Estera 2:1-23

  • Nitadiavana solony i Vasty (1-14)

  • Lasa vadin’ny mpanjaka i Estera (15-20)

  • Noresahin’i Mordekay hoe nisy nitetika hamono ny mpanjaka (21-23)

2  Taorian’izany, rehefa tsy tezitra intsony i Ahasoerosy Mpanjaka,+ dia tsaroany ny nataon’i Vasty+ sy ny sazy nampiharina taminy.+  Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka: “Tokony hitadiavana tovovavy virjiny tsara tarehy ny mpanjaka.  Aleo ny mpanjaka manendry solontena any amin’ny faritany rehetra ao amin’ny fanjakany,+ ary ireo kosa hanangona ny tovovavy virjiny tsara tarehy rehetra mba hatao ao amin’ny tranom-behivavy, ato an-dapan’i* Sosana.* Dia aleo i Hegay+ tandapan’ny mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy no hiandraikitra an’ireo tovovavy ireo, ary tokony hokarakaraina tsara ry zareo hanatsarana ny bika aman’endriny.*  Dia izay tovovavy tena mahafinaritra ny mpanjaka no ho vadin’ny mpanjaka hisolo an’i Vasty.”+ Nahafaly ny mpanjaka ilay soso-kevitra, ka narahiny.  Nisy lehilahy jiosy iray atao hoe Mordekay+ tao an-dapan’i* Sosana.*+ Izy dia zanak’i Jaira, zanak’i Simey, zanak’i Kisy Benjaminita,+  sady anisan’ireo nentina avy tany Jerosalema ka natao sesitany niaraka tamin’i Jekonia*+ mpanjakan’ny Joda, izay nentin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tany an-tsesitany.  I Mordekay no nitaiza* an’i Hadasa,* izany hoe Estera, satria kamboty ray sy reny ilay tovovavy. Zanaky ny rahalahin-drain’i Estera i Mordekay,+ ary noraisiny ho zanany ilay tovovavy, rehefa maty ny rainy sy ny reniny. Sady tsara bika izy no tsara tarehy.  Rehefa nolazaina tamin’ny vahoaka ny didin’ny mpanjaka sy ny lalàny, dia be dia be ny tovovavy nangonina tao an-dapan’i* Sosana.* Anisan’ireo vehivavy nentina tao amin’ny tranon’ny* mpanjaka ireo koa i Estera. I Hegay,+ mpiambina ny vehivavy, no niandraikitra azy ireo.  Ary nahafinaritra an’i Hegay ilay tovovavy, ka tsara fanahy taminy* izy. Tonga dia nasainy nokarakaraina tsara i Estera mba hanatsarana ny bika aman’endriny,*+ sady nasainy nomena sakafo manokana izy. Nanendry tovovavy fito nofantenana avy tao an-tranon’ny mpanjaka koa i Hegay mba hikarakara an’i Estera. Dia nafindrany tany amin’ny toerana tsara indrindra tao amin’ny tranom-behivavy izy sy ireo tovovavy mpanampy azy. 10  Tsy niteniteny momba ny fireneny+ na ny havany anefa i Estera, satria efa notenenin’i Mordekay+ mba tsy hilaza an’izany na amin’iza na amin’iza.+ 11  Ary nandalondalo teo alohan’ny tokotanin’ny tranom-behivavy foana i Mordekay isan’andro, mba hahalalany hoe manao ahoana i Estera, ary hoatran’ny ahoana ny fiainany ao. 12  Nifandimby nankao amin’i Ahasoerosy Mpanjaka ny tovovavy tsirairay, rehefa tapitra ny 12 volana nikarakarana ny bika aman’endriny. Izany mantsy no fotoana tsy maintsy nikarakarana an’ireo vehivavy ireo mba hanatsarana ny bika aman’endriny.* Enim-bolana izy niotra tamin’ny menaka miora,+ ary enim-bolana niotra tamin’ny menaka balsama+ sy menaka samihafa fikarakarana sy fanatsarana bika aman’endrika. 