao. Dia hisy hanambaka sy handroba foana ianao, nefa tsy hisy hamonjy.+ 30  Hanana fofombady ianao, saingy hisy lehilahy hanolana azy. Hanamboatra trano ianao, nefa tsy hipetraka ao,+ ary hamboly voaloboka, nefa tsy hisantatra ny vokatra.+ 31  Hovonoina eo imasonao ny ombinao, nefa ianao tsy mba hihinana ny henany. Hisy hangalatra eo imasonao ny ampondranao, nefa tsy haverina aminao. Homena ho an’ny fahavalonao ny ondrinao, nefa tsy hisy hamonjy anao. 32  Homena ho an’ny firenen-kafa ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ ary ho hitanao mihitsy izany. Halahelo azy ireo foana ianao amin’izay, saingy tsy ho afa-manoatra. 33  Hohanin’ny firenen-kafa tsy fantatrao ny vokatry ny taninao sy ny zavatra vokarinao rehetra.+ Ary hisy hanambaka sy hampijalijaly foana ianao. 34  Ho lasa adala ianao noho ny zavatra hitan’ny masonao. 35  “Hasian’i Jehovah amin’ny vay mampanaintaina be sady tsy mety sitrana ianao, eo amin’ny lohalikao sy ny tongotrao, ary hatrany an-tampon-dohanao ka hatrany am-paladianao. 36  Horoahin’i Jehovah hankany amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razambenao ianao sy ny mpanjaka apetrakao hitondra anao.+ Rehefa any ianao dia hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra vato aman-kazo.+ 37  Dia hihorohoro daholo ny firenena rehefa mahita an’izay manjo anao, ary hesoesoiny sy hataony fihomehezana* ianao, any amin’ny firenena rehetra hitondran’i Jehovah anao.+ 38  “Be dia be ny voa hoentinao hafafy any an-tsaha, saingy kely ny vokatra hangoninao,+ satria ho lanin’ny valala izany. 39  Hamboly voaloboka sy hikarakara an’ilay izy ianao, saingy tsy hisotro divay na dia kely aza sady tsy hioty na inona na inona,+ satria ho lanin’ny kankana izany. 40  Hanana hazo oliva ianao manerana ny taninao, nefa tsy hihosotra menaka satria hihintsana ny olivanao. 41  Hiteraka zanakalahy sy zanakavavy ianao, saingy tsy ho anao foana izy ireo satria ho lasa babo.+ 42  Ho rakotra bibikely mifanaretsaka* ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao. 43  Ary hisondrotra ho ambony kokoa noho ianao foana ny vahiny mipetraka eo aminao, fa ianao kosa hietry ho ambany kokoa foana. 44  Hampindrana zavatra anao izy, fa ianao kosa tsy mba hampindrana azy.+ Izy ho lohany, fa ianao kosa ho rambony.+ 45  “Ho tanteraka aminao ireo ozona rehetra ireo,+ ary hanenjika anao ka hahatratra anao mandra-pahalany ringana anao.+ Tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ianao ka tsy nankatò ny didiny sy ny lalàny nandidiany anao.+ 46  Ho tanteraka aminao sy ny taranakao foana ireo, ka ho famantarana sy anatra mandrakizay,+ 47  satria ianao tsy mba falifaly sy ravoravo rehefa nanompo an’i Jehovah Andriamanitrao, nefa ianao nanan-javatra be dia be.+ 48  Halefan’i Jehovah hiady aminao ny fahavalonao, dia hanompo an’ireny ianao+ nefa ianao noana+ sy mangetaheta, sady zara raha mitafy sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao. 49  “Hisy firenena avy any lavitra, avy any amin’ny faran’ny tany,+ hampirisihin’i Jehovah hiady aminao. Hifaoka tampoka toy ny voromahery ilay firenena.+ Fiteny tsy ho azonao no ampiasainy,+ 50  ary masiaka be ny endriny ka tsy hiantrany ny antitra sady tsy horaharahiany ny tanora.+ 51  Hohanin’izy ireo ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao, mandra-pahalany ringana anao. Tsy hisy havelany ho anao na varimbazaha, na divay vaovao, na menaka, na zanak’omby, na zanak’ondry, mandra-pandringany tanteraka anao.