Deoteronomia 7:1-26

  • Firenena fito tsy maintsy haringana (1-6)

  • Ny antony nifidianana ny Israely (7-11)

  • Hahazo fitahiana raha mankatò (12-26)

7  “Rehefa ampidirin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa halainao ho anao ianao,+ dia horoahiny hiala eo aminao koa ireto firenena be mponina ireto:+ Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita,+ ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+  Ary hatolotr’i Jehovah Andriamanitrao eo am-pelatananao ireny ka ho resinao.+ Tsy maintsy haringanao tanteraka izy ireny.+ Aza manao fifanekena aminy na miantra azy.+  Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+  Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+  “Fa izao kosa no hataonareo amin’ireny: Arodano ny alitarany, potipoteho ny tsangambatony masina,+ kapao ny tsato-kazony masina,*+ ary dory ny sary sokitra ivavahany.+  Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo, ary nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.*+  “Tsy hoe satria ianareo no maro an’isa indrindra amin’ny firenena rehetra dia miraiki-po aminareo sy nifidy anareo i Jehovah.+ Ianareo tsinona no vitsy indrindra amin’ny firenena rehetra.+  Fa tia anareo kosa i Jehovah sady nanaja an’ilay fianianana nataony tamin’ny razambenareo.+ Dia izany no nahatonga an’i Jehovah hampiasa ny herin-tsandriny mba hitondrana anareo sy hanavotana anareo avy tany amin’ilay toerana nanandevozana anareo,+ dia avy teo ambany fahefan’i* Farao mpanjakan’i Ejipta.  Fantatrao tsara fa i Jehovah Andriamanitrao no tena Andriamanitra, ilay Andriamanitra mendri-pitokisana sady manaja ny fifanekena nataony. Tena tia an’izay tia azy sy izay mankatò ny didiny koa izy sady tsy mba mivadika amin’izy ireny mihitsy, na dia hatrany amin’ny taranaka faharivo aza.+ 10  Izay mankahala azy kosa hovaliany ka haringany.+ Tsy hiandry ela izy rehefa hanasazy an’izay mankahala azy, fa hataony hitan’izy ireo tsara ny hamaliany azy. 11  Tandremo tsara àry ny didy sy ny fitsipika ary ny didim-pitsarana andidiako anao anio, dia ankatoavy izy ireny. 12  “Raha mihaino an’izany didim-pitsarana izany foana ianareo ka manaraka tsara sy mankatò azy ireny, dia hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrareo ilay fifanekena nataony, ary ho tia anareo sy tsy hivadika aminareo izy, araka ilay fianianana nataony tamin’ny razambenareo. 13  Dia ho tia sy hitahy anao tokoa izy, ary hataony lasa be dia be ianao. Tena hotahiny tokoa ianao ka hataony lasa be dia be ny zanakao,+ ny vokatry ny taninao, ny varimbazahanao, ny divainao vaovao, ny menakao,+ ny zanak’ombinao, ary ny zanak’ondrinao, any amin’ilay tany nianianany tamin’ny razambenao hoe homena anao.+ 14  Ianao no hotahina indrindra amin’ny firenena rehetra.+ Hanan-janaka daholo na ny lehilahy na ny vehivavy eo aminao, na ny biby fiompinao.+ 15  Hesorin’i Jehovah eo aminao ny aretina rehetra. Ary hataony tsy misy mahazo anao ny aretina faran’izay ratsy efa fantatrao tany Ejipta.+ Fa izay rehetra mankahala anao kosa no hataony voan’izany. 16  Tokony haringanao* daholo ny firenena rehetra hataon’i Jehovah Andriamanitrao resinao.+ Aza miantra azy ianao*+ ary aza manompo ny andriamaniny,+ fa ho fandrika ho anao izany.+ 17  “Raha mieritreritra ianao hoe: ‘Betsaka lavitra noho izahay ireo firenena ireo, ka ho vitanay ve ny handroaka an’ireo?’,+ 18  dia aza matahotra azy.+ Tadidio foana izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Farao sy Ejipta manontolo,+ 19  dia ny sazy* lehibe efa hitan’ny masonao, ny famantarana sy fahagagana+ nataon’i Jehovah Andriamanitrao, ny tanana matanjaka sy herin-tsandry nampiasainy mba hitondrana anao hivoaka avy tany.+ Hoatr’izany no hataon’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra atahoranao.+ 20  Hataon’i Jehovah Andriamanitrao koa izay hahakivy* azy ireny, mandra-pahafatin’izay sisa tavela+ sy izay niafina anao. 21  Aza mihorohoro noho ny amin’ireny, fa manampy anao i Jehovah Andriamanitrao,+ ilay Andriamanitra tena miavaka sy mendrika hatahorana.+ 22  “Horoahin’i Jehovah Andriamanitrao hiala tsikelikely eo anatrehanao ireny firenena ireny.+ Tsy mahazo mandringana azy ao anatin’ny fotoana fohy anefa ianao, sao ho lasa be dia be ny bibidia ka ho laniny ianao. 23  Hanolotra azy ireny eo am-pelatananao i Jehovah Andriamanitrao ka handresy azy tanteraka, mandra-paharipaka an’ireny.+ 24  Dia hataony resinao ny mpanjakany,+ ka hofoananao etỳ ambanin’ny lanitra ny anaran’ireny.+ Tsy hisy hahavita hanohitra anao,+ mandra-pandringanao tanteraka an’ireny.+ 25  Tokony hodoranareo ny sary sokitra ataony andriamanitra.+ Aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena eo amin’ireny, na maka an’izany ho anao,+ sao ho voafandrik’izany ianao. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao mantsy izany.+ 26  Aza mitondra zava-maharikoriko ho ao an-tranonao, sao haringana hoatr’izany zavatra izany koa ianao. Tokony haharikoriko tanteraka anao izany sady ho tena halanao, satria zavatra voatokana haringana.

Fanamarihana

Na: “Aza mifanambady.”
Jereo F.T.
Na: “sarobidy.”
Abt: “teo an-tanan’i.”
Abt: “harapakao.”
Abt: “ny masonao.”
Na: “fitsapan-toetra.”
Na mety hoe “hampatahotra; hampihorohoro.”