Estera 4:1-17

  • Nalahelo be i Mordekay (1-5)

  • Nasain’i Mordekay nitalaho tamin’ny mpanjaka i Estera (6-17)

4  Rehefa fantatr’i Mordekay+ izany rehetra izany,+ dia norovitiny ny akanjony, dia nitafy lamba gony izy sady nihosin-davenona. Nankeo afovoan-tanàna izy avy eo, dia nitaraindraina mafy fa nalahelo be.  Ary nankeny amin’ny vavahadin’ny mpanjaka izy, nefa nijanona hatreo ihany. Tsy nahazo niditra teo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka mantsy izay olona nitafy gony.  Nalahelo be daholo ny Jiosy, tany amin’ny faritany+ rehetra nahazo an’ilay didin’ny mpanjaka sy ny lalàny. Dia nifady hanina+ sy nitomany ary nidradradradra izy ireo. Be dia be koa no natory teo ambony gony sy lavenona.+  Dia nankao amin’i Estera ny vehivavy mpanampy azy sy ny tandapany ka nitantara an’izany taminy. Nalahelo be mihitsy àry i Estera vadin’ny mpanjaka, ka nampitondra akanjo hanaovan’i Mordekay ho solon’ilay lamba gony teny aminy. Tsy noraisin’i Mordekay anefa izany.  Dia nampanantsoin’i Estera i Hatàka tandapan’ny mpanjaka, izay notendrena hikarakara an’i Estera, ka nasainy nankany amin’i Mordekay hahafantarany an’izay nitranga.  Dia lasa i Hatàka nankany amin’i Mordekay teo amin’ny tany malalaky ny tanàna, teo alohan’ny vavahadin’ny mpanjaka.  Dia notantarain’i Mordekay taminy izay rehetra nanjo azy. Nolazainy koa hoe ohatrinona ny vola+ nampanantenain’i Hamana fa harotsany ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana mba handripahana ny Jiosy.+  Ary nomeny an’i Hatàka ny dika mitovy amin’ilay lalàna navoaka tao Sosana*+ hoe haripaka ny Jiosy. Nasainy naseho an’i Estera ilay izy sady nohazavaina taminy. Nasainy nilazana+ koa i Estera mba hankao amin’ny mpanjaka, ka hitalaho famindram-po aminy ary mba izy mihitsy no hiangavy ho an’ny fireneny.  Ary niverina i Hatàka dia nolazainy tamin’i Estera ny tenin’i Mordekay. 10  Dia nasain’i Estera nilaza tamin’i Mordekay izy hoe:+ 11  “Fantatry ny mpanompon’ny mpanjaka sy ny olona rehetra any amin’ny faritany manerana ny fanjakana hoe, raha misy lehilahy na vehivavy miditra eo amin’ny tokotany anatiny+ mankao amin’ny mpanjaka nefa tsy nantsoina, dia izao lalàna tokana izao no hampiharina aminy: Hovonoina ho faty izy. Raha tondroin’ny mpanjaka amin’ny tehiny volamena+ ihany izy vao tsy ho faty. Izaho anefa efa 30 andro izao no tsy nantsoina hankao amin’ny mpanjaka.” 12  Rehefa nolazaina tamin’i Mordekay ny tenin’i Estera, 13  dia izao no navaliny an’i Estera: “Aza mieritreritra hoe mety tsy ho faty miaraka amin’ny Jiosy rehetra ianao satria anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka. 14  Fa raha mangina tsy miteny ianao amin’izao, dia olon-kafa no hamonjy sy hanafaka ny Jiosy.+ Ianao sy ny ankohonan’ny rainao anefa ho faty. Sady iza moa no mahalala raha ho amin’ny zavatra hoatr’izao mihitsy no nahatonga anao ho lasa vadin’ny mpanjaka?”+ 15  Dia izao no navalin’i Estera an’i Mordekay: 16  “Mandehana àry vorio ny Jiosy rehetra eto Sosana.* Dia mifadia hanina+ noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro mandritra ny telo andro,+ na andro na alina. Hifady hanina koa izaho sy ny vehivavy mpanampy ahy. Dia hankao amin’ny mpanjaka aho, na dia tsy araka ny lalàna aza izany. Koa raha tsy maintsy ho faty aho, dia aleo ho faty.” 17  Dia lasa i Mordekay ka nanao an’izay rehetra nasain’i Estera nataony.

Fanamarihana

Na: “Sosa.”
Na: “Sosa.”