Eksodosy 31:1-18

  • Mpanao asa tanana ho feno fanahin’Andriamanitra (1-11)

  • Sabata: Famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny Israely (12-17)

  • Takela-bato roa (18)

31  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:  “Nifidy* an’i Bezalila+ zanak’i Ory, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda, aho.+  Dia hofenoiko ny fanahiko i Bezalila, ka homeko fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana asa tanana isan-karazany.  Amin’izay izy dia ho afaka hanao zava-kanto, hanefy volamena sy volafotsy ary varahina,  hanefy vatosoa hatao ao anaty tranotranony,+ ary hanao taozavatra isan-karazany vita amin’ny hazo.+  Ary hanendry an’i Oholiaba+ zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, aho mba hanampy azy. Omeko fahendrena izay rehetra manan-talenta,* mba ho afaka hanao an’izay rehetra nandidiako anao,+  dia ny tranolay fihaonana,+ ny Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona+ sy ny saron’ilay Vata,+ ny fitaovana rehetra ho an’ny tranolay,  ny latabatra+ sy ny fitaovana miaraka aminy, ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy,+ ny alitara fandoroana emboka manitra,+  ny alitara fanaovana fanatitra dorana+ sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny kovetabe sy ny tongony,+ 10  ny akanjo tsara tenona, ny akanjo masina ho an’i Arona mpisorona, ny akanjon’ireo zanany lahy mba hanaovan’izy ireo ny asan’ny mpisorona,+ 11  ny menaka masina fanosorana, ary ny emboka manitra ho an’ny toerana masina.+ Hanao an’izay rehetra nandidiako anao izy ireo.” 12  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: 13  “Mitenena amin’ny Israelita hoe: ‘Tandremo tsara ny sabatako+ satria izany no famantarana eo amiko sy aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba hahafantaranareo fa izaho Jehovah no manamasina anareo. 14  Tandremo ny Sabata, satria masina aminareo izany.+ Na iza na iza manazimbazimba azy io dia hovonoina ho faty. Ary raha misy olona miasa amin’io andro io, dia haringana tsy ho anisan’ny fireneny izy.+ 15  Enina andro no azo iasana, fa sabata fitsaharana tanteraka kosa ny andro fahafito.+ Masina amin’i Jehovah ny Sabata, ka tsy maintsy hovonoina ho faty izay miasa amin’io andro io. 16  Tsy maintsy tandreman’ny Israelita ny Sabata. Tsy maintsy mitandrina ny Sabata izy ireo hatramin’ny taranany fara aman-dimby. Fifanekena maharitra ela be izany. 17  Famantarana maharitra eo amiko sy amin’ny vahoakan’Israely izany.+ Enina andro mantsy no nanaovan’i Jehovah ny lanitra sy ny tany, dia nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito ary afa-po.’”*+ 18  Vao vita ny resak’izy sy Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny takela-bato roa misy ny Tenin’ny Vavolombelona,+ izany hoe ny takela-bato nosoratan’ny rantsantanan’Andriamanitra.+

Fanamarihana

Abt: “Niantso tamin’ny anarany.”
Abt: “Asiako fahendrena ao am-pon’izay manana fo hendry.”
Abt: “niala sasatra.”