+ 52  Hataony fahirano ianao ka hohidiany ao amin’ny tanànanao* rehetra manerana ny taninao, mandra-pirodan’ny mandanao, dia ireo manda avo sy voaro mafy itokisanao. Hataony fahirano tokoa ianao ao amin’ny tanànanao rehetra manerana an’ilay tany omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ 53  Dia hohaninao ny zanaka nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao. Hohaninao tokoa ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,+ satria ho mafy be ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ianao. 54  “Na ny lehilahy miaingitraingitra sy sarotsarotiny indrindra eo aminao aza tsy hiantra ny rahalahiny sy ny vady malalany ary ny zanany sisa miangana. 55  Tsy hisy hozarainy amin’izy ireo ny nofon-janany izay hohaniny, satria tsy manana na inona na inona intsony izy. Ho mafy be mantsy ilay fahirano sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao.+ 56  Ary ny vehivavy miaingitraingitra sy sarotsarotiny eo aminao, izay tsy te hanitsaka ny tany amin’ny faladiany akory fa miaingitraingitra be,+ dia tsy hiantra ny vady malalany na ny zanany lahy na ny zanany vavy, 57  satria tsy tiany homena azy ireo ny tavòny mivoaka avy eo anelakela-peny sy ny zaza naterany. Hohaniny mangingina mantsy ny zaza naterany sy ny tavòniny, satria ho mafy be ilay fahirano, sady hataon’ny fahavalonao mijalijaly ny olona ao an-tanànanao. 58  “Raha tsy arahinao tsara ny teny rehetra ao amin’ny Lalàna voasoratra ato amin’ity boky ity,+ ary tsy atahoranao ilay anarana be voninahitra sy mendrika hatahorana,+ izany hoe ny anaran’i Jehovah+ Andriamanitrao, 59  dia hasian’i Jehovah amin’ny loza mahery vaika ianao sy ny taranakao,+ dia loza lehibe sady maharitra, ary aretina mampijalijaly sady tsy mety sitrana. 60  Ary haveriny aminao ireny aretina rehetra tany Ejipta natahoranao ireny, ka tsy hiala aminao mihitsy. 61  Na ny aretina sy ny loza rehetra tsy voasoratra ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity koa aza hataon’i Jehovah mamely anao, mandra-pahalany ringana anao. 62  Na dia maro be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra aza ianareo,+ dia ho lasa vitsy kely sisa,+ satria tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrareo. 63  “Faly erỳ i Jehovah taloha rehefa nataony nandeha tsara ny fiainanareo sady nataony lasa be dia be ianareo. Dia hoatr’izany koa fa ho faly i Jehovah handringana anareo sy handripaka anareo. Fa hesorina hiala eo amin’ilay tany efa halainareo ho anareo ianareo. 64  “Ary haparitak’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra ianao, hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray,+ ka any ianao no hanompo andriamanitra vato aman-kazo, izay tsy fantatrao sy ny razambenao.+ 65  Tsy hiadana mihitsy ianao any amin’ireo firenena ireo,+ sady tsy hahita toerana hametrahanao ny faladianao. Hataon’i Jehovah mitebiteby ny fonao any,+ sady ho reraka ny masonao ary ho kivy be ianao.+ 66  Tena hatahorana ny ainao, ary hihorohoro andro aman’alina ianao, ka tsy hanampo ny ho velona intsony. 67  Amin’ny maraina dia hilaza ianao hoe: ‘Raha mba alina mantsy ny andro!’, ary amin’ny alina indray hilaza hoe: ‘Raha mba maraina mantsy ny andro!’ Fa hatahotra be ny fonao noho izay ho hitan’ny masonao. 68  Ary hoentin’i Jehovah an-tsambo hiverina any Ejipta ianao, amin’ilay lalana efa nolazaiko taminao hoe: ‘Tsy hahita an’io lalana io intsony ianareo.’ Hivarotra ny tenanareo amin’ny fahavalonareo ianareo any, mba ho lasa andevolahy sy andevovavy, saingy tsy hisy mpividy.”

Fanamarihana

Abt: “Ho varahina ny lanitra eo ambony lohanao, ary ho vy ny tany eo ambaninao.”
Na: “ary mitebiteby be ny fonao.”
Abt: “sy ho lasa ohabolana.”
Na: “manana elatra misamonimonina.”
Abt: “anatin’ny vavahadinao.”