13  Vonona hankao amin’ny mpanjaka ilay tovovavy taorian’izay. Dia nomena azy izay rehetra nangatahiny, rehefa niala tao amin’ny tranom-behivavy* izy ka nankao amin’ny tranon’ny mpanjaka. 14  Nankao izy ny takariva, fa niverina tany amin’ny trano faharoa nisy ny vehivavy* kosa rehefa maraina. I Sasegaza, tandapan’ny+ mpanjaka sady mpiambina ny vadikeliny, no niandraikitra azy ireo. Tsy nankao amin’ny mpanjaka intsony izy raha tsy hoe tena nahafinaritra ny mpanjaka angaha, ka nampanantsoiny indray.+ 15  Anjaran’i Estera amin’izay ny niditra tao amin’ny mpanjaka. Izy ilay zanak’i Abihaila dadatoan’i Mordekay, fa noraisin’i Mordekay ho zanany.+ Tsy nangataka na inona na inona i Estera, afa-tsy izay nolazain’i Hegay tandapan’ny mpanjaka sady mpiambina ny vehivavy. Ary tsara fanahy tamin’i Estera izay rehetra nahita azy. 16  Nentina tao an-dapan’i Ahasoerosy Mpanjaka i Estera, tamin’ny volana fahafolo, izany hoe ny volana Tebeta,* tamin’ny taona fahafito+ nanjakany. 17  Ary tian’ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra i Estera. Izy no nahafinaritra azy sy nankasitrahany* mihoatra noho ireo virjiny rehetra. Dia napetrany teo an-dohan’i Estera ny diadema,* ary nataony solon’i Vasty izy ka lasa vadin’ny mpanjaka.+ 18  Ary nanao fanasambe ho an’ny andrianany sy ny mpanompony rehetra ny mpanjaka, ho fanomezam-boninahitra an’i Estera. Nilaza koa izy hoe hasiana famotsoran-keloka any amin’ireo faritany. Nanao fanomezana foana araka izay nananany koa izy. 19  Nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka i Mordekay, rehefa novorina fanindroany ireo virjiny.*+ 20  Ary tsy niteniteny momba ny havany na ny fireneny i Estera,+ araka ny tenin’i Mordekay taminy. Nanao an’izay nolazain’i Mordekay foana izy, hoatran’ny nataony tamin’izy mbola notezainy.+ 21  Tamin’izany fotoana izany, tamin’i Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ny mpanjaka, dia tezitra i Bigtana sy Taresy, tandapan’ny mpanjaka sady mpiandry varavarana, ka nanao tetika hamonoana* an’i Ahasoerosy Mpanjaka. 22  Lasa fantatr’i Mordekay anefa ilay tetika, ka tonga dia nolazainy tamin’i Estera vadin’ny mpanjaka. I Estera indray niresaka tamin’ny mpanjaka, tamin’ny anaran’i Mordekay.* 23  Dia nisy fanadihadiana natao ka fantatra fa tena nisy tokoa ilay tetika. Nahantona teo amin’ny tsato-kazo àry izy roa lahy. Dia nosoratana tao amin’ny boky mirakitra ny tantara daholo izany, teo anatrehan’ny mpanjaka.+

Fanamarihana

Na: “eto amin’ny tanàna voaro mafy eto.”
Na: “Sosa.”
Na: “tokony hisy olona hanotra ry zareo.”
Na: “Sosa.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Antsoina hoe Joiakina, ao amin’ny 2Mp 24:8.
Na: “nikarakara.”
Midika hoe “Mirta.” Zavamaniry ny mirta.
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Na: “lapan’ny.”
Na: “nasainy nisy nanotra i Estera.”
Na: “tia azy sy tsy nivadika taminy.”
Na: “nanorana an’ireo vehivavy ireo.”
Tranon’ireo vady na vadikelin’ny mpanjaka.
Na: “tranom-behivavy faharoa.”
Na: “tiany sady nanehoany tsy fivadihana.”
Izany hoe karazana satroka lamba nanaovan’ny vadin’ny mpanjaka.
Na: “tovovavy.”
Abt: “hikasihan-tanana.”
Na: “ho an’i Mordekay.”