Eksodosy 24:1-18

  • Nanaiky hanaja fifanekena ny vahoaka (1-11)

  • Mosesy teny amin’ny Tendrombohitra Sinay (12-18)

24  Dia hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amin’i Jehovah ianao sy Arona, Nadaba sy Abiho,+ ary 70 lahy anisan’ny anti-panahin’ny Israely, ka miankohofa eny lavidavitra.  I Mosesy irery no tokony hanatona an’i Jehovah, fa ny hafa kosa tsy tokony hanatona. Ary tsy tokony hiakatra miaraka amin’i Mosesy ny vahoaka.”+  Dia nankany amin’ny vahoaka i Mosesy mba hilaza ny tenin’i Jehovah rehetra sy ny didim-pitsarana rehetra.+ Ary niara-niteny ny vahoaka hoe: “Vonona hanao an’izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”+  Koa nosoratan’i Mosesy ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.+ Dia nifoha maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototr’ilay tendrombohitra, sady nanangana tsangambato 12 mitovy amin’ny isan’ireo foko 12 teo amin’ny Israely.  Taorian’izay, dia nisy tovolahy israelita maromaro nirahiny hanolotra fanatitra dorana sady hamono omby hatao sorona iombonana+ ho an’i Jehovah.  Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty vilia baolina, ary ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.  Ary noraisiny ny bokin’ny fifanekena ka novakiny mafy tamin’ny vahoaka.+ Dia hoy izy ireo: “Vonona hanao an’izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay, ary hankatò azy.”+  Koa noraisin’i Mosesy ny ra ary nafafiny teny amin’ny vahoaka+ sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo, mifanaraka amin’izany teny rehetra izany.”+  Niakatra nankany an-tendrombohitra i Mosesy sy Arona, Nadaba sy Abiho, ary ireo 70 lahy anisan’ny anti-panahin’ny Israely. 10  Dia hitan’izy ireo ny Andriamanitry ny Israely.+ Teo ambany tongony dia nisy toy ny rarivato vita tamin’ny safira, ary toy ny lanitra manga tena madio no fahitana an’ilay izy.+ 11  Tsy nataony na inona na inona ireo lehilahy nanan-kaja teo amin’ny Israely ireo.+ Nahita an’ilay tena Andriamanitra tao amin’ny fahitana izy ireo sady nihinana sy nisotro. 12  Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Miakara atỳ amiko atỳ an-tendrombohitra ary mijanòna atỳ. Dia homeko anao ireo takela-bato, ary hosoratako eo ny lalàna sy ny didy hampianarina ny vahoaka.”+ 13  Koa nitsangana i Mosesy sy Josoa mpanompony,+ ary i Mosesy no niakatra nankany amin’ny tendrombohitr’ilay tena Andriamanitra.+ 14  Hoy anefa izy tamin’ireo anti-panahy: “Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo.+ Ireo i Arona sy Hora+ miaraka aminareo, ka afaka manatona an-dry zareo izay manana raharaha hotsaraina.”+ 15  Dia niakatra nankany an-tendrombohitra i Mosesy, raha mbola nanarona an’ilay tendrombohitra ny rahona.+ 16  Nijanona teo amin’ny Tendrombohitra Sinay+ ny voninahitr’i Jehovah.+ Ary nanarona an’ilay tendrombohitra ilay rahona nandritra ny enina andro. Dia niantso an’i Mosesy avy tao afovoan’ilay rahona izy, tamin’ny andro fahafito. 17  Rehefa nitazana ny Israelita, dia toy ny afo miredareda teo an-tampon’ilay tendrombohitra no fahitan’izy ireo ny voninahitr’i Jehovah. 18  Dia niditra tao anaty rahona i Mosesy ary nanohy niakatra an’ilay tendrombohitra.+ Ary nijanona 40 andro sy 40 alina teny amin’ilay tendrombohitra i Mosesy.+

Fanamarihana