Eksodosy 33:1-23

  • Anatra nomen’Andriamanitra (1-6)

  • Tranolay fihaonana teo ivelan’ny toby (7-11)

  • Nangataka ny hahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy (12-23)

33  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Mandehana miala eto ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy tany Ejipta. Ary mankanesa any amin’ilay tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: ‘Ny taranakao no homeko azy io.’+  Haniraka anjely eo alohanao aho,+ sady handroaka ny Kananita, ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.+  Miakara any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.+ Tsy handeha hiaraka aminareo anefa aho satria vahoaka mafy loha* ianareo,+ ka sao dia handringana anareo eny an-dalana aho.”+  Hoatran’ny nivoaham-paty ny vahoaka rehefa naheno an’izany teny henjana izany, ka tsy nisy nihaingo.  Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Teneno ny Israelita hoe: ‘Vahoaka mafy loha* ianareo!+ Azoko atao ny mankeny amin’izay misy anareo ka mandringana anareo, ao anatin’ny indray mipy maso monja.+ Koa aza mihaingo aloha ianareo, fa mbola mandinika an’izay hataoko aminareo aho.’”  Koa tsy nihaingo* ny Israelita nanomboka teo amin’ny Tendrombohitra Horeba.  Ary nalain’i Mosesy ny tranolainy ka natsangany teny ivelan’ny toby, somary lavidavitra. Dia nantsoiny hoe tranolay fihaonana izy io. Ary izay olona nanontany an’i Jehovah,+ dia nankeny amin’ilay tranolay fihaonana teny ivelan’ny toby.  Raha vao nankeny amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nitsangana daholo ny olona ary nankeo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy. Ary tany aminy foana ny mason’izy ireo, mandra-piditr’i Mosesy tao amin’ilay tranolay.  Vao tafiditra tao amin’ilay tranolay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona+ ka nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay raha mbola niresaka tamin’i Mosesy Andriamanitra.+ 10  Rehefa hitan’ny rehetra hoe nijanona teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay ny andry rahona, dia samy niankohoka teo amin’ny fidirana amin’ny tranolainy avy izy ireo. 11  Niresaka nifanatrika tamin’i Mosesy i Jehovah,+ hoatran’ny olona roa mifampiresaka. Rehefa niverina nankany an-toby i Mosesy, dia tsy niala tao amin’ilay tranolay i Josoa+ zanak’i Nona. Mpanompon’i Mosesy izy io sady mpanampy azy.+ 12  Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Ianao miteny amiko hoe: ‘Ento miakatra ity vahoaka ity’, nefa tsy nampahafantarinao ahy hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny koa ianao hoe: ‘Fantatro tsara ianao* sady ankasitrahako.’ 13  Koa raha mahazo sitraka aminao àry aho, dia ampahafantaro ahy re ny lalanao e,+ mba hahafantarako anao sy hahazoako sitraka aminao foana! Tsarovy koa fa vahoakanao ity firenena ity.”+ 14  Koa niteny izy hoe: “Izaho mihitsy* no hiaraka aminao,+ ary hataoko milamin-tsaina ianao.”+ 15  Dia hoy i Mosesy taminy: “Aza entina miakatra hiala eto izahay, raha tsy ianao mihitsy* no miaraka aminay. 16  Ahoana moa no hahafantarana fa mahazo sitraka aminao izaho sy ny vahoakanao? Tsy rehefa mandeha miaraka aminay ve ianao?+ Amin’izay dia hiavaka amin’ny firenena hafa rehetra etỳ ambonin’ny tany izaho sy ny vahoakanao.”+ 17  Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hataoko koa izany zavatra angatahinao izany, satria mankasitraka anao aho sady mahalala tsara anao.”* 18  Dia niteny i Mosesy hoe: “Mba asehoy ahy re ny voninahitrao e!” 19  Fa hoy ny navaliny: “Hampandaloviko eo anatrehanao ny hatsaran-toetrako rehetra, ary holazaiko aminao ilay anarako hoe Jehovah.+ Dia hankasitraka an’izay tiako hankasitrahana aho, ary hamindra fo amin’izay tiako hamindrana fo.”+ 20  Hoy koa anefa izy: “Tsy afaka mahita ny tarehiko ianao, satria tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona.” 21  Niteny koa i Jehovah hoe: “Misy toerana eto akaikiko, dia mijanòna eo ambony vatolampy. 22  Hataoko eo an-tsefatsefaky ny vatolampy ianao rehefa mandalo ny voninahitro, ary hotakonako amin’ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23  Hesoriko ny tanako avy eo, ka ny lamosiko no ho hitanao. Fa ny tarehiko kosa tsy azo jerena.”+

Fanamarihana

Abt: “mafy hatoka.”
Abt: “mafy hatoka.”
Abt: “nanaisotra ny haingony.”
Abt: “Fantatro amin’ny anaranao ianao.”
Abt: “Ny tarehiko.”
Abt: “raha tsy ny tarehinao.”
Abt: “mahalala anao amin’ny anaranao.”