Deoteronomia 33:1-29

  • Nitso-drano ny Israelita i Mosesy (1-29)

    • Ny sandrin’i Jehovah maharitra mandrakizay (27)

33  Izao no tsodrano nolazain’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, rehefa nitso-drano ny Israelita izy talohan’ny nahafatesany.+  Hoy izy: “Tonga avy any Sinay i Jehovah,+Ary avy tao Seira izy no namirapiratra teo amin’izy ireo. Namirapiratra sy be voninahitra izy, avy tao amin’ny faritra be tendrombohitr’i Parana.+Nisy anjely masina an’alinaliny niaraka taminy,+Ary teo ankavanany ny miaramilany.+   Tena tiany ny vahoakany.+Eo an-tananao daholo ny olo-masin’izy ireo.+ Nipetraka teo an-tongotrao izy ireo,+Dia nohenoiny ny teninao.+   Nanome lalàna antsika i Mosesy,+Ho fananan’ny fiangonan’i Jakoba.+   Lasa mpanjaka teo amin’i Jesorona* Andriamanitra,+Rehefa nivory ny lohandohany teo amin’ny vahoaka,+Sy ny foko rehetra teo amin’ny Israely.+   Aleo i Robena ho velona fa tsy ho faty,+Ary enga anie mba tsy hihavitsy ny lehilahy eo aminy!”+  Izao no tsodrano nolazainy momba an’i Joda:+ “Henoy ny feon’i Joda, Jehovah ô,+Ary enga anie ianao hamerina azy any amin’ny vahoakany! Ny sandriny no niarovany ny* fananany.Enga anie ianao hanampy azy hamely ny fahavalony!”+  Hoy izy momba an’i Levy:+ “An’ilay tsy mivadika aminao+ ny Tomimanao sy ny Orimanao,+An’ilay notsapainao toetra tany Masa.+ Niady taminy ianao* teo akaikin’ilay rano tao Meriba,+   Dia tamin’ilay lehilahy niteny tamin’ny ray aman-dreniny hoe: ‘Tsy raharahiako ianareo.’ Na ny rahalahiny aza tsy nekeny,+Ary tsy noraharahiany ny zanany. Fa nanaraka ny teninao izy ireo,Ary nohajainy foana ny fifanekena nataonao taminy.+ 10  Aleo hampianariny an’i Jakoba ny didim-pitsaranao,+Ary hampianariny an’i Israely ny Lalànao.+ Aleo izy ireo hanolotra emboka manitra mba ho hanitra mahafinaritra anao,*+Ary hanolotra fanatitra mba hodorana manontolo eo amin’ny alitaranao.+ 11  Tahio ny heriny, Jehovah ô!Ary enga anie hahafinaritra anao ny asan’ny tanany! Ataovy torotoro ny tongotr’izay* mitsangana hiady aminy,Mba tsy ho tafarina intsony izay mankahala azy.” 12  Hoy indray izy momba an’i Benjamina:+ “Aleo ilay malalan’i Jehovah hipetraka tsy hanana ahiahy eo akaikiny,Ary izy hanome fialofana azy mandritra ny andro manontolo.Hipetraka eo anelanelan’ny sorony izy.” 13  Hoy izy momba an’i Josefa:+ “Enga anie hotahin’i Jehovah ny taniny,+Ka hahazo ny zavatra tena tsara avy any an-danitra,Dia ando sy rano avy any amin’ny loharano any ambany any,+ 14  Zavatra tena tsara entin’ny masoandro,Vokatra tsara azo isam-bolana,+ 15  Ny zavatra tsara indrindra avy amin’ny tendrombohitra efa nisy hatrizay,*+Zavatra tena tsara eny amin’ny havoana efa teo hatry ny ela, 16  Ny zavatra tena tsara avy amin’ny tany sy izay rehetra eo aminy,+Ary ny fankasitrahan’Ilay mipetraka ao amin’ny voarointsilo.