Ho An’ny Efesianina 1:1-23

  • Fiarahabana (1, 2)

  • Fitahiana ara-panahy (3-7)

  • Hangonina ho ao amin’i Kristy daholo ny zava-drehetra (8-14)

    • “Fitantanan-draharaha” amin’ny fotoana voatondro (10)

    • Nasiana tombo-kase tamin’ny fanahy masina, izay “antoka mialoha” (13, 14)

  • Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly satria nino ny Efesianina; nivavaka ho azy ireo (15-23)

1  Avy amin’i Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra. Ho an’ny olona masina any Efesosy,+ izay tsy mivadika sady tafaray amin’i Kristy Jesosy,  Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sady hanome fiadanana anareo!  Hoderaina anie ilay Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika! Fa omeny fitahiana ara-panahy be dia be any amin’ny faritry ny lanitra isika, noho isika tafaray amin’i Kristy.+  Nifidy antsika izy talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, mba ho tafaray amin’i Kristy isika, ka ho be fitiavana sy masina ary tsy misy tsiny+ eo anatrehan’Andriamanitra.  Efa notendreny mialoha mantsy isika+ mba hatsangany ho zanany+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony.+  Amin’izay dia hidera azy ny olona noho izy be voninahitra sy naneho hatsaram-panahy miavaka+ tamintsika, sady tsara fanahy rehefa naneho an’izany tamin’ny alalan’ilay malalany.+  Io Zanany io no nampiasaina mba hanafahana antsika amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, ka nahazoantsika famelan-keloka+ noho ny rany.+ Tena lehibe mantsy ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra.  Be dia be izany hatsaram-panahy miavaka nasehony tamintsika izany, sady nomeny ny fahendrena sy ny fahiratan-tsaina* rehetra koa isika,  rehefa nampahafantariny antsika ilay zava-miafina masina+ momba ny sitrapony. Mahafinaritra azy izany zava-miafina izany, sady mifanaraka amin’ilay fikasany, 10  dia ny hoe hanisy fitantanan-draharaha* rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Amin’izay dia hangonina ho ao amin’i Kristy daholo ny zava-drehetra, izany hoe ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.+ 11  Tafaray aminy izahay sady nofidina mba ho mpiara-mandova aminy.+ Izahay mantsy efa notendrena mialoha araka ny fikasan’Ilay manatanteraka ny zava-drehetra araka izay tiany sy mifanaraka amin’ny sitrapony. 12  Amin’izay dia hanome voninahitra sy hidera an’Andriamanitra izahay, fa izahay no voalohany nanantena an’i Kristy. 13  Nanantena azy koa anefa ianareo rehefa avy naheno ny tenin’ny fahamarinana, dia ny vaovao tsara momba ny famonjena anareo. Ary rehefa nino ianareo, dia nasiana tombo-kase+ tamin’ilay fanahy masina nampanantenaina, ka i Kristy no nampiasain’Andriamanitra hanao an’izany. 14  Io fanahy masina io no antoka mialoha* fa hahazo an’ilay lova isika.+ Tian’Andriamanitra hafahana amin’ny alalan’ny vidim-panavotana+ mantsy ny vahoakany,+ mba hoderaina sy homena voninahitra Izy. 15  Noho izany, rehefa henoko hoe lasa mino an’i Jesosy Tompo ianareo, sady maneho fitiavana amin’ny olona masina rehetra, 16  dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra aho noho ny aminareo. Mivavaka ho anareo foana koa aho 17  mba hanome anareo ny fanahiny ilay Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain’ny voninahitra. Dia amin’izay ianareo hanam-pahendrena sady hahazo ny dikan’izay zavatra aharihariny, ka hahafantatra tsara azy.+ 18  Nataony mahiratra ny mason’ny fonareo, mba ho fantatrareo ilay fanantenana nomeny anareo tamin’izy niantso anareo. Amin’izay koa ho fantatrareo hoe be voninahitra ilay harena tehiriziny ho lovan’ny olona masina,+ 19  ary faran’izay lehibe ilay hery omeny antsika mpino.+ Hita hoe lehibe izany heriny izany rehefa ampiasainy. 20  Io hery io no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nametrahany azy teo ankavanany+ any amin’ny faritry ny lanitra. 21  Nasandrany izy ka nataony ambony lavitra noho izay fanjakana sy fahefana sy hery sy fitondrana ary anarana rehetra,+ tsy eto amin’izao tontolo izao* ihany, fa any amin’ilay ho avy koa. 22  Nasainy nanaiky an’i Kristy koa ny zava-drehetra ka nataony eo ambany tongony.+ Ary nataony lohan’ny zavatra rehetra izy ao amin’ny fiangonana,+ 23  izany hoe ny vatany.+ Feno ny zava-drehetra momba azy ny fiangonana, ary izy no mameno ny zava-drehetra.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “fahaiza-misaina.”
Na: “ny hoe hitantana raharaha.”
Na: “vodiondrim-barotra; antoka ho an’ny hoavy.”
Na: “tsy amin’izao vanim-potoana izao.” Jereo F.T.