Estera 3:1-15

  • Nomen’ny mpanjaka toerana ambony i Hamana (1-4)

  • Nitetika handripaka ny Jiosy i Hamana (5-15)

3  Taorian’izany, dia nomen’i Ahasoerosy Mpanjaka toerana ambony i Hamana+ zanak’i Hamedota Agagita.+ Nasandrany izy, ka nataony ambony kokoa noho ny an’ny andriana hafa rehetra ny toerany.*+  Dia niondrika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana daholo ny mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahady, satria izany no baikon’ny mpanjaka. I Mordekay kosa tsy nety niondrika na niankohoka.  Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka teo am-bavahady tamin’i Mordekay: “Maninona ianao no tsy miraharaha ny baikon’ny mpanjaka?”  Nanontany an’izany isan’andro izy ireo, nefa tsy nohenoiny mihitsy. Nilaza tamin’izy ireo koa i Mordekay hoe Jiosy izy.+ Niresaka tamin’i Hamana àry izy ireo, dia nanontany azy raha mbola holeferina ihany na tsia ny fihetsik’i Mordekay.+  Ary hitan’i Hamana fa tsy nety niondrika na niankohoka teo anatrehany i Mordekay, ka romotra be izy.+  Tena tsy tiany anefa raha i Mordekay irery no hovonoina.* Efa nisy niresaka taminy mantsy hoe inona ny firenena niavian’i Mordekay. Nitady hevitra àry izy mba handripahana ny Jiosy rehetra, dia ny firenen’i Mordekay eran’ny fanjakan’i Ahasoerosy.  Tamin’ny volana voalohany, izany hoe ny volana Nisana,* tamin’ny taona faha-12+ nanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia nisy nanao Pora+—na Antsapaka—teo imason’i Hamana mba hahafantarany ny andro sy ny volana hanaovana an’izany. Dia ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara,* no voafidy.+  Dia hoy i Hamana tamin’i Ahasoerosy Mpanjaka: “Misy vahoaka iray miparitaka sy miely any amin’ny faritany+ rehetra manerana ny fanjakanao.+ Tsy mitovy amin’ny an’ny vahoaka rehetra ny lalàny, ary tsy mba mankatò ny lalàn’ny mpanjaka izy. Tsy hitondra soa ho an’ny mpanjaka àry raha avela amin’izao fotsiny izy ireo.  Raha mba mety amin’ny mpanjaka, dia aleo hisy didy hatao an-tsoratra hoe haripaka izy ireo. Dia handoa volafotsy 10 000 talenta* amin’ny manam-pahefana aho, harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.”* 10  Nesorin’ny mpanjaka teny an-tanany àry ny peratra fanombohan-kaseny+ ka nomeny an’i Hamana,+ zanak’i Hamedota Agagita,+ ilay fahavalon’ny Jiosy. 11  Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: “Homena anao ny volafotsy sy izany vahoaka izany, ka ataovy izay hitanao fa mety.” 12  Dia nantsoina ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro faha-13 amin’ny volana voalohany. Nosoratan’izy+ ireo daholo ny didy navoakan’i Hamana ho an’ny lehibem-paritany notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka izay soratra fampiasan’ny faritany* tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany. Natao tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka koa ilay izy, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+ 13  Dia nampitondraina an’ireo mpitondra hafatra ny taratasy ho an’ny faritany rehetra eran’ilay fanjakana. Voasoratra tao ilay didy hoe hovonoina sy haringana ary haripaka daholo ny Jiosy rehetra, na antitra na tanora, na ny zaza na ny vehivavy, ary halaina daholo ny fananany.+ Andro iray ihany no hanaovana an’izany, dia ny faha-13 amin’ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.+ 14  Navoaka ho lalàna tany amin’ny faritany rehetra àry izay voasoratra tao amin’ilay taratasy. Nolazaina tamin’ny olona rehetra ilay izy, amin’izay ny olona hiomana ho amin’izany andro izany. 15  Navoaka tao an-dapan’i* Sosana*+ koa ilay lalàna. Dia lasa haingana+ ny mpitondra hafatra, noho ny baikon’ny mpanjaka. Nipetraka nisotro divay i Hamana sy ny mpanjaka avy eo, fa nisahotaka kosa ny tao an-tanànan’i Sosana.*

Fanamarihana

Abt: “ny seza fiandrianany.”
Abt: “hokasihin-tanana.”
1 talenta = 34,2 kg. Jereo F.F. B14.
Na mety hoe “handrotsaka talenta 10 000 ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana aho, homena an’ireo hanao an’izany.”
Na: “araka ny fomba fanoratry ny faritany.”
Na: “tao amin’ny tanàna voaro mafy tao.”
Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”