+ Enga anie izy ireny ho eo an-dohan’i Josefa,Dia ho eo an-tampon-dohan’ilay nosinganina tamin’ny rahalahiny!+ 17  Ny voninahiny dia hoatran’ny voninahitry ny ombilahy nateraka voalohany,Ary tandrok’ombidia ny tandrony. Hanoto ny vahoaka amin’ireny izy,Ka hatosiny hatrany amin’ny faran’ny tany izy rehetra. Ireny no alinalin’i Efraima,+Sady arivoarivon’i Manase.” 18  Hoy izy momba an’i Zebolona:+ “Mifalia, ry Zebolona, noho ny varotra ataonao any ivelany,Ary ianao, ry Isakara, mifalia ao an-tranolainao.+ 19  Hantsoin’izy ireo ho any an-tendrombohitra ny vahoaka, Ka any izy ireo no hanao sorona araka ny fahamarinana. Fa haka amin’ny* harem-be any an-dranomasina izy ireo,Sady haka amin’ny harena miafina ao amin’ny fasika.” 20  Hoy kosa izy momba an’i Gada:+ “Hotahina ilay manitatra ny sisin-tanin’i Gada.+ Mamitsaka hoatran’ny liona izy,Ka vonona hamiravira sandry, sy hamiravira tampon-doha mihitsy aza. 21  Hifidy ny ampahany tsara indrindra izy,+Satria io no anjara natokan’ny mpanao lalàna homena azy.+ Hiara-mivory ny lohandohany eo amin’ny vahoaka. Izay rariny amin’i Jehovah no hampihariny,Ary hampihariny amin’ny Israely ny didim-pitsarany.” 22  Hoy izy momba an’i Dana:+ “Zana-diona i Dana.+ Hitsambikina avy ao Basana izy.”+ 23  Hoy indray izy momba an’i Naftaly:+ “Voky fankasitrahana i Naftaly,Ary tototry ny fitahian’i Jehovah. Alaivo ho anao ny tany any andrefana sy ny any atsimo.” 24  Ary hoy izy momba an’i Asera:+ “Hotahina i Asera ka hahazo zanakalahy. Enga anie izy mba hankasitrahan’ny rahalahiny,Ary enga anie izy hanatsoboka* ny tongony ao anaty menaka! 25  Vy sy varahina ny hidim-bavahadinao,+Ary ho voaro tsara ianao mandritra ny androm-piainanao.* 26  Tsy misy hoatran’ilay Andriamanitr’i+ Jesorona,+Izay mamakivaky ny lanitra mba hanampy anao,Sady mitaingina rahona amin’ny voninahiny lehibe.+ 27  Fialofana hatramin’ny taloha ela be Andriamanitra,+Ary hanohana anao ny sandriny maharitra mandrakizay.+ Horoahiny hiala eo anatrehanao ny fahavalo,+Sady hiteny izy hoe: ‘Aringano ireny!’+ 28  Hilamina ny tanin’i Israely,Ary ho voaro ny lavadranon’i Jakoba,Eo amin’ny tany be varimbazaha sy divay vaovao,+Ary hitete ando ny lanitra eo amboniny.+ 29  Sambatra ianao, ry Israely ô!+ Iza moa no tahaka anao,+Izay vahoaka mahazo famonjena avy amin’i Jehovah,+Dia Ilay ampinga miaro anao,+Sy Ilay sabatrao be voninahitra? Hatahotra anao ny fahavalonao ka hihemotra,+Fa ianao kosa hanitsaka ny lamosiny.”*

Fanamarihana

Midika hoe “Olona Manao Izay Mahitsy.” Anaram-boninahitra niantsoana ny Israely izy io.
Na: “no niady ho an’ny.”
Andriamanitra no tiana horesahina amin’ny hoe “ianao” eto.
Abt: “ny oronao.”
Na: “andilan’izay.”
Na mety hoe “tendrombohitra any atsinanana.”
Abt: “hitsentsitra ny.”
Na: “hampandro.”
Abt: “ho toy ny andronao ny herinao.”
Na mety hoe “ny toerany avo.”