Estera 10:1-3

  • Nanana toerana ambony i Mordekay (1-3)

10  Nasain’i Ahasoerosy Mpanjaka nanao asa an-terivozona ny olona tao amin’ilay tany sy tany amin’ireo nosin-dranomasina.  Tsy efa voasoratra ao amin’ny boky misy ny tantara tamin’ny andron’ny+ mpanjakan’i Media sy Persa+ daholo ve ny asa lehibe sy miavaka nataony? Tsy efa voasoratra ao koa ve ny tsipiriany rehetra tamin’ny nanomezan’ny mpanjaka voninahitra+ an’i Mordekay?+  I Mordekay Jiosy mantsy no nanarakaraka an’i Ahasoerosy Mpanjaka. Nanana toerana ambony teo amin’ny Jiosy rahalahiny rehetra izy, ary nohajain’izy ireo. Nanao soa ho an’ny fireneny koa izy, sady nitady izay hahasoa* ny taranak’izy ireo rehetra.

Fanamarihana

Abt: “niresaka momba ny fiadanan’ny.”